Nankahala ny Fandikan-dalàna i Kristy — Ary Ianao?
“Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny [fandikan-dalàna, NW ]; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao mihoatra noho ny namanao.” — HEBREO 1:9.
1. Ankoatra ny fitiavana ny fahamarinana, inona koa no takina amin’ireo tena mpanompon’i Jehovah Andriamanitra rehetra?
IREO tena mpanompon’i Jehovah dia tia azy amin’ny fony sy ny fanahiny sy ny sainy ary ny heriny rehetra. (Marka 12:30). Maniry ny hampifaly ny fon’i Jehovah izy ireo amin’ny fitanany ny tsy fivadihana. (Ohabolana 27:11). Mba hanaovana izany, dia tsy vitan’ny hoe tsy maintsy tia ny fahamarinana izy ireo, fa tsy maintsy mankahala ny fandikan-dalàna koa. Azo antoka fa nanao izany i Jesosy Kristy, ilay Môdelin’izy ireo. Izao no voambara ny aminy: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny fandikan-dalàna”. — Hebreo 1:9, NW.
2. Inona no voafaoka ao amin’ny fandikan-dalàna?
2 Fa inona no atao hoe fandikan-dalàna? Izany dia fahotana, araka ny nasehon’ny apostoly Jaona rehefa nanoratra izy hoe: “Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.” (1 Jaona 3:4). Ny olona iray mpandika lalàna dia “tsy voatana na voafehin’ny lalàna”. (Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary). Ny fandikan-dalàna dia mahafaoka izay rehetra ratsy, tena ratsy fanahy, maloto ara-pitondrantena, simba, ary tsy marina. Asehon’ny topy maso eo amin’izao tontolo izao amintsika fa, ny fandikan-dalàna, dia miely hatraiza hatraiza amin’izao fotoana izao tsy toy ny teo aloha. Tsy misy isalasalana mihitsy fa miaina ao amin’ilay “andro mahory” izay nambaran’ny apostoly Paoly mialoha ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 isika. Noho izany fandikan-dalàna rehetra izany, dia tsara dia tsara tokoa ny nandidiana antsika mba hankahala ny faharatsiana rehetra! Izao, ohatra, no lazaina amintsika: “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy”. (Salamo 97:10). Toy izany koa, dia izao no vakintsika: “Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara”. — Amosa 5:15.
Fankahalana karazany telo
3-5. Fomba telo inona avy no ampiasana ilay teny hoe “mankahala” ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
3 Inona ny dikan’ny hoe mankahala? Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny hoe “mankahala” dia ampiasaina amin’ny fomba telo samy hafa. Eo ny fankahalana atosiky ny fo lentika ary mitady ny hanisy ratsy ilay ankahalaina. Tsy maintsy manalavitra io karazana fankahalana io ny Kristiana. Io ilay karazany izay nanosika an’i Kaina hamono an’i Abela rahalahiny, izay marina. (1 Jaona 3:12). Io koa ilay karazana fankahalana izay nananan’ireo mpitondra fivavahana tamin’i Jesosy Kristy. — Matio 26:3, 4.
4 Ankoatra izany, ny teny hoe “mankahala” dia ampiasaina ao amin’ny Soratra Masina amin’ny heviny hoe tia amin’ny fomba latsa-danja kokoa. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: “Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.” (Lioka 14:26). Miharihary fa te hilaza fotsiny i Jesosy hoe fitiavana an’ireo olona ireo amin’ny fomba latsa-danja kokoa noho ny fitiavantsika azy. ‘Nankahala an’i Lea’ i Jakoba, nefa raha ny marina dia tia azy tamin’ny fomba latsa-danja kokoa noho ny nitiavany an-dRahely izy. — Genesisy 29:30, 31.
