-
‘Mifankatiava’Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Febroary
-
-
5, 6. a) Inona no fanoharana fohy anankiroa nataon’i Jesosy? b) Inona no asehon’ireo fanoharana ireo momba an’i Jehovah?
5 Nanao fanoharana fohy anankiroa i Jesosy, mba hampianarana ny mpihaino azy ny fiheveran’i Jehovah an’ireo nania. Momba ny mpiandry ondry ny voalohany. Hoy i Jesosy: “Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.”—Lioka 15:4-7.
-
-
‘Mifankatiava’Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Febroary
-
-
Very fa mbola sarobidy
8. a) Nanao ahoana ny fihetsik’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy rehefa very ny fananany? b) Ahoana no fiheverany ilay fananany very?
8 Samy nisy zavatra very tamin’ireo fanoharana ireo, nefa mariho ny fihetsiky ny tompony. Tsy nilaza ilay mpiandry ondry hoe: ‘Inona koa izay ondry iray? Tsy mila an’iny ondry iny aho, fa mbola manana 99!’ Tsy nilaza ilay vehivavy hoe: ‘Nahoana aho no hiady saina amin’izay farantsakely iray? Ampy ahy ireto sivy ireto.’ Toy ny hoe tsy nanana afa-tsy ilay ondry very ilay mpiandry ondry, rehefa nitady azy. Toy ny tsy nanana farantsakely hafa ilay vehivavy rehefa very ilay anankiray. Mbola sarobidy tamin’ny tompony foana ilay zavatra very, tamin’ireo fanoharana roa ireo. Inona no hevitr’izany?
9. Inona no asehon’ny fiahian’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy ny fananany very?
9 Mariho izao teny famaranan’i Jesosy izao: “Hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka” sy ny hoe: “Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka.” Ny fiahian’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy ny fananany very àry dia mampiseho amin’ny ambaratonga kely ny fihetseham-pon’i Jehovah sy ny anjeliny. Mbola sarobidy tamin’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy ilay zavatra very. Toy izany koa fa mbola sarobidy amin’i Jehovah ny olona mania sy tsy miara-mivory amin’ny vahoakany intsony. (Jeremia 31:3) Tsy voatery ho mpikomy izy ireo na dia malemy ara-panahy aza. Mety ho mbola manao ny zavatra sasany takin’i Jehovah izy. (Salamo 119:176; Asan’ny Apostoly 15:29) Toy ny taloha àry i Jehovah, ka tsy maika “hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany.”—2 Mpanjaka 13:23.
10, 11. a) Ahoana no tokony hiheverantsika ny olona nania sy izay tsy hita intsony any amin’ny fivoriana? b) Araka ny fanoharana roa nataon’i Jesosy, ahoana no hampisehoantsika fa miahy azy ireo isika?
10 Toa an’i Jehovah sy Jesosy koa isika, satria tena miahy ny olona malemy sy tsy hita intsony any amin’ny fivoriana. (Ezekiela 34:16; Lioka 19:10) Toy ny ondry very, nefa tsy very tanteraka, no fiheverantsika ireny olona ireny. Tsy mihevitra isika hoe: ‘Nahoana moa isika no hiady saina amin’ny olona malemy iray? Mbola mandeha tsara ny fiangonana na dia tsy eo aza izy.’ Sarobidy amintsika kosa ny olona mania nefa te hiverina, satria toy izany no fiheveran’i Jehovah azy.
-
-
‘Mifankatiava’Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Febroary
-
-
Isika no mila manao zavatra voalohany
12. Milaza inona momba ilay mpiandry ondry ny hoe “mandeha mitady ilay very”?
12 Ao amin’ilay fanoharana voalohany, dia milaza i Jesosy fa “mandeha hitady ilay very” ilay mpiandry ondry. Izy no manao zavatra voalohany sy manao ezaka hikarohana ilay ondry very. Tsy mahakivy azy ny zava-tsarotra sy ny loza mety ho hitany, ary ny lalana lavitra. Tsy mijanona izy “mandra-pahitany azy.”—Lioka 15:4.
13. Inona no nataon’ireo olona nahatoky fahiny mba hanampiana ireo nalemy, ary ahoana no hanaovantsika toa azy ireo?
13 Toy izany koa no tokony hatao rehefa misy olona mila fampaherezana. Ilay matanjaka matetika no tokony hanao zavatra voalohany. Fantatry ny olona nahatoky fahiny izany. Voamarik’i Jonatana zanak’i Saoly Mpanjaka, ohatra, fa nila fampaherezana i Davida namany, indray mandeha. “Niainga” àry izy “dia nankany amin’i Davida tany an-ala ka nampahery ny tànany tamin’Andriamanitra.” (1 Samoela 23:15, 16) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia tsikaritr’i Nehemia Governora fa kivy ny sasany tamin’ireo rahalahiny jiosy. “Nitsangana” avy hatrany koa izy ary nampirisika azy ireo ‘hahatsiaro an’i Jehovah.’ (Nehemia 4:8) Tokony ‘hitsangana’ koa isika, izany hoe isika no hanao zavatra voalohany, mba hampaherezana ireo malemy. Iza anefa no tokony hanao izany eo anivon’ny fiangonana?
14. Iza no tokony hanampy ireo malemy?
14 Ny anti-panahy no tena manana andraikitra ‘hampahery ny tànana miraviravy sy hanatanjaka ny lohalika malemy’ ary ‘hilaza amin’izay reraka am-po hoe: Mahereza, aza matahotra.’ (Isaia 35:3, 4; 1 Petera 5:1, 2) Mariho anefa fa tsy ny anti-panahy ihany no nasain’i Paoly ‘hanome toky’ ny ketraka sy hampahery ny malemy. Nanoratra ho an’ny “fiangonan’ny Tesaloniana” manontolo izy tamin’izay. (1 Tesaloniana 1:1; 5:14) Andraikitry ny Kristianina rehetra àry ny manampy ireo malemy. Tokony ho voatosika ‘handeha hitady ilay very’ ny Kristianina tsirairay, toy ilay mpiandry ondry tao amin’ilay fanoharana. Mazava ho azy fa mitondra vokany faran’izay tsara izany, rehefa miara-miasa amin’ny anti-panahy isika. Afaka manao zavatra àry ve ianao mba hanampiana ireo malemy eo anivon’ny fiangonanao?
-