Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Jesosy sy ilay filoha tanora nanan-karena
RAHA mbola nanohy ny diany tao amin’ny distrikan’ny Pere hankany Jerosalema i Jesosy, dia nihazakazaka ny zatovolahy iray ka nandohalika teo anatrehany. Nantsoina hoe mpanapaka io lehilahy io, azo inoana fa nidika izany hoe nanana toerana ambony tao amin’ny synagoga teo an-toerana izy na mpikambana tao amin’ny Synedriona mihitsy aza. Nanan-karena be koa izy. “Mpampianatra tsara ô, hoy izy, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”
“Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Hoy ny valintenin’i Jesosy. Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.” Azo inoana fa nampiasa ny fitenenana hoe “tsara” ho toy ny anaram-boninahitra ilay zatovo, ka izany no nahatonga an’i Jesosy hanao fanamarihana taminy fa Andriamanitra ihany no tokony homena anaram-boninahitra tahaka izany.
“Fa raha te-hiditra any amin’ny fiainana hianao, hoy Jesosy, tandremo [habrany, MN ] ny didy.”
“Inona avy moa?” hoy ralehilahy.
Namaly i Jesosy tamin’ny fanononana dimy tamin’ireo Didy Folo: “Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao.” Ary nanampy didy iray mbola lehibe kokoa izy, nanao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”
“Izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely, hoy ny valintenin-dralehilahy tamim-pahatsorana tokoa, fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”
Raha nandre izany fanontaniana feno fahatsorana izany i Jesosy dia nahatsapa fitiavana an’ilay zatovolahy. Hitany anefa fa nifikitra tamin’ireo fananana ara-nofo izy, ka hoy izy taminy: “Mbola diso zavatra iray loha hianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia, ka manaraha Ahy.”
Tamin’izay i Jesosy, izay tsy isalasalana fa nangoraka ilay lehilahy, dia nahita azy nitsangana ka lasa nandeha, nalahelo loatra. Nanakana azy tsy hahita ny hasarobidin’ny tena harena ireo fananany be. “Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!” hoy Jesosy onena.
Talanjona noho ireo teny ireo ny mpianatr’i Jesosy. Mbola gaga kokoa anefa izy ireo rehefa nanohy ny teniny tamin’ny fanononana izao fotopoto-pitsipika amin’ny ankapobeny izao izy: “Ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”
“Iza indray no azo hovonjena?” hoy ny fanontanian’ny mpianatra.
Nijery azy ireo tsara i Jesosy ka namaly hoe: “Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra.”
Nanao fanamarihana i Petera fa izy sy ny mpianatra hafa dia nanao safidy hafa dia hafa noho ny an’ilay filoha tanora nanan-karena, ka hoy izy hoe: “Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.” Nanontany àry izy hoe: “Koa inona ary no ho azonay?”
“Rehefa mby amin’ny fanavaozana, hoy ny fampanantenan’i Jesosy, ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny voninahitra ny Zanak’olona, hianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.” Nasehon’i Jesosy fa hisy fanavaozana ireo toe-piainana etỳ an-tany ka ho tonga tahaka izay nisy tao amin’ny zaridainan’i Edena izany. Amin’izay, Petera sy ireo mpianatra hafa dia hahazo ny valisoany: hiara-manjaka amin’i Kristy eo amin’io Paradisa izay handrakotra ny tany manontolo io izy ireo. Ny valisoa kanto loatra toy izany, dia mendrika ny hanaovana izay rehetra mety ho sorona tokoa.
Dieny izao dia mandray valisoa anefa ny mpianatra, araka ny nilazan’i Jesosy azy tamin’izao teny izao: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana — ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.”
Araka ny ampanantenain’i Jesosy, na aiza na aiza alehan’ireo mpianany manerana izao tontolo izao, dia manana fifandraisana akaiky kokoa sy sarobidy kokoa amin’ireo namany kristiana, mihoatra noho izay mety hananana amin’ny fianakavian’ny tenany mihitsy aza izy ireo. Toa tsy nahay nanararaotra ny fahafahana hahazo izany valisoa izany, na hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ilay filoha jiosy tanora.
Hoy ny nanampin’i Jesosy avy eo: “Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.” Inona moa no tiany holazaina tamin’izany?
Tiany holazaina fa maro tamin’ireo izay “voalohany” nahazo soa tamin’ny tombontsoa ara-pivavahana, tahaka ilay filoha tanora nanan-karena no tsy hiditra ao amin’ilay Fanjakana. Ho “farany” izy ireny. Mifanohitra amin’izany, maro, anisan’ireny ireo mpianatr’i Jesosy nanetry tena, izay noheverin’ny Fariseo mpanamarin-tena tamim-panamavoana ho toy ny “farany” — tahaka ny olon’ny tany, na ‘am ha’arèts — no ho tonga “voalohany”. Midika izany fa hanana tombontsoa hanapaka miaraka amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana izy ireo. Marka 10:17-31; Matio 19:16-30; Lioka 18:18-30.
◆ Tsy isalasalana fa filoha nanao ahoana ilay tovolahy nanan-karena?
◆ Nahoana Jesosy no nandà ny hantsoina hoe tsara?
◆ Amin’ny ahoana ny fihetsik’ilay filoha tanora no mampiseho fa mampidi-doza ny hoe manan-karena?
◆ Valisoa inona avy no ampanantenain’i Jesosy ny mpianany?
◆ Ahoana no ahatongavan’ny voalohany ho farany, ary ny farany ho voalohany?