-
Fandokoana LambaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Avy amin’ny sifodranomasina toy ny Murex trunculus sy Murex brandaris no nahazoana ny volomparasy. Mamoaka ranoka indray mitete ny fihary kely ao amin’ny hatok’izy ireny. Marihitra sy mitovy loko amin’ny hero-dronono ilay ranoka, fa miova tsikelikely ho volomparasy be na volomparasy somary mena rehefa azon’ny rivotra sy hazavana. Eny amoron’ny Ranomasina Mediterane no misy an’ireo sifodranomasina, ary arakaraka ny toerana misy azy ny loko azo avy aminy. Vakina tsirairay ny sifotra lehibe ary alaina tsimoramora ny ranoka sarobidy ao anatiny, fa izay kely kosa totoina ao anaty laona. Kely ihany ny ranoka azo avy amin’ny iray, ka sifotra maro vao nahazoana betsaka nefa nilana vola be izany. Lafo àry ny loko avy taminy, ka ny mpanankarena sy olona ambony ihany no mpanao akanjo nolokoana volomparasy. (Es 8:15; Lk 16:19) Misy betsimitsitekiteky, hono, ahazoana loko manga.
-
-
FanoharanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
19) Ilay mpanankarena sy Lazarosy (Lk 16:19-31). Resahin’ny Lioka 16:14, 15 fa naneso an’i Jesosy ireo Fariseo tia vola rehefa nandre ny teniny. Hoy anefa i Jesosy: “Ianareo milaza tena ho marina eo anatrehan’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ny fonareo. Fa izay ataon’ny olona ho ambony dia maharikoriko kosa eo imason’Andriamanitra.”
Toy ny akanjo fitondran’ny andriana sy olona ambony ary mpisorona ilay akanjo vita tamin’ny “lamba volomparasy sy rongony” nanaovan’ilay mpanankarena. (Es 8:15; Ge 41:42; Ek 28:4, 5) Lafo be ny akanjo toy ireny. Nankany amin’ny haides na ny fasana misy ny maty rehetra ilay mpanankarena rehefa maty. Tsy toerana ara-bakiteny misy afo midedadeda akory ilay haides, satria milaza ny Apokalypsy 20:14 fa natsipy mafy tany amin’ny “farihy afo” ny fahafatesana sy ny Fasana (haides). Manana heviny an’ohatra àry ny fahafatesan’ilay mpanankarena sy ny nandefasana azy tany amin’ny haides, toy ny fahafatesana voaresaka ao amin’ny andininy hafa. (Lk 9:60; Kl 2:13; 1Ti 5:6) Mbola velona izy tamin’izy nijalijaly tao anaty afo, saingy maty ara-panahy. Ilazana ny didim-pitsaran’Andriamanitra ny afo ao amin’ny Baiboly. (Je 5:14; 23:29) Voalaza koa fa ‘mampijaly’ an’ireo manohitra an’Andriamanitra sy ny mpanompony ny didim-pitsaran’Andriamanitra ambaran’ny mpaminaniny.—Ap 11:7, 10.
-