Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nisakafo tao an-tranon’ny Fariseo iray izy
REHEFA avy nanasitrana moana iray sy namaly an’ireo izay niahiahy ny amin’ny niandohan’ny fahefany i Jesosy, dia nasaina hisakafo tao an-tranon’ny Fariseo iray. Alohan’ny hisakafoana, dia fomban’ny Fariseo ny nanasa tanana hatreny amin’ny kiho. Nanao izany izy talohan’ny sakafo sy taoriany ary teny anelanelan’ny sakafo koa aza. Io fanaon-drazana io, izay tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra voasoratra, dia mihoatra noho ny fepetra takin’Andriamanitra amin’ny fahadiovana ara-pomba anefa.
Raha nahita ilay nasainy nandika io fanaon-drazana io ilay Fariseo dia gaga, na dia tsy niteny na inona na inona ny amin’izany aza. Voamarik’i Jesosy ny fahagagany ka hoy izy taminy: “Ankehitriny hianareo Fariseo dia manadio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana. Ry adala! Tsy Izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa?”
Nalan’i Jesosy sarona tamin’izany ny fihatsarambelatsihin’ny Fariseo izay nanasa tanana araka ny fombafomba, nefa nanao tsirambina ny fanadiovana ny fony ratsy. Nomeny azy ireo izao torohevitra izao: “Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo fiantrana, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.” Tokony hatao amim-pitiavana ny fanomezan’izy ireo fa tsy hoe mba hahagaga ny hafa noho ny fihamboana ho marina.
“Fa lozanareo, Fariseo!, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra hianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’Andriamanitra: ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.” Ny Lalàna nomen’Andriamanitra dia nitaky ny handoavana ny ampahafolon-karena, na ampahafolon’ny vokatry ny tany. Zavamaniry madinika manitra fampiasa amin’ny fahandroan-tsakafo ny solila sy ny rota. Mandoa tsara ny ampahafolon’ireny zavamaniry tsy dia manao ahoana ireny ny Fariseo, nefa nanome tsiny azy ireny i Jesosy noho ny tsy nampiharany toetra lehibe lavitra, toy ny fitiavana, ny hatsaram-po sy ny fanetren-tena.
Nanohy ny fiampangany i Jesosy: “Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin’ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena hianareo. Lozanareo, fa hianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy.” Araka izany, dia tsy mibaribary ny fahalotoan’ireo Fariseo. Hosokosoka, fihatsarambelatsihy fotsiny ny fivavahan’izy ireo.
Rehefa nahare izany ny mpahay lalàna iray, lehilahy nahay ny Lalàn’Andriamanitra, dia nanohitra hoe: “Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka anay koa.”
Hoy ny navalin’i Jesosy, izay nihevitra ny mpahay lalàna ho tompon’andraikitra koa: “Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina hianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory hianareo, na dia amin’ny rantsan-tànanareo iray aza. Lozanareo! fa manao rarivatom-pasan’ny mpaminany hianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy.”
Ny entana resahin’i Jesosy eo dia ireo lovantsofina am-bava izay tsy mahavonona ny mpahay lalàna ny hanalefaka azy na dia tendron-tsoratra iray aza mba hanamaivanana ny vahoaka. Nahariharin’i Jesosy fa nanohana ny famonoana ny mpaminany aza ireo mpahay lalàna ary nampiomana azy ireo izy fa hadinina “amin’ity taranaka ity ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ny alitara sy ny tempoly”. “Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin’ity taranaka ity izany.”
Nanomboka nisy izao tontolo izaon’ny olombelona azo navotana rehefa niteraka Adama sy Eva; azo atao àry ny milaza fa velona “hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” i Abela. Taorian’ny namonoana an’i Zakaria tamin-kabibiana, dia ravan’ny fanafihana syriana ny tanin’ny Joda. Nanambara anefa i Jesosy fa noho ny fitomboan’ny faharatsian’izy ireo, dia hiharan’ny famaboana mbola ratsy kokoa ihany ireo niara-belona taminy. Hitranga tokoa izany, 38 taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana.
Nanohy ny fanamelohany toy izao i Jesosy: “Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana; hianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo!” Nanana adidy hampianatra ny olona ny Tenin’Andriamanitra sy hanao izay hahazoany ny heviny ireo mpahay lalàna. Tsy nanatanteraka ny asa nanendrena azy anefa izy ireny, ary nisakana ny olona tsy hahazo ny hevitr’izany mihitsy aza.
Sosotra ny Fariseo sy ny mpahay lalàna noho ny fiampangan’i Jesosy. Nanery azy mafy izy ireo rehefa nivoaka avy tao an-trano izy ka nanototra fanontaniana azy, noho ny fanantenana ny hahita amin’ny teniny, antony hahazoana misambotra azy. Lioka 11:37-54; Deoteronomia 14:22; Mika 6:8; 2 Tantara 24:20-25.
◆ Nahoana moa i Jesosy no nanameloka ireo Fariseo sy mpahay lalàna?
◆ Inona avy moa no entana napetrak’ireo mpahay lalàna teo an-tsoroky ny vahoaka?
◆ Oviana moa no “nanorenana izao tontolo izao”?