5 Manaraka izany, dia eo ny hevitr’ilay teny hoe “mankahala” izay mahaliana antsika indrindra eto. Izy io dia manana heviny hoe fahatsapana tsy fitiavana lalina, na rikoriko mafy aoka izany amin’olona na amin-javatra iray ka mahatonga antsika hanalavitra izay mety ho fifandraisana amin’olona na amin-javatra toy izany. Ao amin’ny Salamo 139 izy io dia lazaina ho toy ny ‘fankahalana dia fankahalana’. Ao i Davida dia milaza hoe: “Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, sy ho tezitra amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Halako dia halako marina tokoa ireny; efa fahavaloko ireny.” — Salamo 139:21, 22.
Ny antony tokony hankahalantsika ny fandikan-dalàna
6, 7. a) Nahoana indrindra isika no tokony hankahala ny fandikan-dalàna? b) Inona no antony mahery faharoa mahatonga antsika hankahala ny fandikan-dalàna?
6 Nahoana isika no tokony hankahala ny fandikan-dalàna? Ny antony iray dia mba hahafahantsika manana fanajana ny tenantsika sy fieritreretana madio. Amin’izany fomba izany ihany no ahafahantsika manana fifandraisana tsara amin’i Jehovah, ilay Raintsika marina sy be fitiavana any an-danitra. Namela ohatra tsara dia tsara tamin’izany lafiny izany i Davida, araka ny mety ho hitantsika amin’ny famakiana ny Salamo 26. Toy izao, ohatra, no nolazainy: “Halako ny fiangonan’ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ny ratsy fanahy aho.” (Salamo 26:5). Ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fahamarinana dia tokony hanosika antsika hanana fahatezerana ara-drariny — eny, fankahalana — amin’izay rehetra mety ho fandikan-dalàna eo imasony, anisan’izany ireo asa fandikan-dalàna ataon’ireo izay tsy mankatò sy mankahala an’i Jehovah. Ankoatra izany, dia tokony hankahala ny fandikan-dalàna isika noho ny fahafaham-baraka entin’izany ho an’ny anaran’Andriamanitra.
7 Ny antony iray hafa tokony hankahalan’ny vahoakan’i Jehovah ny fandikan-dalàna, dia noho izy io tena mampidi-doza sy tena manimba. Inona no vokatra entin’ny famafazana ho an’ny nofo, izay midika ho famafazana fandikan-dalàna? Nampitandrina toy izao i Paoly: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.” (Galatiana 6:7, 8). Koa tokony hirintsika ny tsy hanana na inona na inona mihitsy ifandraisana amin’ny fandikan-dalàna. Ilaintsika marina tokoa ny mankahala ny fandikan-dalàna rehetra mba hahasoa antsika sy mba hananantsika fiadanan-tsaina.
Ireo izay mankahala ny fandikan-dalàna
8. Iza no nanome ny ohatra tsara indrindra tamin’ny fankahalana ny fandikan-dalàna, araka ny asehon’ny andinin-teny inona avy?
8 Amin’ny fankahalany ny fandikan-dalàna, Andriamanitra dia manome ny ohatra tsara indrindra ho an’ireo zavaboary manan-tsaina rehetra. Tezitra ara-drariny amin’ny fandikan-dalàna Izy, ary hoy ny Teniny: “Izao enina izao no halan’i Jehovah, — eny, fito no ataony fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela fandainga, ny tànana mandatsa-dra marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy.” Izao koa no vakintsika: “Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny làlana ratsy ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.” (Ohabolana 6:16-19; 8:13). Ambonin’izany, dia izao no nambara tamintsika: “Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin’ny faharatsiana”. — Isaia 61:8.
9, 10. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa halany ny fandikan-dalàna?
9 Nanahaka ny Rainy tamin’ny fankahalana ny fandikan-dalàna i Jesosy Kristy. Araka izany dia izao no vakintsika: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny [fandikan-dalàna, NW ]; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao mihoatra noho ny namanao.” (Hebreo 1:9). Namela ohatra ho antsika mikasika io karazana fankahalana io i Jesosy. Nasehony ny fankahalany ny fandikan-dalàna tamin’ny fampiharihariana ireo izay ninia nanao izany ho fahazarana — ireo filoham-pivavahana sandoka. Imbetsaka izy no nanameloka azy ireo an-karihary ho mpihatsaravelatsihy. (Matio toko faha-23). Tamin’ny toe-javatra hafa iray i Jesosy dia nilaza tamin’izy ireo hoe: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.” (Jaona 8:44). Nampiseho ny fankahalany ny fandikan-dalàna i Jesosy, ka tonga hatramin’ny fampiasana hery mihitsy aza, indroa, tamin’ny fanadiovana ny tempoly tamin’ireo mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana mpierina. — Matio 21:12, 13; Jaona 2:13-17.
