-
Jerosalema sy ny Tempoly Tamin’ny Andron’i Jesosy‘Jereo Ilay Tany Soa’
-
-
Matetika i Jesosy no nitsidika ireo namany, dia i Lazarosy sy Maria ary Marta, tany Betania, izay “telo kilaometatra eo ho eo” tany atsinanan’i Jerosalema. (Jn 11:1, 18; Lk 10:38-42; 19:29; Jereo “Faritr’i Jerosalema”, pejy 18) Nizotra nankany Jerosalema i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, ary nandalo ny Tendrombohitra Oliva. Alao sary an-tsaina izy nijanona sy nitodika niankandrefana tany amin’ilay tanàna sady nitomany azy io. (Lk 19:37-44) Mety ho toy ilay hitanao eo amin’ny farany ambony ao amin’ny pejy manaraka, angamba, ny zavatra hitany tamin’izany. Niditra tao Jerosalema nitaingina zana-boriky izy avy eo, ary nety ho niditra tamin’ny vavahady iray tany atsinanana. Vahoaka maro no nitsena azy, sady niantsoantso hoe izy no Ilay Mpanjaka ho tonga amin’ny Israely.—Mt 21:9-12.
-
-
Jerosalema sy ny Tempoly Tamin’ny Andron’i Jesosy‘Jereo Ilay Tany Soa’
-
-
[Sary, pejy 31]
Tazana avy any andrefana, avy teny amin’ny Tendrombohitra Oliva, tamin’ny andron’i Jesosy
-