Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Miomàna!
REHEFA avy nampitandrina ny vahoaka tamin’ny fitsiriritana sy nampiomana ireo mpianany mba tsy hihevitra be loatra ny zavatra ara-nofo i Jesosy dia nanome izao fampaherezana izao: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” Nambarany teo fa hisy olona azo lazaina hoe vitsy (144 000, araka ny holazaina mazava any aoriana) hahaforona ny Fanjakana any an-danitra. Ny ankamaroan’ireo izay handray ny fiainana mandrakizay dia ho vahoakan’io Fanjakana io eto an-tany.
Ilay “fanjakana”! Fanomezana kanto re izany! Nandodona ireo mpianany mba handray an’io fanomezana io araka ny mety i Jesosy ka nilaza taminy hoe: “Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana.” Eny, tokony hampiasa izay ananany izy ireo mba hahasoa ara-panahy ny mpiara-belona aminy, ka amin’izany dia hanangona “harena any an-danitra tsy mety ho lany”.
Rehefa avy eo i Jesosy dia namporisika ireo mpianany hiomana ho amin’ny fiverenany. Hoy izy: “Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; ary aoka hianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’izay. Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.”
Tao amin’io fanoharana io, dia nasehon’ireo mpanompo fa niomana ny handray ny tompony ho tafaverina izy ireo tamin’ny fomba nanaingany ny akanjony lava izay nafatony tao ambany fehikibony. Ambonin’izany, dia nanohy nanao ny raharahany izy tamin’ny alina be, nohazavain’ny jiro nirehitra tsara. Hoy ny fanazavan’i Jesosy: ‘Raha avy amin’ny fiambenana faharoa [fiambenana amin’ny sivy ora hariva ka hatramin’ny misasakalina] ilay tompo na amin’ny fiambenana fahatelo [eo amin’ny misasakalina ka hatramin’ny telo ora maraina] ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo!’
Namaly soa an’ireo mpanompony tamin’ny fomba tsy fahita ilay tompo: nasainy nipetraka hihinana izy ireo ka norosoany sakafo, ary nentiny, tsy toy ny mpanompo, fa toy ny sakaiza mahatoky. Valisoa mahafinaritra re izany, noho ny nanohizana niasa nandritra ny alina ho an’ny tompony teo am-piandrasana ny fiverenany! Namarana ny teniny toy izao i Jesosy: “Dia miomàna koa hianareo; fa ho avy ny Zanak’olona amin’izay ora tsy ampoizinareo.”
Nanontany toy izao i Petera tamin’izay: “Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?”
Tsy namaly mivantana i Jesosy fa nampiasa fanoharana hafa iray. “Iza moa no mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony [antokon’ny olony, MN ] mba hanome azy anjara hanina amin’ny fotoana? Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.”
Mazava ho azy fa Jesosy Kristy no “tompo” resahina eo. Ny “mpitandrin-draharaha” dia mampiseho ny “ondry vitsy” anisan’ny mpianany raisina amin’ny fitambarany. Ny fitenenana hoe “antokon’ny olony” dia manondro ireo kristiana 144 000 ireo ihany izay mandray ny Fanjakana any an-danitra, nefa amin’ny fanasoritana ny asa tontosainy isam-batan’olona. Ny ‘fananana’ ankinina amin’ny mpitandrin-draharaha dia mampiseho ny tombontsoam-piandrianan’io tompo io eto an-tany, anisan’izany ireo vahoakan’ny Fanjakany eto an-tany.
Tao amin’ny tohin’ny fanoharana, dia nampahafantarin’i Jesosy fa tsy hitoetra ho mahatoky daholo akory ny anisan’ny kilasin’ny mpitandrin-draharaha rehetra, na mpanompo. Hoy ny fanazavany: “Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny (...), dia hotapahiny roa [hosaziny mafy tokoa, MN ] izy.”
Nasehon’i Jesosy nanaraka izany fa ny fahatongavany dia ‘nanipy afo’ teo amin’ny Jiosy, satria nanaiky ny fampianarany ny sasany fa ny hafa kosa nanda izany. Telo taona mahery izay no nanaovana batisa an’i Jesosy tao amin’ny rano. Rehefa nihananatona ny fiafarany izao ny batisany tao amin’ny fahafatesana, dia hoy ny nambarany: “Manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterany!”
Rehefa avy nanao izany fanamarihana izany tamin’ny mpianany i Jesosy dia nitodika tany amin’ny vahoaka indray. Nilaza ny alahelony izy noho ny fikirizan’ireo handa, na dia teo aza ny zava-nitranga rehetra, ny maha-izy azy sy ny dikan’izany. “Raha mahita rahona miposaka any andrefana hianareo, miaraka amin’izay dia hoy hianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany. Ary raha avy atsimo ny rivotra, dia hoy hianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany. Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin’ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?” Lioka 12:32-59.
◆ Mpikambana firy moa no mahaforona ny “ondry vitsy”, ary inona no raisin’izy ireo?
◆ Ahoana moa no nampisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianany ny maha-zava-dehibe ny hiomanana?
◆ Tao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy, mampiseho inona moa ny “tompo”, ny “mpitandrin-draharaha”, ny “antokon’ny olony”, ny ‘fananana’?