10 Nampiseho ny fankahalany ny fandikan-dalàna sy ny ota koa i Jesosy tamin’ny fitanana ny tenany ho afaka tanteraka tamin’ireo zavatra ireo. Noho izany, dia afaka nanontany tsara ireo mpanohitra azy toy izao izy: “Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota?” (Jaona 8:46). I Jesosy dia “masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota”. (Hebreo 7:26). Mba hanamarinana izany dia nanoratra i Petera fa i Jesosy dia “tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany”. — 1 Petera 2:22.
11. Ohatra araka ny Soratra Masina inona avy no ananantsika mikasika olombelona tsy tanteraka izay nankahala ny fandikan-dalàna?
11 Lehilahy tanteraka anefa i Jesosy. Moa ve isika manana ohatra araka ny Soratra Masina ny amin’ny olombelona tsy tanteraka izay nankahala marina tokoa ny fandikan-dalàna? Izany tokoa! I Mosesy sy ireo Levita namany, ohatra, dia nampiseho fankahalana lalina ny fanompoan-tsampy, tamin’ny famonoana ho faty mpanompo sampy teo amin’ny 3 000 teo ho eo noho ny baikon’i Jehovah. (Eksodosy 32:27, 28). Naneho fankahalana lalina ny fandikan-dalàna i Finehasa, rehefa namono mpijangajanga roa tamin’ny lefona. — Nomery 25:7, 8.
Fampisehoana fankahalana ny fandikan-dalàna
12. a) Ahoana no ahafahantsika mampiseho ny fankahalantsika ny fandikan-dalàna? b) Inona avy ireo fomba azo ampiharina sasany mba hanalavirana eritreritra mandika lalàna?
12 Raha mijery mivantana ny amin’izao androntsika izao isika, ahoana no ahafahantsika mampiseho ny fankahalantsika ny fandikan-dalàna? Amin’ny fifehezana ny eritreritsika, ny tenintsika, ary izay ataontsika. Mila mamboly fahazarana mieritreritra zavatra manorina isika rehefa tsy voatana amin’ny asa manokana ny saintsika. Raha sendra tsy mahita tory isika eo am-pandriana amin’ny alina, dia mety hirona hieritreritra zavatra tsy manorina, toy ny fisaintsainana tsy an-kijanona fahoriana, na fanaranam-po amin’ny nofinofy momba ny lahy sy ny vavy. Aza manome toerana ho an’ny zavatra toy izany mihitsy, fa ataovy fahazarana ny mitana ny sainao amin’ny eritreritra mahasoa. Ohatra, manandrama mitadidy andinin-teny, ireo fahasambarana sivy, ary ny vokatry ny fanahy sivy. (Matio 5:3-12; Galatiana 5:22, 23). Azonao omena ve ny anaran’ireo apostoly 12? Fantatrao ve ireo Didy Folo? Iza avy ireo kongregasiona fito resahina ao amin’ny Apokalypsy? Ny fitadidiana ireo hiran’ilay Fanjakana koa dia manampy mba hieritreritra hatrany ny amin’ny zavatra marina, manan-kaja, mahitsy, madio, mahate-ho-tia, tsara laza, misy hatsaram-panahy, misy dera. — Filipiana 4:8.
