Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nanasitrana boka folo lahy izy tamin’ny diany farany tany Jerosalema
VOASAKAN’i Jesosy ny fanandraman’ny Synedriona nikendry hamono azy: nandao an’i Jerosalema izy ka nankany Efraima, tanàna tany amin’ny 25 kilaometatra monja any avaratra atsinanana angamba. Nitoetra tao niaraka tamin’ny mpianany izy, lavitra an’ireo fahavalony.
Nanakaiky anefa ny Paska tamin’ny taona 33, ka tsy ela dia niainga indray i Jesosy. Nandalo tany Samaria izy ka niakatra hatrany Galilia. Izany no fitsidihana farany nataony tany amin’io faritra io alohan’ny hahafatesany. Tao Galilia, dia angamba niaraka tamin’ny olon-kafa izay nankany Jerosalema mba hankalaza ny Paska i Jesosy sy ny mpianany. Nandeha tamin’ny lalana namakivaky an’i Pere, faritra tany atsinanan’ny Jordana, izy ireo.
Teo am-piandohan’ny diany, raha niditra tao amin’ny vohitra iray tany Samaria na tany Galilia i Jesosy, dia nisy boka folo lahy avy nanatona azy. Io aretina mahatsiravina io dia mikiky tsikelikely ny faritra samihafa amin’ny tena — ny rantsan-tanana aman-tongotra, ny sofina, sy ny orona ary ny molotra. Mba tsy hisian’ny fifindran’aretina, ny Lalàn’Andriamanitra dia nanambara toy izao momba ny boka: “Dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e! Amin’ny andro rehetra izay haharariany amin’izany aretina izany dia haloto izy (...), dia hitoetra mitokana.”
Nanaraka ny fameperana nandidian’ny Lalàna ho an’ny boka tamin’ny fijanonana lavidavitra an’i Jesosy ireo lehilahy folo ireo. Niantso mafy azy anefa izy ireo hoe: “Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.”
Raha nahita azy ireo teny lavitra Jesosy dia nandidy azy hoe: “Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona.” Nilaza izany taminy Jesosy satria ny Lalàn’Andriamanitra nanome lalana ny mpisorona hanambara ho madio ny boka sitrana, ka nanome azy tamin’izany ny zo hiaina indray miaraka amin’ny olona salama.
Ireo boka folo lahy ireo dia natoky ny fahefana mahagaga nananan’i Jesosy. Na dia tsy mbola sitrana akory aza izy ireo, dia nandeha faingana nanatona ny mpisorona. Teny am-pandehanana dia novalian-tsoa ny finoany an’i Jesosy: nanomboka hitany sy tsapany ny vokatry ny fanasitranana azy!
Sivy tamin’ireo boka voadio ireo no nanohy ny lalany, fa ny fahafolo kosa, Samaritana, dia niverina sady nitady an’i Jesosy. Inona no nanosika azy hanao toy izany? Ny fankasitrahany lalina izay vao avy niseho taminy. Nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo mafy izy, ary, rehefa nahita an’i Jesosy izy dia niankohoka tamin’ny tongony mba hisaotra azy.
Hoy Jesosy raha namaly azy: “Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?” Avy eo dia hoy izy tamin’ilay Samaritana: “Mitsangàna, mandehana, ny finoanao no efa nahavonjy anao.”
Amin’ny famakiana ny fitantarana ny amin’ny nanadiovan’i Jesosy ireo boka folo lahy, dia tokony handray am-po ny fianarana azo tsoahina avy amin’ny fanontaniany isika: “Fa aiza ny sivy?” Ny tsy fisian’ny fankasitrahana avy amin’ireo boka sivy lahy dia fahadisoana lehibe. Tahaka ilay Samaritana, moa ve isika hampiseho fankasitrahana noho ireo zavatra omen’Andriamanitra antsika, anisan’izany ny fampanantenana tsy misy isalasalana ny amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’izao tontolo izao vaovao sy marina tapahin’Andriamanitra? Jaona 11:54, 55; Lioka 17:11-19; Levitikosy 13:16, 17, 45, 46; Apokalypsy 21:3, 4.
◆ Ahoana no nisakanan’i Jesosy ny fanandramana nikendry hamono azy?
◆ Taiza Jesosy no nandeha avy eo, ary ho aiza no halehany?
◆ Nahoana ny boka no nijanona teny lavidavitra teny, ary nahoana i Jesosy no nilaza taminy mba handeha hiseho amin’ny mpisorona?
◆ Fianarana inona no tsoahintsika avy amin’io tantara io?
[Sary, pejy 9]