Eo An-tanan’i Jehovah ny Andro sy ny Fotoana
“Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany.” — ASAN’NY APOSTOLY 1:7.
1. Ahoana no namalian’i Jesosy ny fanontanian’ireo apostoliny momba ny fotoana?
RAHOVIANA no hifarana itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ ka hosoloana amin’ilay tontolon’Andriamanitra vaovao sy marina? Tsy ara-dalàna tanteraka ve raha manontany izany ireo “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao” eo amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina sy maneran-tany? (Ezekiela 9:4; 2 Petera 3:13). Nametraka fanontaniana momba ny fotoana ireo apostolin’i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany sy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. (Matio 24:3; Asan’ny Apostoly 1:6). Ho valin’izany anefa, dia tsy nanome azy ireo fomba famaritana daty amin’ny alalan’ny kajy, i Jesosy. Nomeny famantarana misy lafiny maro izy ireo indray mandeha, ary indray maka koa, dia nilazany fa ‘tsy azy ireo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany’. — Asan’ny Apostoly 1:7.
2. Nahoana no azo lazaina fa tsy hoe fantatr’i Jesosy foana akory ny fandaharam-potoanan-dRainy momba ireo fisehoan-javatra tsy maintsy hitranga amin’ny fotoan’ny farany?
2 Na dia Zanak’i Jehovah lahitokana aza i Jesosy, dia tsy hoe nahafantatra foana ny fandaharam-potoanan-dRainy momba ireo fisehoan-javatra. Niaiky tamim-panetren-tena toy izao i Jesosy, tao amin’ilay faminaniany mahakasika ny andro farany: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:36). Vonona i Jesosy ny hiandry tamim-paharetana an-dRainy, mba hampiharihary taminy ilay fotoana marina handravana an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ.a
3. Inona avy no azontsika ianarana avy amin’ny valin-tenin’i Jesosy tamin’ireo fanontaniana nahakasika ny fikasan’Andriamanitra?
3 Misy zavatra roa azo tsoahina avy amin’ny fomba namalian’i Jesosy fanontaniana mifandray amin’ny fotoana hisehoan’ireo zavatra hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Voalohany, dia hoe, manana fandaharam-potoana i Jehovah; ary faharoa dia hoe, izy irery ihany no mamaritra izany, ka tsy azon’ny mpanompony antenaina ny hahazo mialoha filazana hentitra ny amin’ny andro na fotoana noferany.
Ny andro sy fotoanan’i Jehovah
4. Inona avy no dikan’ireo teny grika nadika hoe “andro” sy “fotoana”, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:7?
4 Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “andro” sy “fotoana”? Mirakitra endri-potoana roa ilay tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:7. Ilay teny grika nadika hoe “andro” dia midika hoe “fotoana amin’ny heviny hoe faharetam-potoana”, elanelam-potoana (lava na fohy). “Fotoana” kosa no nandikana ny teny iray milaza fotoana iray voafetra na voatondro, fotoana na vanim-potoana manokana iray isian’ny fisehoan-javatra lehibe sasany. Izao no nolazain’i W. E. Vine, mahakasika ireo teny roa tany am-boalohany ireo: “Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:7, dia samy ‘napetraky ny Ray teo ambanin’ny fahefany’ na ny andro (chronos), izay ny halavan’ny fe-potoana iray, na ny fotoana (kairos), izay vanim-potoana miavaka noho fisehoan-javatra sasany.”
5. Oviana i Jehovah no nilaza tamin’i Noa ny fikasany handringana ilay tontolo nikororosy fahana, ary asa roa sosona inona avy no nanirahana an’i Noa ka notontosainy?