13. Hahatonga antsika hankahala karazan-dresaka inona ny fankahalana ny fandikan-dalàna?
13 Fanampin’izany, dia asehontsika fa mankahala ny fandikan-dalàna isika amin’ny fanalavirana ny fitenenana maloto rehetra. Olona maro be eo amin’izao tontolo izao no mahita fifaliana amin’ny firesahana sy amin’ny fihainoana vazivazy maloto, fa ny Kristiana kosa dia tsy tokony hirona na dia amin’ny fihainoana an’izany akory aza. Tokony hiala eo kosa isika ka hanalavitra ny fandraisana anjara amin’izay mety ho resadresaka mihodinkodina amin-javatra ambany dia ambany toy izany. Rehefa tsy afaka miala eo isika, dia azontsika aseho eo amin’ny tarehintsika fara faharatsiny fa halantsika ny resaka toy izany. Ilaintsika ny manaraka ity torohevitra tsara dia tsara ity: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.” (Efesiana 4:29). Tsy tokony handoto ny tenantsika amin’ny firesahana zavatra maloto na amin’ny fihainoana izany isika.
14. Fiarovana inona no omen’ny fankahalana ny fandikan-dalàna eo amin’ireo fanao ara-barotra sy eo amin’ny asa?
14 Ny fankahalantsika ny fandikan-dalàna dia tokony hikendry ny hanoherana ireo fanao ratsy koa. Ny fankahalana ny fandikan-dalàna dia hanampy antsika hanalavitra ny fandrika hanaiky lembenana amin’io lafiny io. Ireo Kristiana marina dia tsy zatra manota. (Ampitahao amin’ny 1 Jaona 5:18, NW.) Ohatra, tsy maintsy mankahala ireo fanao ara-barotra tsy marina isika. Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah maro no noterena mba hanao zavatra tsy marina ho an’ny mpampiasa azy, kanefa dia tsy nety nanao izany izy ireny. Vonona na dia ny hamoy ny asany aza ireo Kristiana, toy izay hanao zavatra izay handika ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly. Ambonin’izany, dia irintsika koa ny haneho ny fankahalantsika ny fandikan-dalàna, amin’ny tsy fandikantsika ireo lalàna momba ny fifamoivoizana sy amin’ny tsy fampiasantsika hafetsena rehefa tsy maintsy mandoa hetra na fadin-tseranana. — Asan’ny Apostoly 23:1; Hebreo 13:18.
Fankahalana ireo fahalotoana eo amin’ny lahy sy ny vavy
15. Nanatanteraka fikasana inona avy ny famoronana ny olombelona hanana fironana voajanahary mahery hiray amin’ny vadiny?
15 Amin’ny maha-Kristiana antsika dia tsy maintsy ankahalaintsika indrindra indrindra ireo fahalotoana rehetra izay mahatafiditra ireo raharaha momba ny lahy sy ny vavy. Tamin’ny famoronana ny olombelona hanana fironana voajanahary mahery hiray amin’ny vadiny, Andriamanitra dia nanatanteraka fikasana tsara dia tsara roa. Nataony azo antoka fa tsy ho lany tamingana ny taranak’olombelona, ary nanao fandaharana iray feno fitiavana indrindra mba hahazoana fahasambarana izy. Na dia ireo olona mahantra, na tsy mahay taratasy, na ireo tsy nambinina tamin’ny lafiny sasany aza, dia afaka mahita fahasambarana lehibe ao amin’ny firaisan’ny mpivady. Na dia izany aza dia nisy fefy nataon’i Jehovah, ka ao anatin’izany fefy izany no azo ananana io firaisana io. Tsy maintsy hajaina ireny fetra nambaran’Andriamanitra ireny. — Genesisy 2:24; Hebreo 13:4.
16. Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny fialam-boly sy ny fanao maloto ara-pitondrantena?
