Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny ilàna hivavaka sy hanetry tena
TEO aloha, raha mbola tany Jodia i Jesosy dia nanao fanoharana mikasika ny maha-zava-dehibe ny haharetana amin’ny vavaka. Raha nankany Jerosalema farany izy izao, dia nanoritra indray ny ilàna hivavaka tsy an-kijanona. Toa mbola tany Samaria na tany Galilia izy rehefa nilaza ity fanoharana hafa ity tamin’ireo mpianany:
“Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an’Andriamanitra, na mena-maso olona. Ary nisy mpitondratena tao amin’izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin’ilay manana ady amiko. Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona, mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.”
Nanatsoaka ny fianarana avy amin’ny tantara nataony izao i Jesosy: “Henoy izay lazain’ilay mpitsara tsy marina. Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman-alina, ary moa hitaredretra va izy?”
Tsy te-hilaza akory i Jesosy tamin’ireo teny ireo fa misy itovian’Andriamanitra na dia kely aza amin’io mpitsara tsy marina io. Te-hilaza kosa izy fa raha ny mpitsara tsy marina aza manaiky ny hataka atao amim-paharetana, mainka fa Andriamanitra, izay sady marina no tsara fanahy, ka azo antoka fa hamaly ny mpanompony raha maharitra amin’ny fivavahana izy. Izany no antony nanampiany hoe: “Lazaiko aminareo fa homeny [Andriamanitra] rariny faingana izy.”
Mazàna dia tsy omena rariny ny mahantra sy ny madinika, fa ny mpanankarena sy ny olona ambony kosa anefa dia matetika no entina amim-piangarana. Raha ny amin’Andriamanitra kosa, dia tsy hoe miahy fotsiny ny handraisan’ny ratsy fanahy sazy mendrika azy, fa hanao izay hitondrana amim-pahamarinana ny mpanompony koa amin’ny fanomezana azy ny fiainana mandrakizay. Firy anefa no tena mino mafy fa homen’Andriamanitra rariny faingana?
Raha niresaka manokana ny amin’ny finoana ny herin’ny vavaka i Jesosy, dia nampipoitra izao fanontaniana izao: “Kanefa raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?” Na dia tsy nomena valiny aza ilay fanontaniana, izany dia mahatonga hieritreritra fa ho vitsy ny olona hanana finoana toy izany rehefa ho tonga ao amin’ny herin’ny Fanjakana i Jesosy. Tsy tokony hotsoahina avy amin’izany anefa fa tsy hisy mihitsy olona haneho izany. Ary ianao, moa ve ianao maneho izany?
Teo amin’ireo mpihaino an’i Jesosy, ny sasany, anisan’izany angamba ny mpianatr’i Jesosy, dia nirehareha fatratra ny amin’ny finoany. Nino mafy ny fahamarinany sady nanamavo ny hafa izy ireo, ka nahatonga an’i Jesosy hanonona an’ity fanoharana ity:
“Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ny tempoly hivavaka: ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra. Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza. Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’izay azoko rehetra aho.”
Fantatra tamin’ny fampisehoany feno rehaka ny fahamarinana natao hanaitra ny hafa ny Fariseo. Manana fahazarana manery tena hifady hanina izy ireo ny talata sy ny alakamisy. Ankoatra izany dia mandoa amim-pitandremana fatratra ny fahafolon’ny ahitra madinika any an-tsaha izy ireo. Volana vitsivitsy talohan’izay, tamin’ny andro firavoravoana amin’ny Tabernakely, dia niseho ny fanamavoan’izy ireo ny vahoaka tamin’ny fitenenany hoe: “Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna [izany hoe ny fomba fanazavan’ny Fariseo izany].”
Nanohy ny fanoharany i Jesosy tamin’ny firesahana ny amin’ny iray tamin’ireny “voaozona” ireny nanao hoe: “Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.” Koa satria io mpamory hetra io niaiky tamim-panetren-tena ny fahadisoany, dia hoy Jesosy nikasika azy: “Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.”
Araka izany, dia nosoritan’i Jesosy indray ny ilàna hanetry tena. Tsy mahagaga raha voakasika tamin’io resaka io na dia ny mpianatr’i Jesosy aza raha jerena ny manodidina nahabe azy: ny Fariseo izay marina teo imason’ny tenany dia tena nanan-kery; ny fitambaran’olona tamin’izany fotoana izany kosa dia nanantitrantitra mandrakariva ny amin’ny toerana sy ny laharana. Endrey izany hatsaran’ny fianarana momba ny fanetren-tena nomen’i Jesosy eto! Lioka 18:1-14; Jaona 7:49.
◆ Nahoana moa ilay mpitsara tsy marina no nanaiky ny fangatahan’ilay mpitondratena, ary inona no fianarana azo tsoahina avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy?
◆ Rehefa ho tonga izy, karazana finoana manao ahoana moa no hotadiavin’i Jesosy?
◆ Ho an’iza moa no nanononan’i Jesosy ny fanoharana momba ilay Fariseo sy ilay mpamory hetra?
◆ Fihetsika manao ahoana nananan’ny Fariseo moa no tokony hohalavirina?