-
Ny Fiovana teo Amin’ilay Mpanankarena sy LazarosyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
“Hatreo amin’i Jaona ihany ny Lalàna sy ny Mpaminany. Fa nanomboka teo kosa dia ny fanjakan’Andriamanitra no vaovao tsara torina amin’ny olona, ary misesika ho ao ny karazan’olona rehetra. Fa ho mora kokoa ny hahalevona ny lanitra sy ny tany noho ny tsy hahatanteraka ny tendron-tsoratra iray ao amin’ny Lalàna.” (Lioka 3:18; 16:16, 17) Nahoana ireo teny ireo no mampiseho fa hisy fiovana?
-
-
Ny Fiovana teo Amin’ilay Mpanankarena sy LazarosyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Nahavita ny asany ny Lalàn’i Mosesy, satria nitarika ny olona hino ny Mesia. Tsy voatery hitandrina azy io intsony ny olona. Namela ny olona hisara-panambadiana noho ny antony samihafa, ohatra, ny Lalàna. Hoy anefa i Jesosy: “Manitsakitsa-bady izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa. Ary izay manambady vehivavy nisarahan’ny vadiny dia manitsakitsa-bady.” (Lioka 16:18) Tena nampahatezitra an’ireo Fariseo tia namorona lalàna izany tenin’i Jesosy rehetra izany.
-