5 Talohan’ny Safo-drano, dia noferan’Andriamanitra ho 120 taona ny fotoana haharetan’ilay tontolo nikororosy fahana izay nanjary nisy noho ny nataon’ny olona sy ireo anjely nikomy nitafy nofo. (Genesisy 6:1-3). Tamin’izay fotoana izay, dia 480 taona i Noa izay tia an’Andriamanitra. (Genesisy 7:6). Tsy nanan-janaka izy, ary mbola toy izany ihany nandritra ny 20 taona nanaraka. (Genesisy 5:32). Efa tatỳ aoriana be, efa tonga olon-dehibe sy nanambady ireo zanak’i Noa, vao nilazan’Andriamanitra ny amin’ny fikasany hanaisotra ny faharatsiana tamin’ny tany, i Noa. (Genesisy 6:9-13, 18). Na dia tamin’izay aza, dia tsy nambaran’i Jehovah tamin’i Noa ny fandaharam-potoanany, eny fa na dia nanankinana asa roa sosona aza izy, dia ny hanamboatra ilay sambofiara sy ny hitory tamin’ny mpiara-belona taminy. — Genesisy 6:14; 2 Petera 2:5.
6. a) Ahoana no nanehoan’i Noa fa navelany teo an-tanan’i Jehovah ny raharaha mahakasika ny fotoana? b) Ahoana no ahafahantsika manahaka ny ohatr’i Noa?
6 “Dia nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony” nandritra ny am-polony taona maro — angamba antsasaky ny taonjato iray. Nanao izany i Noa, noho ny “finoana”, tsy nisy daty hentitra fantany. (Genesisy 6:22; Hebreo 11:7). Navelan’i Jehovah tsy ho fantany ny fotoana marina hiandohan’ireo zavatra hitranga raha tsy herinandro talohan’ilay fotoana tokony hanombohan’ny Safo-drano. (Genesisy 7:1-5). Nitoky tanteraka tamin’i Jehovah sy nino azy i Noa, hany ka azony navela teo an-tanan’Andriamanitra ny raharaha mahakasika ny fotoana. Ary toy inona moa no tsy maintsy ho fankasitrahan’i Noa rehefa nahatsapa ny fiarovan’i Jehovah nandritra ny Safo-drano izy, sy nivoaka ilay sambo-fiara ka nandia tany voadio, tatỳ aoriana! Tsy tokony haneho finoana an’Andriamanitra toy izany ve isika noho ny fahatsinjovantsika fanantenana famonjena mitovy amin’izany?
7, 8. a) Ahoana no nampisy ireo firenena sy ireo firenena matanjaka indrindra eran-tany? b) Ahoana no ‘nanendren’i Jehovah ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenan’ny olona’?
7 Taorian’ny Safo-drano, dia niala tamin’ny fanompoam-pivavahana marina tamin’i Jehovah ny ankamaroan’ny taranak’i Noa. Noho izy ireo nikendry ny hitoetra tamin’ny toerana iray ihany, dia nanomboka nanorina tanàna iray sy tilikambo iray mba hanaovana fanompoam-pivavahana diso, izy ireo. Tapaka ny hevitr’i Jehovah fa tonga ny fotoana hisalovanany. Nokorokoroiny ny fitenin’izy ireo ka “tao [Babela] no nampielezan’i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra”. (Genesisy 11:4, 8, 9). Tatỳ aoriana, dia nivoatra tsikelikely ireo antokom-pitenenana ka tonga firenena. Ny sasany tamin’ireny firenena ireny dia nitelina firenen-kafa ka tonga firenena natanjaka indrindra teo amin’ny faritra iray, sy maneran-tany mihitsy aza. — Genesisy 10:32.
8 Ho fanatanterahana ny fikasany, dia faritan’Andriamanitra, indraindray, ny sisin-tanim-pirenena sy ny fotoana hanapahan’ny firenena sasany eo amin’ny toerana misy azy, na eo amin’ny sehatra maneran-tany. (Genesisy 15:13, 14, 18-21; Eksodosy 23:31; Deoteronomia 2:17-22; Daniela 8:5-7, 20, 21). Niresaka ny amin’io lafin’ny andro sy fotoanan’i Jehovah io ny apostoly Paoly fony izy nilaza toy izao tamin’ireo avara-pianarana grika tany Atena: “Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra (...) [no nanao] ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany [ka] namponeniny ambonin’ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany”. — Asan’ny Apostoly 17:24, 26.
