Mambole Toe-tsaina Mahay Mankasitraka
NY DOKOTERA iray tany amin’ny Fanjakan’i New York dia namonjy ny ain’i Marie tao anatin’ny loza. I Marie, 50 taona, anefa dia tsy mba nisaotra, na nandoa ny volan’ilay dokotera akory. Tsy fahaiza-mankasitraka re izany!
Ny Baiboly dia mitantara fa indray mandeha, rehefa niditra tao amin’ny vohitra iray i Jesosy, dia nifanena tamin’ny lehilahy folo izay voan’ny aretina mahatsiravin’ny habokana. Niantso mafy azy izy ireo, nanao hoe: “Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.” Nandidy toy izao i Jesosy: “Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona.” Nanaiky ny toromariny ireo boka, ary teny an-dalana, dia nanomboka nahita sy nahatsapa izy ireo fa sitrana.
Nanohy ny diany ny sivy tamin’ireo boka sitrana. Ilay boka fahafolo, izay samaritana, kosa anefa, dia niverina mba hitady an’i Jesosy. Nidera an’Andriamanitra io boka taloha io, ary rehefa nahita an’i Jesosy izy, dia niankohoka teo an-tongony, ka nisaotra azy. Namaly i Jesosy ka nanao hoe: “Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?” — Lioka 17:11-19.
Lesona lehibe no tiana holazaina tamin’ilay fanontaniana hoe: “Fa aiza ny sivy?” Sahala amin’i Marie, ireo boka sivy lahy dia nanana kileman-toetra lehibe — tsy nampiseho fankasitrahana izy ireo. Ny tsy fahaiza-mankasitraka toy izany dia tena manjaka amin’izao andro izao. Inona no anton’izany?
Antony fototry ny tsy fahaiza-mankasitraka
Amin’ny heviny fototra, ny tsy fahaiza-mankasitraka dia avy amin’ny fitiavan-tena. Diniho ireo ray aman-drenintsika voalohany, i Adama sy i Eva. Namorona azy ireo hanana ny toetrany i Jehovah, ary nanome ny zavatra rehetra mba hahasambatra azy ireo, anisan’izany ny zaridaina kanto ho fonenany sy faritra lavorary ary asa misy heviny sy mahafa-po. (Genesisy 1:26-29; 2:16, 17). Kanefa, teo ambanin’ny faneren’i Satana izay nanaitra ny fitadiavany tombontsoa ho an’ny tena, dia nanjary tsy nankatò izy mivady ary nanamavo ny hatsaram-pon’i Jehovah. — Genesisy 3:1-5; Apokalypsy 12:9.
Diniho koa ny vahoakan’ny Isiraely fahiny, izay nofidin’Andriamanitra mba ho fananany manokana. Tena tsy maintsy ho velom-pankasitrahana erỳ ireo ray aman-dreny isiraelita tamin’ny alin’ny 14 Nisana 1513 al.f.i.! Tamin’io alina nanan-tantara io, ny anjelin’Andriamanitra dia namono ny “matoa rehetra amin’ny tany Egypta”, fa nandingana kosa ny tranon’ireo Isiraelita voaisy marika araka ny tokony ho izy. (Eksodosy 12:12, 21-24, 30). Ary rehefa nafahana tamin’ny tafik’i Farao teo amin’ny Ranomasina Mena izy ireo, tamin’ny fo feno fankasitrahana, ‘dia nihira ho an’i Jehovah i Mosesy sy ny Zanak’Isiraely’. — Eksodosy 14:19-28; 15:1-21.
Na dia izany aza, herinandro vitsivitsy monja taorian’ny nialany tany Egypta, dia ‘nimonomonona ny Zanak’Isiraely rehetra’. Tena vetivety mihitsy izy ireo dia azon’ny tsy fahaiza-mankasitraka! Nalahelo ‘ny fipetrahana teo anilan’ny fahandroan-kena sy ny fihinanan-kanina ho voky’ izay hitany tany Egypta, tany naha-andevo azy, izy ireo. (Eksodosy 16:1-3). Mazava fa ny fitiavan-tena dia manakana ny fambolena sy ny fanehoana fankasitrahana.
Amin’ny maha-taranak’i Adama mpanota azy, ny olombelona rehetra dia teraka nanana soritry ny fitiavan-tena sy ny fironana ho amin’ny tsy fahaiza-mankasitraka. (Romana 5:12). Ny tsy fahaiza-misaotra koa dia tapany amin’ny toe-tsaina tia tena izay manapaka ny olon’itỳ tontolo itỳ. Sahala amin’ny rivotra izay fohintsika, io toe-tsaina io dia hita hatraiza hatraiza, ary misy fiantraikany eo amintsika. (Efesiana 2:1, 2). Mila ny mamboly fihetsika mahay mankasitraka arỳ isika. Ahoana no mety hanaovantsika izany?
