Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nampianatra tany Jeriko i Jesosy
TSY ela dia tonga tao Jeriko, tanàna eo amin’ny indray andro, dia an-tongotra, avy eo Jerosalema, i Jesosy sy ireo olona niara-dia taminy. Azo heverina ho mizara roa ny tanànan’i Jeriko, dia ilay tanàna jiosy tranainy, iray kilaometatra sy sasany avy eo amin’ilay tanàna vaovao romana. Ny vahoaka izay niala avy eo amin’ny tanàna tranainy nankany amin’ilay vaovao dia narahin’ny tabataba izay nanintona ny sain’ireo mpangataka jamba anankiroa. Nantsoina hoe Bartimeo ny iray tamin’izy ireo.
Rehefa fantany fa Jesosy no nandalo dia niantsoantso mafy toy izao i Bartimeo sy ilay namany: “Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’i Davida ô! Niteny mafy azy ireo ny vahoaka mba hangina; fa vao maika niantsoantso izy ka nanao hoe: “Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’i Davida ô!”
Nijanona noho ireo tabataba ireo i Jesosy ary nangataka tamin’ireo nanaraka azy mba hiantso ireo olona nikiakiaka. Nanatona azy àry ireo mpiara-dia taminy ary niteny tamin’ny anankiray tamin’ireo jamba hoe: “Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.” Azon’ny fangitangitahana mafy izy io ka nanary ny lambany ary niantsambotra nankeo amin’i Jesosy.
“Inona no tianareo hataoko aminareo?” hoy ny fanontanian’i Jesosy azy roa lahy.
“Tompoko ô! ny mba hampahiratina ny masonay”, hoy ny fiangavian’izy ireo.
Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony, ary araka ny fitantaran’i Marka, dia nilaza toy izao tamin’ny iray tamin’izy ireo i Jesosy: “Mandehana hianao, ny finoanao no efa namonjy anao.” Niaraka tamin’izay dia nahiratra ireo mpangataka jamba; tsy isalasalana mihitsy fa nanomboka nidera an’Andriamanitra izy roa lahy. Tamin’ny fahitana izay nitranga, dia nanomboka nankalaza an’Andriamanitra koa ny olona. Nanaraka an’i Jesosy tsy nisy fihambahambana i Bartimeo sy ilay namany.
Raha mbola namakivaky an’i Jeriko i Jesosy, dia nohodidinin’ny olona maro be. Naniry hahita ilay nanasitrana ireo jamba avokoa ny olona rehetra. Nanery an’i Jesosy ny olona hany ka tsy afaka nahita azy akory ny sasany. Anisan’izy ireny Zakaiosy, lehiben’ny mpamory hetra tao Jeriko sy ny manodidina azy. Kanefa, fohy loatra io lehilahy io ka tsy afaka nahita izay nitranga.
Nihazakazaka nialoha àry i Zakaiosy ary nianika aviavy teo amoron-dalana izay nolalovan’i Jesosy. Tsara toerana izy mba hahita ny zavatra rehetra. Raha mbola nanatona ny vahoaka dia niandrandra i Jesosy ary niantso hoe: “Ry Zakaiosy, midìna faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.”
Faly aoka izany i Zakaiosy ka nidina avy eo ambony hazo ary nihazakazaka ho ao an-tranony mba hanao izay nilaina ho an’io vahiny nanan-kaja io. Kanefa, teo anoloan’izany, dia nanomboka nimonomonona ny vahoaka, satria nihevitra izy ireny fa tsy zon’ny olona toa an’i Zakaiosy ny hanasa an’i Jesosy. Tokony ho fantatra fa nanan-karena tamin’ny fanararaotana ny asany tamin’ny naha-mpamory hetra i Zakaiosy mba hisolokiana vola.
Maro be ny olona nanaraka an’i Jesosy ary rehefa hitany fa niditra tao amin’i Zakaiosy izy, dia niteny tamin-kasosorana toy izao izy ireny: “Lasa nandeha hiantrano amin’izay lehilahy mpanota Izy.” Kanefa, i Jesosy dia nahavaka fironana tsara ho amin’ny fibebahana teo amin’i Zakaiosy. Ary tsy diso fanantenana izy satria nitsangana i Zakaiosy ary nanambara hoe: “Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ny malahelo; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.”
Nanaporofo i Zakaiosy fa tamim-pahatsorana no nibebahany, tamin’ny fanomezana ho an’ny malahelo ny antsasaky ny fananany sy tamin’ny fandoavana ny ambiny ho an’ireo nosolokiny. Miharihary fa afaka namantatra ny vola tokony haloany marina avy amin’ny rejistra teo am-pelatanany izy. Izany no nianianany fa hamerina avo efatra heny, nifanaraka tamin’ny lalàn’Andriamanitra nilaza hoe: ‘Raha misy olona mangalatra ondry, dia hanonitra ondry efatra ho solon’ny ondry iray izy.’
Faly tokoa i Jesosy tamin’ny fomba izay nampanantenan’i Zakaiosy fa hizarana ny fananany, satria hoy izy: “Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama koa. Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very.”
Taloha kelin’izany, dia nanao fanoharana ny amin’ny toerana misy ‘ireo very’ i Jesosy tamin’ilay tantaran’ny zanaka adala. Manana ohatra velona ny amin’ny lehilahy izay very nefa hita indray isika izao. Na dia nimonomonona aza ireo mpitondra fivavahana sy ny mpanaraka azy, ary nanda ny fiheveran’i Jesosy ny olona toa an’i Zakaiosy, dia nanohy nitady sy namerina ireny zanak’i Abrahama very ireny i Jesosy. Matio 20:29-34; Marka 10:46-52; Lioka 18:35 ka hatramin’ny 19:10; Eksodosy 21:37.
◆ Taiza moa, raha ny marina, no nahitan’i Jesosy ireo mpangataka jamba, ary inona no nataony ho azy ireo?
◆ Iza moa i Zakaiosy, ary nahoana izy no nianika hazo iray?
◆ Tamin’ny fomba ahoana no nanaporofoan’i Zakaiosy ny fibebahany?
◆ Fianarana inona no azontsika tsoahina avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy an’i Zakaiosy?