9. Ahoana no ‘nandaharan’i Jehovah ny andro sy ny fotoana’ mahakasika mpanjaka?
9 Tsy midika akory izany fa i Jehovah no tompon’andraikitra amin’izay rehetra mety ho fakana tanin’olona an-keriny sy fiovana ara-politika eo amin’ny samy firenena. Afaka misalovana anefa izy, rehefa mifidy ny hanao izany mba hanatanterahana ny fikasany. Noho izany, dia niteny toy izao ny mpaminany Daniela, izay vavolombelon’ny nionganan’ilay firenena babyloniana natanjaka indrindra eran-tany, sy ny nanoloana azy io tamin’ny Medianina sy Persanina: “Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ny hendry sy fahalalana ho an’izay mazava saina.” — Daniela 2:21; Isaia 44:24–45:7.
Nadiva “ho tonga ny fotoana”
10, 11. a) Hafiriana mialoha moa no efa nameran’i Jehovah ilay fotoana hanafahany ny taranak’i Abrahama tamin’ny fanandevozana? b) Inona no toa manondro fa tsy fantatr’ireo Isiraelita marina tsara ny fotoana hanafahana azy ireo?
10 Maherin’ny 400 taona mialoha no efa nameran’i Jehovah ilay taona maty paika hampietreny ny mpanjakan’ilay Firenena ejipsianina natanjaka indrindra eran-tany, sy hanafahany ny taranak’i Abrahama tamin’ny fanandevozana. Fony izy nanambara tamin’i Abrahama ny fikasany, dia nampanantena toy izao Andriamanitra: “Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.” (Genesisy 15:13, 14). Rehefa namintina ny tantaran’ny Isiraely teo anatrehan’ny Synedriona, i Stefana, dia niresaka momba io fe-potoana nisy 400 taona io, tamin’ny filazana hoe: “Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta, mandra-pitsangan’ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an’i Josefa.” — Asan’ny Apostoly 7:6, 17, 18.
11 Nampietry ny Isiraelita ho tonga andevo io Farao vaovao io. Mbola tsy nosoratan’i Mosesy ny bokin’ny Genesisy, kanefa na izany aza, dia toa azo inoana fa nampitampitaina am-bava na an-tsoratra ilay fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama. Na izany aza, ny fanazavana nananan’ireo Isiraelita dia toa tsy nahafahan’izy ireo nikajy ilay daty efa maty paika izay hanafahana azy tamin’ny fampahoriana. Fantatr’Andriamanitra ny fotoana hanafahany azy ireo, saingy toa tsy nampahafantarina izany kosa ireo Isiraelita nijaly. Izao no vakintsika: “Tao anatin’izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’i Egypta; ary ny Zanak’Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany. Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak’Isiraely ka nahafantatra azy.” — Eksodosy 2:23-25.
12. Ahoana no nanehoan’i Stefana fa nanao zavatra nialoha ny fotoanan’i Jehovah, i Mosesy?
12 Hita ao amin’ilay famintinana nataon’i Stefana koa io tsy fahafantaran’ny Isiraely ny fotoana marina hanafahana azy io. Raha niresaka ny amin’i Mosesy izy, dia nanao hoe: “Ary rehefa ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak’Isiraely rahalahiny. Ary raha nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana ary namonjy ilay nampahorina. Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen’Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany.” (Asan’ny Apostoly 7:23-25, izahay no manao sora-mandry.) Teto i Mosesy dia nanao zavatra 40 taona talohan’ilay fotoana noferan’Andriamanitra. Nasehon’i Stefana fa voatery niandry 40 taona fanampiny i Mosesy vao ‘namonjy ny Isiraelita tamin’ny tanany’ Andriamanitra. — Asan’ny Apostoly 7:30-36.
