Ny Israelita sy ny Fiainany Andavanandro Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
FANAZAVANA MAHALIANA
Ny Israelita sy ny Fiainany Andavanandro
NANAO ahoana ny fiainan’ny Israelita fahiny? Hoatran’ny ahoana ny tranon’olon-tsotra? Inona no asan’ny olona? Inona avy no fomba amam-panaony? Hanampy anao hahazo sary an-tsaina an’ireo fitantaran’ny Baiboly na hahazo ny hevitry ny andininy sasany ny fahalalana izany.
Nisy tampon-trano toy ny an’ity trano any Jerosalema ity ny ankamaroan’ireo trano. Azo atao ny nandehandeha teny, naka rivotra teny rehefa takariva, na natory teny mihitsy aza (Lk 17:31 )
Jiro fahiny vita tamin’ny tanimanga, ary nasiana menaka tao anatiny (Mt 25:1-4 )
Fahita tao an-tokantranon’ny Israelita ny lafaoro toy ity (Le 26:26 )
Matetika no nitondra entana teny an-tsorony ny vehivavy sy lehilahy hebreo (Ge 24:15; No 7:9 )
Kojakojan-dakozia vita tamin’ny tanimanga, fa nisy koa vita tamin’ny vato (1Mp 17:12 )
Taloha dia notapahina tamin’ny tanana ny varimbazaha rehefa nojinjaina (ambony). Teny am-pamoloana dia nasaina nohitsakitsahin’ny omby na nampiasana fitaovana fanosihosena ilay varimbazaha mba hisaraka amin’ny ampombo, ary nokororohina, izany hoe natsipy ambony ny voa mba ho lasan’ny rivotra ny ampombo

Angamba vato fikosohana voan’oliva mba hahazoana menaka (No 18:27 )
Vato fikosoham-bary ahodin-tanana mba hahazoana lafarinina (Mt 24:41 )
Betsaka ny mpiandry ondry fahiny (Lk 15:4 )
Natao mpitondra entana ny ampondra matetika (1Ta 12:40 )
Efa fampiasa hatramin’izay any Israely ny lavadrano (Ge 29:10 )
Vehivavy miloloha sobika hoatran’ny fahita tsindraindray any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane