Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nahita ny toerana nisy azy niova ilay mpanankarena sy Lazarosy
NY FANOHARANA nataon’i Jesosy dia nampiseho lehilahy manan-karena sy olo-mahantra nantsoina hoe Lazarosy. Mampiseho ireo filoham-pivavahana izay nandray tombontsoa tamin’ny lafiny ara-panahy ilay mpanan-karena. Lazarosy kosa dia mampiseho ny sarambabem-bahoaka noana ara-panahy. Ao amin’ny tohin’ny fitantarany dia nilazalaza fiovana mahagaga tamin’ny tarehin-javatra nisy teo amin’ireo lehilahy roa ireo i Jesosy.
“Ary maty ilay malahelo, hoy Jesosy, dia nentin’ny anjely ho any an-tratran’i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena dia nalevina; ary raha nijaly tao amin’ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an’i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.”
Koa satria ilay mpanan-karena sy Lazarosy tsy persona tena nisy fa nampiseho kilasin’olona, ny fahafatesany koa izany araka ny fifandrindran-kevitra dia ara-panoharana. Inona no asehony?
Jesosy dia vao avy nampisongadina fiovan’ny tarehin-javatra, ka nolazainy fa ‘ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’i Jaona Mpanao batisa, fa hatramin’izany no efa nitoriana ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra’. Ny fitorian’i Jaona sy Jesosy àry no nitarika ny fahafatesan’ilay mpanan-karena sy Lazarosy raha ny amin’ny toerana nisy azy ireo teo aloha.
Ny olombelona manetry tena sy mibebaka izay mahaforona ny kilasin’i Lazarosy dia maty raha ny amin’ny fihafiana teo amin’ny lafiny ara-panahy nampijaly azy hatreo ary notolorana vaovao izy: ny fankasitrahan’Andriamanitra. Raha nitodika tamin’ireo filoham-pivavahana izy ireo teo aloha mba hitsimpona izay kely latsaka avy tamin’ny latabany ara-panahy, ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly nambaran’i Jesosy kosa izao dia nameno ny zavatra nilainy. Tamin’izany no nitondrana azy ireny teo akaikin’Andriamanitra, ilay Abrahama Lehibe, teo an-tratrany na toeram-pakasitrahana.
Ireo izay mahaforona ny kilasin’ilay mpanan-karena kosa dia mahazo ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra noho izy ireo mikiry mandà ny hafatr’ilay Fanjakana ampianarin’i Jesosy. Amin’ny fanaovana toy izany dia maty izy ireny raha ny amin’ny toerany teo aloha, ny toa fankasitrahan’Andriamanitra. Raha ny marina dia lazaina fa ao anatin’ny fijaliana ara-panoharana izy. Aoka hohenointsika mihitsy ilay mpanan-karena:
“Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ny ratsan-tanany amin’ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ity lelafo ity”. Inona no mampijaly ireo olona anisan’ny kilasin’ny mpanan-karena? Izany dia ireo hafatra fanamelohana mivaivay avy amin’Andriamanitra torin’ny mpianatr’i Jesosy. Irin’ireny olona ireny ny hitsaharan’izy ireo tsy hanambara hafatra tahaka izany, ka izany dia mba hanamaivanana kely ny fijaliany.
“Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalina atỳ, ary hianao kosa no fadiranovana. Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary tsy ho hafa-mita hanketỳ aminay izay eny.”
Ara-drariny tanteraka sady mety indrindra raha nitranga ny fitsimbadihana mahagaga teo amin’ny toeran’ny kilasin’i Lazarosy sy ny an’ilay mpanan-karena. Niseho izany, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny Pentekosta tamin’ny taona 33 rehefa nofoanana ny faneken’ny Lalàna ka nosoloana ny fanekena vaovao. Tamin’izay dia nanjary niharihary tanteraka fa ny mpianatra no nanana ny fankasitrahan’Andriamanitra fa tsy ny Fariseo na ireo filoham-pivavahana hafa. Ny “tevana makadiry” mampisaraka ilay mpanan-karena ara-panoharana amin’ny mpianatr’i Jesosy dia mampiseho noho izany ny fitsarana marina sy tsy miovan’Andriamanitra.
Avy eo dia nangataka an’i ‘Abrahama ray’ ilay mpanan-karena mba haniraka an’i Lazarosy ho any amin’ny ‘tranon’ny rainy fa nanana rahalahy dimy izy’. Tamin’ireo teny ireo no naneken’ilay mpanan-karena fa nanana fifandraisana akaiky kokoa tamin’ny ray anankiray hafa izy, tsy iza izany fa Satana Devoly. Niangavy izy mba hanalefaka ireo hafatra fitsaran’Andriamanitra i Lazarosy, mba tsy hahatonga ny ‘rahalahiny dimy’ na sakaizany ara-pivavahana ho lasa any ‘amin’io fijaliana io’.
“Fa hoy Abrahama taminy: Manana an’i Mosesy sy ny Mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.” Raha ta-handositra ny fijaliana tokoa ireo ‘rahalahiny dimy’ ireo, dia ampy ho azy ny mandinika izay nosoratan’i Mosesy sy ny Mpaminany izay nampahafantatra an’i Jesosy ho Mesia ka ho tonga mpianany avy eo. Hoy kosa anefa ilay mpanan-karena: “Tsia, ry Abrahama raiko, fa raha misy miala amin’ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy. Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ny maty aza.” Jehovah dia tsy hanome famantarana na fahagagana manokana mihitsy mba handresena lahatra ny olona tahaka izany. Ireo izay maniry hahazo ny fankasitrahany dia tokony hamaky ny Soratra masina ary hampihatra izay ianarany. Lioka 16:16, 22-31; Jaona 8:44.
◆ Nahoana ny fahafatesan’ilay mpanan-karena sy ny an’i Lazarosy no tsy maintsy ara-panoharana, ary inona no asehony?
◆ Fijaliana inona no mahazo ilay mpanan-karena, ary inona no angatahiny mba hanamaivanana izany?
◆ Inona no asehon’ny “tevana makadiry”?
◆ Iza no tena rain’ilay mpanan-karena, ary iza moa ireo rahalahiny dimy?