13. Ahoana no itovian’ny toe-javatra misy antsika sy ny an’ireo Isiraelita talohan’ny nanafahana azy tany Egypta?
13 Na dia nadiva ‘ho tonga aza ny fotoana hanatanterahana ny teny fikasana’, ary na dia efa nisy aza taona maty paika noferan’Andriamanitra, dia tsy maintsy naneho finoana i Mosesy sy ny Isiraely rehetra. Tsy maintsy niandry ilay fotoana voatondron’i Jehovah izy ireo, satria toa tsy afaka nikajy azy io mialoha. Miaiky mafy koa isika fa madiva ho tonga ny fanafahana antsika amin’izao fandehan-javatra ratsy izao. Fantatsika fa miaina amin’ny “andro farany” isika. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Koa moa àry ve isika tsy tokony ho vonona haneho ny finoantsika sy hiandry ilay fotoana voatondron’i Jehovah ho androny lehibe? (2 Petera 3:11-13). Amin’izay isika, sahala amin’i Mosesy sy ireo Isiraelita, dia ho afaka hanao hiram-panafahana be voninahitra, ho fiderana an’i Jehovah. — Eksodosy 15:1-19.
‘Rehefa tonga ny fotoana’
14, 15. Ahoana no ahafantarantsika fa nametra fotoana hahatongavan’ny Zanany eto an-tany Andriamanitra, ary samy notsindrian-daona ny amin’ny higadonan’ny inona ireo mpaminany sy ny anjely mihitsy aza?
14 I Jehovah dia nametra fotoana raikitra hahatongavan’ny Zanany lahitokana etỳ an-tany, ho Mesia. Nanoratra toy izao i Paoly: “Rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka teo ambanin’ny lalàna”. (Galatiana 4:4). Izany dia nanatanteraka ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe handefa Taranaka iray izy — dia i ‘Silo izay hankatoavin’ny firenena’. — Genesisy 3:15; 49:10.
15 Ireo mpaminanin’Andriamanitra — eny fa na dia ireo anjely aza — dia samy notsindrian-daona ny amin’ny higadonan’ny “andro” hisehoan’ny Mesia teto an-tany ka ho azo amonjena ny olombelona mpanota. “Ny amin’izany famonjena izany”, hoy i Petera, “dia notadiavin’ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo; eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ny Fanahin’i Kristy tao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany. (...) Izany zavatra izany dia tian’ny anjely hodinihina.” — 1 Petera 1:1-5, 10-12.
16, 17. a) Tamin’ny alalan’ny faminaniana inona no nanampian’i Jehovah ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany mba hiandry ny fahatongavan’ny Mesia? b) Tamin’ny ahoana ny faminanian’i Daniela no nisy akony teo amin’ny niandrasan’ny Jiosy ny fahatongavan’ny Mesia?
16 Nanome faminaniana nisy firesahana “fito-polo herinandro” i Jehovah tamin’ny alalan’i Daniela mpaminaniny, izay lehilahy nanam-pinoana tsy azo nohozongozonina. Io faminaniana io dia nahatonga ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany hahafantatra fa nadiva hiseho ilay Mesia nampanantenaina. Milaza toy izao ny ampahany amin’ilay faminaniana: “Hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro”. (Daniela 9:24, 25). Amin’ny ankapobeny, dia miara-manaiky ireo manam-pahaizana jiosy sy katolika ary protestanta fa midika ho herinandron-taona ny “herinandro” asian-teny eto. Nanomboka tamin’ny 455 al.f.i. ireo 69 “herinandro” (483 taona) ao amin’ny Daniela 9:25, fony Artaksersesy Mpanjaka persianina nanome lalana an’i Nehemia mba ‘hanavao sy hanamboatra an’i Jerosalema’. (Nehemia 2:1-8). Nifarana izy io 483 taona tatỳ aoriana, tamin’ny taona 29 am.f.i., fony natao batisa sy voahosotry ny fanahy masina i Jesosy ka tonga Mesia, na Kristy. — Matio 3:13-17.