Ny fisaintsainana: Zavatra tsy maintsy atao!
Ny Webster’s Third New International Dictionary dia mamaritra ny fankasitrahana ho “toetran’izay mankasitraka: fihetseham-po misy hafanana sy fisakaizana amin’ny mpanasoa ka manosika hamaly sitraka”. Tsy azo arehitra sy vonoina toy ny milina ny fihetseham-po; tsy maintsy mipoitra ho azy avy ao anatin’ny olona iray izy io. Ny fankasitrahana dia mihoatra noho ny fanehoana fahalalam-pomba fotsiny; avy amin’ny fo izy io.
Ahoana no ahafahantsika mianatra ny hahatsapa fankasitrahana ao am-po? Ny Baiboly dia milaza fa izay tsapantsika dia miankina be dia be amin’ny zavatra fidintsika hoeritreretina. (Efesiana 4:22-24). Ny fianarana hahatsapa fankasitrahana dia manomboka amin’ny fisaintsainana amim-pankasitrahana ny hatsaram-panahy aseho amintsika. Mifanaraka amin’izany, ny Dr. Wayne W. Dyer, ao amin’ny sehatry ny fahasalamana ara-tsaina, dia milaza toy izao: “Tsy afaka manana fihetseham-po iray ianao raha tsy mieritreritra azy io aloha.”
Raiso, ohatra, ny raharaha momba ny fankasitrahana noho ireo zavatra noforonina manodidina antsika. Rehefa mijery ny lanitra feno kintana amin’ny alina tsy misy rahona ianao, inona no tsapanao momba izay hitanao? Naneho toy izao ilay fahatahorana niharo fanajana tsapany, i Davida Mpanjaka: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?” Ary tao amin’ny fahanginan’ny alina, dia toy ny niteny tamin’i Davida ireo kintana, ka nanosika azy hanoratra toy izao: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.” Nahoana no nanohina an’i Davida lalina aoka izany ny lanitra feno kintana? Ny tenany mihitsy no mamaly toy izao: “Misaina ny asanao rehetra [aho]; ny asan’ny tànanao no eritreretiko.” — Salamo 8:3, 4; 19:1; 143:5.
I Solomona, zanakalahin’i Davida, koa dia nankasitraka ny hasarobidin’ny fieritreretana momba ireo zava-mahatalanjona noforonina. Ohatra, momba ny anjara asan’ireo rahon’orana mba hamelombelomana ny tanintsika, dia nanoratra toy izao izy: “Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.” (Mpitoriteny 1:7). Ny mitranga àry dia hoe, rehefa avy namelombelona ny tany ny orana sy ny renirano, ny ranon’izy ireo dia averina ampiasaina indray any amin’ireo oseana mankamin’ireo rahona. Ho nanao ahoana re itỳ tany itỳ raha tsy nisy an’io fanadiovana sy fampiasana indray ny rano io e? Tena tsy maintsy ho nahatsapa fankasitrahana erỳ i Solomona rehefa nieritreritra momba an’ireo!
Ny olona iray velom-pankasitrahana koa dia mihevitra ho sarobidy ny fifandraisany amin’ny mpianakaviny sy ny namany ary ny olom-pantany. Manaitra ny sainy ny asa maneho hatsaram-panahy ataon’izy ireo. Rehefa mihevitra amim-pankasitrahana ny hatsaram-panahin’izy ireo izy, dia mahatsapa fankasitrahana ao am-po.
Fanehoana fankasitrahana
Teny tsotra dia tsotra ny hoe “misaotra”! Tena mora be ny manonona ny teny toa an’io. Ary betsaka ny fahafahana hanao izany. Mamelombelona erỳ ny misaotra amin-kafanana sy amim-pahatsorana ny olona iray izay mihazona ny varavarana hivoha ho antsika, na maka ny zavatra izay nazerantsika! Ny fandrenesana io teny io dia mahatonga ny asan’ny mpivarotra na ny mpandroso sakafo any amin’ny hotely na ny faktera, ho mora kokoa sy hahafa-po kokoa.
Manavanana ny fandefasana carte fisaorana mba hanehoana fankasitrahana noho ny asa maneho hatsaram-panahy. Maro amin’ireny cartes any amin’ny mpivarotra ireny no milaza fihetseham-po amin’ny fomba kanto. Moa ve anefa tsy ho fanehoana fitiavana manokana ny hanampiana teny fankasitrahana amin’ny sora-tananao? Aleon’ny sasany aza tsy mampiasa mihitsy ireny cartes ireny, fa mandefa taratasy kely manokana kosa. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 25:11.