16 Raha mankahala ny fandikan-dalàna isika, dia halavirintsika amim-pitandremana izay rehetra mety ho fanao maloto sy fialam-boly maloto ara-pitondrantena. Noho izany, dia halavirintsika ireo boky sy gazetiboky, ary gazety rehetra tsy azo antoka hahasoa ny fitondrantena. Toy izany koa, raha mankahala ny fandikan-dalàna isika, dia tsy hijery izay mety ho fampisehoana maloto, na ao amin’ny televiziona izany, na any amin’ny sinema, na eny an-dampihazo. Raha hitantsika fa maloto ara-pitondrantena ny fandaharana iray, dia tokony ho voatosika hanapika ny vata fahitalavitra avy hatrany isika na tokony hanana herim-po handao ny trano fampisehoana teatira. Toy izany koa, ny fankahalana ny fandikan-dalàna dia hahatonga antsika hitandrina ny amin’ireo mozika rehetra izay manaitra ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy na eo amin’ny tonony izany na eo amin’ny fingadony. Tsy hitady hahafantatra ireo zavatra maloto ara-pitondrantena isika, fa ho ‘zaza bodo amin’ny faharatsiana, ary ho olon-dehibe kosa amin’ny fahaizana mahataka-javatra’. — 1 Korintiana 14:20, NW.
17. Torohevitra inona no omen’ny Kolosiana 3:5 antsika ka afaka manampy antsika hitoetra ho madio ara-pitondrantena?
17 Mety indrindra ny nanomezana antsika torohevitra toy izao: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po [eo amin’ny lahy sy ny vavy, NW ]”. (Kolosiana 3:5). Tsy misy isalasalana mihitsy fa ilaintsika ny maka fepetra hentitra raha eo am-panaovana fanapahan-kevitra ny hitoetra ho madio ara-pitondrantena isika. Mikasika ny matoanteny grika nadika hoe “vonoy” ao amin’ny Kolosiana 3:5, dia izao no nambaran’ny The Expositor’s Bible Commentary: “Izy io dia tsy manipy hevitra fotsiny ny amin’ny tsy maintsy andresentsika amin-kery na hifehezantsika ireo asa sy fihetsika ratsy. Tsy maintsy mampanjavona izany isika, mamono tanteraka ilay fomba fiaina taloha. Mety hilaza ny heriny ny hoe ‘vonoy ho faty tanteraka’. (...) Ny hevitr’ilay matoanteny sy ny herin’ny filazam-potoana nampiasaina dia samy manipy hevitra ny amin’ny asa feno fahatapahan-kevitra ataon’ny tena manokana, izay mafy sady mampanaintaina.” Ireo boky na sary maloto natao hanairana ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy àry, dia tokony hohalavirintsika toy ny aretina mampidi-doza, mifindra ary mahafaty, satria toy izany mihitsy izy io ara-pitondrantena sy ara-panahy. Nanambara hevitra mitovy amin’izany i Jesosy rehefa nilaza ny hanesorana tanana iray, na tongotra, na ny maso mihitsy aza, raha mahatonga antsika ho tafintohina izany. — Marka 9:43-48.
Fankahalana ny fivavahan-diso sy ny fivadiham-pinoana
18. Ahoana no ahafahantsika mampiseho ny fankahalantsika ny fandikan-dalàna ara-pivavahana?
18 Toy ny nanehoan’i Jesosy ny fankahalany ny fandikan-dalàna tamin’ny fanalana sarona ireo mpivavaka mpihatsaravelatsihy, ny Vavolombelon’i Jehovah koa dia mampiseho ny fankahalany ny fandikan-dalàna ara-pivavahana feno fihatsarambelatsihy rehetra amin’izao andro izao. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fizarana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly izay mampiharihary an’i Babylona Lehibe amin’ny tena maha-izy azy, dia mpijangajanga ara-pivavahana iray. Raha tena mankahala ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana mpandika lalàna isika, dia hanala sarona tsy misy olakolaka an’i Babylona Lehibe, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Hanao izany isika noho ireo olona tso-po izay nohajambainy sy notanany tao anatin’ny fanandevozana ara-panahy. Arakaraka ny halehiben’ny tena fankahalantsika ny fandikan-dalàn’i Babylona Lehibe, dia arakaraka izany koa ny zotom-pontsika eo amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana ilay Fanjakana amin’ny endriny rehetra. — Matio 15:1-3, 7-9; Titosy 2:13, 14, NW; Apokalypsy 18:1-5.