17 Tsy fantatra raha nahalala mazava tsara ny fotoana nanombohan’ireo 483 taona na tsia, ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa nanomboka ny fanompoany anefa i Jaona Mpanao Batisa, dia “niandry ny olona, ka samy nisaina an’i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia”. (Lioka 3:15). Misy manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly mampifandray io fiandrasana io sy ny faminanian’i Daniela. Nanoratra toy izao i Matthew Henry, rehefa nanazava io andinin-teny io: ‘Lazaina amintsika eto ny fanatsoahan-kevitry ny olona, avy tamin’ny fanompoana sy ny batisa nataon’i Jaona, ka nahatonga azy ireo hieritreritra ny amin’ny Mesia, sy hieritreritra azy io ho efa teo an-tokonana. Efa tapitra tamin’izay ireo fito-polo herinandron’i Daniela.’ Milaza toy izao ilay Manuel Biblique frantsay nataon’i Vigouroux sy i Bacuez ary i Brassac: “Fantatry ny olona fa nadiva hifarana ireo fitopolo herinandron-taona noferan’i Daniela; tsy nisy olona gaga raha nandre an’i Jaona Mpanao Batisa nanambara fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” Nanoratra ilay manam-pahaizana jiosy atao hoe Abba Hillel Silver, fa araka “ny fandaharan-taona neken’ny besinimaro” tamin’izany andro izany, “dia nantenaina ho tonga [teo anelanelan’ny taona 25 ka hatramin’ny taona 50] tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. ny Mesia”.
Fisehoan-javatra, fa tsy fanaovana kajy momba ny fotoana
18. Na dia nanampy ny Jiosy hamantatra ny fotoana tokotokony hisehoan’ny Mesia aza ny faminanian’i Daniela, dia inona no porofo nampiaiky indrindra ny naha Mesia an’i Jesosy?
18 Na dia toa nanampy ny vahoaka jiosy hahafanta-javatra ankapobeny momba ny fotoana tokony hisehoan’i Mesia aza ny fandaharan-taona, dia ahariharin’ireo fisehoan-javatra nanaraka izany fa tsy nanampy ny ankamaroan’izy ireo hiaiky ny naha Mesia an’i Jesosy akory, izy io. Tsy ampy herintaona talohan’ny nahafatesany, dia nanontany ny mpianany toy izao i Jesosy: “Ataon’ny olona ho iza moa Aho?” Namaly ireo nanao hoe: “Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia; ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin’ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.” (Lioka 9:18, 19). Tsy misy firaketana an-tsoratra milaza amintsika hoe nanonona ilay faminaniana momba ny herinandro ara-panoharana i Jesosy mba hanaporofoana fa izy no Mesia. Niteny toy izao anefa izy indray mandeha: “Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen’ny Ray Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin’ny Ray.” (Jaona 5:36). Tsy izay rehetra mety ho fandaharan-taona voambara no nanaporofo ny naha Mesia nirahin’Andriamanitra an’i Jesosy, fa ny fitoriana sy ny fahagagana nataony kosa, mbamin’ireo fisehoan-javatra nanodidina ny nahafatesany (ilay haizina nahagaga, ny nahatriatra ilay efitra lamba tao amin’ny tempoly sy ilay horohoron-tany). — Matio 27:45, 51, 54; Jaona 7:31; Asan’ny Apostoly 2:22.
19. a) Ahoana no nahafantaran’ny Kristianina fa akaiky ny fandravana an’i Jerosalema? b) Nahoana no mbola nila finoana be ihany ireo Kristianina nandositra an’i Jerosalema?
