Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny fanoharana ny amin’ny farantsa
ANGAMBA i Jesosy mbola tao an-tranon’i Zakaiosy izay nijanonany tamin’ny diany nankany Jerosalema. Nino ny mpianany fa rehefa ho tonga any Jerosalema izy ireo, dia hanambara izy fa ny tenany no ilay Mesia ka hanorina ny Fanjakany. Mba hanitsiana izany fiheverana izany sady mba hampisehoana fa mbola lavitra ilay Fanjakana, dia nanao fanoharana iray i Jesosy.
“Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.” Ilay “andriandahy” dia Jesosy ary ny “tany lavitra”, dia ny lanitra. Rehefa ho tonga any an-danitra izy, dia hahazo avy amin’ny Rainy ny fahefan’ny mpanjaka.
Talohan’ny handehanany anefa dia niantso ny mpanompony folo lahy izy ka nanome azy tsirairay farantsa volafotsy, tamin’ny filazana hoe: “Mandrantoa mandra-pihaviko.” Amin’ny fahatanterahany voalohany, ireo mpanompo folo lahy dia mampiseho ireo mpianatr’i Jesosy voalohany. Amin’ny fampiharana miitatra kokoa dia mampiseho ireo rehetra manana fahatsinjovana hiara-manjaka aminy ao amin’ny Fanjakana any an-danitra izy ireo.
Ny farantsa volafotsy dia vola madinika misy vidiny, ny anankiray aminy no mitovy amin’ny karama telo volan’ny mpiasa tany iray. Inona anefa no asehon’ireo farantsa ireo? Karazana raharaha inona no tokony hataon’ny mpanompo aminy?
Ny farantsa dia mampiseho fananana izay azon’ny mpianatra voahosotry ny fanahy ampiasaina mba hanaovana mpandova ny Fanjakana any an-danitra maro kokoa, mandra-piavin’i Jesosy ho toy ny Mpanjaka ao amin’ilay Fanjakana nampanantenaina. Rehefa natsangana tamin’ny maty ka niseho tamin’ny mpianany i Jesosy, dia nanome azy ireo izany farantsa ara-panoharana izany mba hanaovany mpianatra maro kokoa ihany hanampy ny kilasin’ireo ho ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. Nanohy ny teniny i Jesosy hoe: “Fa ny vahoakany [mpiray firenena taminy, MN ] nankahala azy [ilay andriandahy], dia nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay.” Ireo mpiray firenena taminy ireo dia ny Isiraelita na ny Jiosy, afa-tsy ny mpianatr’i Jesosy. Taorian’ny nandehanan’i Jesosy nankany an-danitra, dia nenjehin’ireo Jiosy ireo ny mpianany ka nasehony tamin’izany fa tsy nanaiky azy ho mpanjakany izy ireo. Amin’izany heviny izany no nanaovany zavatra tahaka ireo “mpiray firenena” nampitondra teny.
Ahoana no nampiasan’ireo mpanompo folo lahy ny farantsa? Manazava i Jesosy: “Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin’ny fandratoana. Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo. Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ny kely indrindra hianao, dia manapaha tanàna folo. Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy. Ary hoy koa izy tamin’io: Manapaha tanàna dimy koa hianao.”
Ilay mpanompo nahazo farantsa folo dia mampiseho kilasy iray na antokona mpianatra, anisan’izany ireo apostoly, nisy hatramin’ny Pentekosta tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana ka hatramin’izao. Ireo izay nahazo farantsa dimy dia mampiseho koa antokon’olombelona izay, nandritra ny fe-potoana mitovy sy araka ny fahafahany, dia nampitombo ny fananan’ilay mpanjaka eto an-tany. Ireo antoko roa ireo dia mitory ny vaovao tsara amin-jotom-po, ka, vokatr’izany, dia olona mahitsy fo maro no tonga kristiana. Sivy tamin’ireo mpanompo no nanao raharaha nahomby ka nampitombo ny fananana nankinina taminy.
“Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin’ny mosara. Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary hianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao. Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko; koa nahoana no tsy napetrakao tamin’ny mpanàna vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany? Ary hoy izy tamin’izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo.”
Ny famoizana ny farantsa ara-panoharana dia midika famoizana ny toerana ao amin’ny Fanjakana any an-danitra ho an’ilay mpanompo ratsy fanahy. Nariany tokoa ny tombontsoa hanjaka, azo lazaina hoe eo amin’ny tanàna folo na dimy. Mariho koa fa tsy nambara hoe ratsy fanahy ilay mpanompo, noho izay asa ratsy nataony, fa noho izy tsy niasa mba hampitombo ny haren’ny fanjakan’ny tompony kosa.
Rehefa nomena ilay mpanompo voalohany ny farantsan’ilay mpanompo ratsy fanahy, dia nisy nanohitra hoe: “Tompoko, efa manana farantsa folo izy.” Hoy kosa anefa i Jesosy: “Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo dia ento atỳ?, ka vonoy eto anatrehako.” Lioka 19:11-27; Matio 28:19, 20.
◆ Inona no nanosika an’i Jesosy hanao fanoharana ny amin’ny farantsa?
◆ Iza moa ilay andriandahy, ary tany taiza no nalehany?
◆ Iza moa ireo mpiray firenena tamin’ilay andriandahy, ary ahoana no nampisehoany ny fankahalany?
◆ Iza moa ireo mpanompo, ary inona no asehon’ny farantsa?
◆ Nahoana no nantsoina hoe ratsy fanahy ny anankiray tamin’ireo mpanompo, ary inona no hevitry ny famoizana ny farantsany?