19. Ahoana no tokony hiheverantsika ireo mpivadi-pinoana, ary nahoana?
19 Ny adidy hankahala ny fandikan-dalàna dia mihatra koa amin’ny asa rehetra ataon’ny mpivadi-pinoana. Ny fihetsika asehontsika amin’ireo mpivadi-pinoana dia tokony ho toy ny an’i Davida izay nanambara hoe: “Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, sy ho tezitra amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Halako dia halako marina tokoa ireny; efa fahavaloko ireny.” (Salamo 139:21, 22). Ireo mpivadi-pinoana amin’izao andro izao dia miandany amin’“ilay lehilahin’ota [“lehilahy mpandika lalàna”, NW ]”, dia ny klerjin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana. (2 Tesaloniana 2:3). Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah tsy mivadika antsika àry, dia tsy manana na inona na inona iombonana aminy mihitsy isika. Noho ny tsy fahatanterahana, ny fontsika dia mety hirona mora foana hanakiana ireo rahalahy. Ny tsirairay anisan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia olombelona tsy tanteraka. (Matio 24:45-47, NW ). Mahatoky sy malina anefa io kilasy io. Mba hampandrosoana izay ataony, ireo mpivadi-pinoana dia mampisongadina ny fahadisoana, na izay toa fahadisoana vitan’ireo rahalahy izay mitarika. Ny tsy fananantsika ahiahy dia miankina amin’ny fanalavirantsika ny fampielezan-kevitry ny mpivadi-pinoana toy ny hoe poizina izany, ary poizina mihitsy izy io raha ny marina. — Romana 16:17, 18.
20, 21. Ahoana no azo amintinana ireo antony tokony hankahalana ny fandikan-dalàna?
20 Hitantsika fa izao tontolo izao dia feno fandikan-dalàna izay mitovy hevitra amin’ny fahotana. Tsy ampy ny hitiavantsika ny fahamarinana; tsy maintsy mankahala ny fandikan-dalàna koa isika. Ny sasany tamin’ireo voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana dia mety ho nieritreritra fa tia ny fahamarinana, saingy tsy ampy ny fankahalan’izy ireo ny fandikan-dalàna. Hitantsika koa ny antony tokony hankahalantsika ny fandikan-dalàna. Tsy afaka hanana fieritreretana madio sy fanajana ny tenantsika isika raha tsy manao izany. Ankoatra izany, ny fandikan-dalàna dia midika ho fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra. Ary ny fandikan-dalàna dia mahatonga antsika hijinja vokatra mangidy dia mangidy — alahelo be, fahasimbana, ary fahafatesana.
21 Nomarihintsika koa ny fomba ampisehoana ny fankahalantsika ny fandikan-dalàna. Manao izany isika amin’ny tsy fananana fifandraisana mihitsy amin’izay mety ho karazana fanao tsy marina, fahalotoam-pitondrantena, na fivadiham-pinoana. Koa satria irintsika ny handray anjara amin’ny fanamarinana an’i Jehovah sy hampifaly ny fony, dia tsy vitan’ny hoe tsy maintsy tia ny fahamarinana sy mikely aina amin’ny fanompoana azy fotsiny isika, fa tsy maintsy mankahala ny fandikan-dalàna koa, toy ny nataon’ilay Mpitarika sady Mpifehy antsika, dia i Jesosy Kristy.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ampiasan’ny Soratra Masina ny teny hoe “mankahala”?
◻ Inona avy no antony tsara sasany mahatonga antsika hankahala ny fandikan-dalàna?
◻ Ohatra tsara dia tsara inona avy no ananantsika mikasika ireo izay nankahala ny fandikan-dalàna?
◻ Ahoana no azontsika ampisehoana ny fankahalantsika ny fandikan-dalàna?
[Sary, pejy 8]
Nanadio ny tempoly i Jesosy noho izy nankahala ny fandikan-dalàna
[Sary, pejy 10]
Raha mankahala ny fandikan-dalàna isika, dia hanalavitra ny fialam-boly maloto ara-pitondrantena