19 Toy izany koa fa, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ireo Kristianina tany am-boalohany dia tsy nomena fomba hanaovana kajy ny fahatongavan’ny faran’ny fandehan-javatra jiosy. Marina fa niresaka ny amin’ny fandringanana an’io fandehan-javatra io, ny faminanian’i Daniela momba ireo herinandro ara-panoharana. (Daniela 9:26b, 27b). Ny hitrangan’izany anefa dia aorian’ny fahataperan’ireo “fito-polo herinandro” (455 al.f.i.–36 am.f.i.). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe: Rehefa dila ny taona 36 am.f.i. nahatongavan’ilay Jentilisa voalohany ho mpanara-dia an’i Jesosy, dia tapitra teo koa ireo fisehoan-javatra lehibe nanaraka fandaharan-taona, izay voalaza ao amin’ny Daniela toko faha-9. Ho an’ny Kristianina, dia ny fisehoan-javatra, fa tsy ny fandaharan-taona, no hanondro fa tsy maintsy hifarana tsy ho ela ny fandehan-javatra jiosy. Nanomboka nahatratra ny fara tampony ireny fisehoan-javatra nambaran’i Jesosy mialoha ireny, tamin’ny taona 66 am.f.i., rehefa nanafika an’i Jerosalema ny legiona romana, ary nihataka nony avy eo. Nanana fahafahana ‘handositra tany an-tendrombohitra’, noho izany, ireo Kristianina nahatoky sy nandini-javatra tany Jerosalema sy Jodia. (Lioka 21:20-22). Noho izy ireo tsy nanana fandaharan-taona afaka nanoro azy, dia tsy nahafantatra ny fotoana hitrangan’ny fandravana an’i Jerosalema ireo Kristianina tany am-boalohany ireo. Finoana toy inona moa no tsy maintsy ho nananany mba handaozana ny tranony sy ny toeram-pamboleny sy fiompiany, mbamin’ny trano fiasany, ka hitoetra tany ivelan’i Jerosalema nandritra ny efa-taona teo ho eo, ambara-piverin’ny tafika romana tamin’ny taona 70 am.f.i., ka nanafoanany tanteraka ny fandehan-javatra jiosy! — Lioka 19:41-44.
20. a) Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny ohatr’i Noa sy i Mosesy ary ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany tany Jodia? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Sahala amin’i Noa sy i Mosesy ary ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany tany Jodia, dia azontsika amin’izao andro izao apetraka amim-patokisana eo an-tanan’i Jehovah ny andro sy ny fotoana. Miaiky mafy isika fa miaina amin’ny fotoanan’ny farany, ary mihamanakaiky ny fanafahana antsika. Izany fiekentsika mafy izany dia tsy miankina fotsiny amin’ny fanaovana kajy ny fandaharan-taona, fa miankina kosa amin’ny fisehoan-javatra tena misy izay manatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Ankoatra izany, na dia miaina mandritra ny fanatrehan’i Kristy aza isika, dia mbola mila maneho finoana sy miambina hatrany, fa tsy hoe afaka amin’izany. Tsy maintsy manohy miandry amim-pahadodonana ireo fisehoan-javatra mampientanentana izay voambara mialoha ao amin’ny Soratra Masina isika. Izany no ho foto-kevitr’ilay lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aogositra 1996, pejy faha-30-31.
Ho Famerenana
◻ Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ireo apostoliny mahakasika ny andro sy ny fotoanan’i Jehovah?
◻ Hafiriana mialoha no nahafantaran’i Noa ny fotoana tokony hanombohan’ny Safo-drano?
◻ Inona no mampiseho fa tsy nahafantatra ny fotoana marina hanafahana azy ireo tany Egypta i Mosesy sy ireo Isiraelita?
◻ Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ireo ohatra ara-baiboly mifandray amin’ny andro sy ny fotoanan’i Jehovah?
[Sary, pejy 11]
Ny finoany no nahatonga an’i Noa ho afaka namela teo an-tanan’i Jehovah ny raharaha mahakasika fotoana