Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nankany Jerosalema indray i Jesosy
TSY ELA dia nandeha indray i Jesosy, nampianatra isan-tanàna sy isam-bohitra. Toa tao amin’ny distrikan’i Pere, nanatrika an’i Jodia raha oharina amin’i Jordana, izy. Nankany Jerosalema anefa izy.
Ny nahatonga izany angamba dia satria, araka ny filozofia jiosy, dia voafetra ihany ny isan’ny olona ho mendrika ny famonjena angatahin’ny olona iray: “Tompoko, moa vitsy va no hovonjena?” Tamin’ny valin-teniny dia nitarika ireo mpihaino azy hieritreritra izay tokony hatao mba hahazoana ny famonjena i Jesosy. Hoy izy tamin’ireo: “Miseseha [na: miadia mafy, misahiràna fatratra] hiditra amin’ny varavarana èty hianareo.”
Ilaina maika dia maika ny hiasana mafy toy izany, satria, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka”. Inona no antony? Nohazavain’i Jesosy fa ‘rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary hisy olona hijanona eo ala-trano handondòna ny varavarana ka hanao hoe: ‘Tompoko, vohay izahay’, dia hilaza amin’izy ireo toy izao izy: “Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo; mialà amiko, hianareo rehetra mpanao meloka.”
Ny olona tafajanona tany ivelany dia toa nankao am-baravarana tamin’ny fotoana nety tamin’izy ireny. Nakatona sy nohidiana mafy anefa tamin’izay io varavarana nety ho nahafahany niditra io. Mba hidirana, dia tokony ho tonga aloha kokoa izy ireny, na dia tsy nety taminy aza ny fotoana. Marina tokoa fa loza no miandry an’izay mangataka andro amin’ny fanomezana ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany!
Tsy nanararaotra ny fahafahana tsara hanaiky ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hahazoana famonjena ny ankamaroan’ny Jiosy nanirahana an’i Jesosy hanatanteraka ny fanompoany. Noho izany antony izany, dia nilaza i Jesosy fa hitomany sy hikitro-nify izy ireny rehefa hatsipy any ivelany. Nefa kosa, ireo “ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo”, eny, avy any amin’ny firenena rehetra, dia “hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra”.
Nanohy ny teniny àry i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Misy ny aoriana [tsy Jiosy nohamavoina mbamin’ny Jiosy nampahorina] ho aloha, ary misy ny aloha [ireo Jiosy nahazo tombontsoa teo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-pivavahana] ho aoriana.” Ho farany ireny olona kamo sy tsy mahay mankasitraka ireny amin’ny heviny hoe tsy hiditra mihitsy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireny.
Nisy Fariseo nanatona an’i Jesosy izao ka nilaza taminy hoe: “Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda [Antipasy].” Angamba avy amin’i Heroda ihany izany tsaho izany, satria natahotra ny handray anjara tamin’ny fahafatesan’ny mpaminanin’Andriamanitra hafa iray izy, toy ny nitranga taminy rehefa novonoina Jaona Mpanao batisa. Izao anefa no nolazain’i Jesosy tamin’ireo Fariseo: “Mandehana, lazao amin’izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.”
Rehefa nahavita ny asany tao amin’ilay faritra i Jesosy, dia nanohy ny diany nankany Jerosalema, satria, araka ny fanazavany, “ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema”. Nahoana no tokony hantenaina ny hamonoana an’i Jesosy tany Jerosalema? Satria renivohitra io tanàna io, nisy ny Synedriona, dia ny fitsarana tampony voaforon’ny mpikambana 71, ary tao no nanaterana sorona biby. Tsy hety àry ny hamonoana ny “Zanak’ondrin’Andriamanitra” any ivelan’i Jerosalema.
“Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, hoy ny fitarainan’i Jesosy impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo! Indro, avela ho anareo ny tranonareo!” Voaheloka ilay firenena satria nanda ny Zanak’Andriamanitra.
Raha mbola nanohy ny diany ho any Jerosalema i Jesosy, dia nasaina tao an-tranon’ny filohan’ny Fariseo iray izy. Nisy nikendry azy, satria andro sabata tamin’izay, ary tao ny lehilahy narary nanirano, na nihandronan-drano, azo inoana fa tamin’ny tongotra aman-tanany. Nitodika tany amin’ireo Fariseo sy mpahay lalàna tonga teo i Jesosy ka nanontany hoe: “Mety va ny mahasitrana amin’ny Sabata, sa tsia?”
Nangina ny rehetra. Nositranin’i Jesosy àry ilay lehilahy, avy eo dia nanontany toy izao izy: “Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin’izay na dia amin’ny andro Sabata aza?”. Mbola tsy namaly ihany ny olona. Lioka 13:22 ka hatramin’ny 14:6; Jaona 1:29.
◆ Araka ny filazan’i Jesosy, inona no ilaina mba hahazoana famonjena, ary nahoana ny maro no tsy tafiditra?
◆ Iza moa ireo “farany” tonga voalohany, ary ireo “voalohany” tonga farany?
◆ Inona no mety ho antony nitadiavan’i Heroda hamono an’i Jesosy, araka ny nolazaina?
◆ Nahoana no tsy azo novonoina tany ivelan’i Jerosalema ny mpaminany iray?