Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Rehefa hiseho ny Zanak’olona...
MBOLA tany avaratr’ilay tany (na tany Samaria, na tany Galilia) i Jesosy rehefa nisy Fariseo nanontany azy ny amin’ny fahatongavan’ilay Fanjakana. Nihevitra izy ireo fa amin’ny fomba makotroka no hahatongavany; nefa hoy i Jesosy: “Tsy misehoseho no fihavin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ! fa, indro, ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo [eo afovoanareo, MN ].”
Ny fitenenana nampiasain’i Jesosy hoe “eo afovoanareo” indraindray dia nadika hoe “ao anatinareo”. Notsoahin’ny sasany avy amin’izany fa, araka ny filazan’i Jesosy, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao am-pon’ireo mpanompon’Andriamanitra. Miharihary anefa fa tsy tao am-pon’ireo Fariseo tsy nino izay niresahan’i Jesosy ny Fanjakan’Andriamanitra. Teo afovoan’izy ireo kosa izy tamin’ny heviny hoe ilay notendrena ho Mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe Jesosy Kristy, dia teo amin’izy ireo indrindra.
Azo inoana fa taorian’ny nandehanan’ny Fariseo no nanohizan’i Jesosy ny resaka nifanaovany tamin’ny mpianany momba ny fahatongavan’ilay Fanjakana. Noeritreretiny indrindra ny hahatongavany ao amin’ny herin’ny Fanjakana, rehefa nanome izao fampitandremana izao izy: “Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ! na: Indro etỳ! nefa aza mandeha hianareo, na manaraka azy [ireny Mesia sandoka ireny]. Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin’ny faravodilanitra ka mahazava hatramin’ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak’olona amin’ny androny.” Nasehon’i Jesosy tamin’ireo teny ireo fa toy ny tselatra hita eny amin’ny faritra midadasika, dia toy izany koa fa ireo famantarana ny fanatrehany ao amin’ny herin’ny Fanjakana dia mety ho hita mazava amin’izay rehetra haniry handinika azy.
Rehefa avy eo, dia nanao fampitahana tamin’ireo fisehoan-javatra tamin’ny lasa i Jesosy mba hampisehoana ny ho fomba handraisan’ny olona ny fanatrehany ho avy. Hoy ny fanazavany: “Ary tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona (...). Ary tahaka ny tamin’ny andron’i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nividy izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy; fa tamin’ny andro izay nivoahan’i Lota avy tao Sodoma dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.”
Tsy te-hilaza akory i Jesosy fa ringana ireo niara-belona tamin’i Noa sy Lota satria fotsiny izy ireo nanao zavatra ara-dalàna toy ny fihinanana, ny fisotroana, ny fividianana, ny fivarotana, ny fambolena sy ny fanorenana. Na dia Noa sy Lota mbamin’ireo fianakaviany aza dia nanao izany zavatra izany. Ny tsy fitoviana dia ny hoe nanao ireo zavatra fanao isan’andro ireo tsy nisy fiheverana mihitsy ny sitrapon’Andriamanitra ny hafa, ka noho izany antony izany no nandringanana azy ireo. Noho izany antony izany koa no handringanana olona sasany rehefa hiseho Kristy mandritra ny fahoriana lehibe izay hamely ny fandehan-javatra ankehitriny.
Nanantitrantitra ny amin’ny maha-zava-dehibe ny hanaovan-javatra raha vao hita ny famantarana ny fanatrehany ho avy ao amin’ny herin’ny Fanjakana i Jesosy ka hoy ny teny nanampiny: “Amin’izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin’izay efa nilaozany izy. Tsarovy ny vadin’i Lota.”
Rehefa hiseho ireo famantarana ny fanatrehan’i Kristy, dia tsy mety ny mitaredretra amin’ny fanaovan-javatra noho ny fifikirana amin’ny fananan’ny tena ara-nofo. Miharihary fa rehefa nandao an’i Sodoma ny vadin’i Lota dia nanopy maso noho ny alahelo tamin’ny zavatra nilaozany, ka tonga vongan-tsira izy.
Nanohy ny filazalazany ny amin’ny ho tarehin-javatra mandritra ny fanatrehany i Jesosy ka hoy izy tamin’ireo mpianany: “Amin’izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.”
Ny hoe horaisina dia mifanitsy amin’ny fidiran’i Noa sy ny ankohonany tao amin’ny sambo fiara, na ny fivoahan’i Lota sy ny fianakaviany avy ao Sodoma, notarihin’ny anjely. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia famonjena izany. Mifanohitra amin’izany, ny hoe havela dia milaza fandringanana.
Tamin’izay fotoana izay, dia nanontany ny mpianatra hoe: “Aiza, Tompoko?”
Ary dia namaly i Jesosy hoe: “Izay itoeran’ny faty [tena, MN ], dia any koa no hiangonan’ny voromahery.” Izay “horaisina” ho amin’ny famonjena dia tahaka ny voromahery manana maso matsilo satria miangona ao amin’izay misy “ny tena”. Ny tena dia mifanitsy amin’ilay tena Kristy amin’ny fanatrehany tsy hita maso ao amin’ny herin’ny Fanjakana sy amin’ny fanasana ara-panahy atolotr’i Jehovah. Lioka 17:20-37; Genesisy 19:26.
◆ Tamin’ny heviny ahoana moa ilay Fanjakana no teo afovoan’ireo Fariseo?
◆ Tamin’ny ahoana moa ny fanatrehan’i Kristy no tahaka ny tselatra?
◆ Nahoana moa no hisy olona haringana mandritra ny fanatrehan’i Kristy?
◆ Inona moa no dikan’ny hoe horaisina sy ny hoe havela?