Azo inoana fa ireo mendrika ny fankasitrahantsika indrindra, dia ny olona akaiky antsika indrindra ao an-trano. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny vehivavy mahay, toy izao: “Ny lahy koa mitsangana ka midera azy”. (Ohabolana 31:28). Moa ve ny fanehoan’ny lehilahy iray fisaorana amim-pahatsorana ny vadiny tsy miteraka rivo-piainam-piadanana sy fahafaham-po ao an-trano? Ary moa ve tsy faly koa ny lehilahy rehefa mody ka tsenain’ny fiarahabana mafana sy feno fankasitrahana avy amin’ny vadiny? Amin’izao andro izao, dia iharan’ny fanerena maro ny fanambadiana, ary rehefa mitombo ny fanerena, dia mirehitra mora foana ny fahatezerana. Ilay mahay mankasitraka dia vonona ny hanaiky fa mety ho diso ny hafa, ary mailaka ny hanadino sy hamela heloka.
Ireo tanora koa dia mila mahatsiaro ny hanolotra fanehoam-pankasitrahana amim-pahatsorana an’ireo ray aman-dreniny. Mazava ho azy fa tsy lavorary ireo ray aman-dreny, nefa izany akory tsy antony tokony tsy hankasitrahana izay nataony taminao. Ny fitiavana sy ny fiheverana nomen’izy ireo hatramin’ny nahaterahanao, dia tsy voavidim-bola. Raha nampianatra anao ny fahalalana an’Andriamanitra izy ireo, dia vao mainka ianao manana antony tokony hahavelom-pankasitrahana.
“Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro”, hoy ny Salamo 127:3. Noho izany, ireo ray aman-dreny dia tokony hitady fahafahana hidera ireo zanany, fa tsy hibedibedy lava tsy amin’ny antony. (Efesiana 6:4). Ary endrey ny tombontsoan’izy ireo manampy ireo tanora eo ambany fiahiany, hamboly toe-tsaina mahay mankasitraka! — Ampitahao amin’ny Ohabolana 29:21.
Velom-pankasitrahana an’Andriamanitra
I Jehovah Andriamanitra no ilay Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. (Jakoba 1:17). Ny tena lehibe indrindra dia ny fiainana, satria ny zavatra rehetra ananantsika, na izay mety hokasaintsika, dia hanjary tsy hisy vidiny, raha mamoy ny fiainana isika. Ny Soratra Masina dia mampirisika antsika hitadidy fa “ao aminao [Jehovah Andriamanitra] no misy loharanon’aina”. (Salamo 36:5, 7, 9; Asan’ny Apostoly 17:28). Mba hambolena fo velom-pankasitrahana an’Andriamanitra, dia ilaintsika ny misaintsaina ireo fandaharana nataony tamim-pahalalahan-tanana, mba hanohanana ny fiainantsika ara-batana sy ara-panahy. (Salamo 1:1-3; 77:11, 12). Ny fo toy izany dia hanosika antsika haneho fankasitrahana amin’ny teny sy ny atao.
Ny vavaka dia fomba iray miharihary hanehoana ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra. Nanambara toy izao i Davida mpanao salamo: “Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô — tsy misy azo ampitahaina aminao — raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.” (Salamo 40:5). Enga anie isika ho voatosika hihevitra toy izany koa.
Tapa-kevitra koa i Davida ny hampiseho amin’Andriamanitra ny fankasitrahany, tamin’ny alalan’ireo teny nataony tamin’ny hafa. Hoy izy: “Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.” (Salamo 9:1). Ny firesahana amin’ny hafa momba an’Andriamanitra, ny filazantsika ny hevitsika amin’ny fizarana amin’izy ireny ny fahamarinana avy ao amin’ny Teniny, no tsy isalasalana fa ny fomba tsara indrindra hampisehoantsika ny fankasitrahantsika. Ary izany dia hanampy antsika ho velom-pankasitrahana kokoa eo amin’ny lafin-javatra hafa eo amin’ny fiainana.
“Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny làlany no hanehoako ny [famonjena]”, hoy i Jehovah. Enga anie ianao hahita ilay fifaliana entin’ny fanehoanao ny fankasitrahanao amim-pahatsorana azy. — Salamo 50:23; 100:2.
[Sary, pejy 7]
Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fiainana. Aza hadinoina ny manampy teny avy aminao manokana