Samy Hipetraka eny Ambanin’ny Aviaviny Izy
SAROTRA ny mahita toerana maloka mandritra ny vanin-taona mafana, any Moyen-Orient. Tena faly ny olona raha mahita hazo azony ialofana, indrindra raha eo akaikin’ny tranony izany. Tsara kokoa ny maka alokaloka eo ambany aviavy, noho ny eo ambany hazo hafa, satria lehibe ny raviny ary misandrahaka ny rantsany.a
“Misy milaza hoe mangatsiatsiaka kokoa eo ambany [aviavy] noho ny ao anaty trano lay”, hoy ny boky Zavamaniry ao Amin’ny Baiboly (anglisy). Afaka niala sasatra kely teo ambany aviavy eo an-tsisin-tanimboaloboka koa ny mpiasa tany isiraelita fahiny.
Afaka mipetrapetraka sy miara-mikorana eo ambanin’ny aviaviny ny mpianakavy, aorian’ny andro iray nahamay be. Mahazo tombony koa ny olona manana aviavy, satria betsaka ny voany sady mahavelona. Nidika ho fiadanana sy fanambinana ary fananana amby ampy àry ny hoe mipetraka eo ambany aviavy, nanomboka tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka.—1 Mpanjaka 5:4, 5.
Nilaza i Mosesy mpaminany, 400 taona mahery talohan’izay, fa tanin’ny aviavy ny Tany Nampanantenaina. (Deoteronomia 8:8) Mba hanaporofoana fa tena namokatra io tany io, dia naka aviavy sy voankazo hafa avy tany, ireo mpisafo tany 12, ary nitondra izany tany amin’ny tobin’ny Isiraelita. (Nomery 13:21-23) Tamin’ny taonjato faha-19, dia nilaza ny olona iray nitsidika ireo tany resahin’ny Baiboly, fa anisan’ireo hazo tena fahita any ny aviavy. Tsy mahagaga àry raha tononin’ny Soratra Masina matetika ny aviavy!
Vokatra indroa isan-taona
Maniry saika amin’ny karazan-tany rehetra ny aviavy. Maharitra ela ny vanin-taona mafana sady maina any Moyen-Orient, nefa mahatanty izany koa ny aviavy, satria misandrahaka be ny fakany. Hafakely io hazo io satria mamoa voalohany izy amin’ny volana Jona, ary mamoa fanindroany manomboka amin’ny Aogositra. (Isaia 28:4) Matetika no hanin’ny Isiraelita avy hatrany ny voa voalohany. Hamaininy kosa ny voa faharoa, mba hampiasaina mandritra ny taona. Potsirina ho lasa toy ny mofomamy boribory izy rehefa maina, ary ampiana amandy indraindray. Sakafo manala fahasahiranana sy mahavelona ary matsiro ny aviavy nohamainina sy nopotsirina.
Nanome mofomamin’aviavy 200 an’i Davida ilay vehivavy malina antsoina hoe Abigaila. Azo antoka fa fantany hoe sakafo nety tsara ho an’ny olona mpandositra izy io. (1 Samoela 25:18, 27) Natao fanafody koa ny aviavy nopotsirina. Nasiana aviavy nohamainina sy nopotsirina, ohatra, ny vay saika nahafaty ny Mpanjaka Hezekia, ary nofonosina lamba. Andriamanitra anefa no tena nahasitrana tanteraka azy.b—2 Mpanjaka 20:4-7.
Fahiny, dia tena be mpitia nanerana an’i Mediterane ny aviavy nohamainina. Nampiseho aviavy tamin’ny Antenimieran-doholona romanina, ohatra, ilay mpitondra fanjakana atao hoe Caton, mba handresen-dahatra azy ireo hiady fanintelony tamin’i Carthage. Avy tany Carie, any Azia Minora, ny aviavy maina tsara indrindra tany Roma. Lasa hoe carica àry ny teny latinina niantsoana ny aviavy nohamainina. Any Torkia izao no misy an’i Carie, ary mbola mamokatra aviavy nohamainina tena tsara ihany io faritra io.
Matetika no namboly aviavy teo amin’ny tanimboalobony ny tantsaha isiraelita. Notapahiny anefa ny aviavy tsy namoa. Vitsy kely mantsy ny tany mamokatra, ka tsy tian’izy ireo raha hazo tsy namoa no maniry eo amin’ilay tany. Tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay aviavy tsy namoa, dia hoy ny tompon’ilay tany tamin’ilay mpamboly voaloboka: “Efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?” (Lioka 13:6, 7) Nakana hetra koa ny hazo fihinam-boa tamin’ny andron’i Jesosy, ka nandany vola fotsiny ny hazo tsy namoa.
Anisan’ny sakafon’ny Isiraelita ny aviavy. Nety ho loza tokoa àry no nitranga, raha tsy namokatra firy ny aviavy, angamba noho ny fanamelohana avy amin’i Jehovah. (Hosea 2:14; Amosa 4:9) Hoy i Habakoka mpaminany: “Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha . . . nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.”—Habakoka 3:17, 18.
Fanoharana ny amin’ny aviavy
Manao fanoharana momba ny aviavy ny Soratra Masina indraindray. Ireo mponin’i Joda tsy nivadika tany an-tsesitany, ohatra, dia noharin’i Jeremia tamin’ny sobika feno aviavy tsara, izany hoe ilay aviavy vokatra voalohany, izay nohanina avy hatrany. Ireo Jiosy nivadika kosa, dia nohariny tamin’ny aviavy ratsy, izay tsy azo nohanina, ka tsy maintsy nariana.—Jeremia 24:2, 5, 8, 10.
Nasehon’i Jesosy tao amin’ilay fanoharany momba ny aviavy tsy namoa, ny faharetan’Andriamanitra tamin’ny firenena jiosy. Araka ny voalaza terỳ aloha, dia niresaka momba ny lehilahy iray nanana aviavy tao an-tanimboalobony, izy. Efa telo taona ilay hazo no tsy namoa, ka saika nasain’ilay tompony notapahina. Hoy anefa ilay mpamboly voaloboka: “Tompoko, avelao ihany izy amin’ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika; angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.”—Lioka 13:8, 9.
Efa nitory nandritra ny telo taona tamin’ny firenena jiosy i Jesosy, tamin’izy nanao io fanoharana io. Niezaka nanao izay hananan’izy ireo finoana izy. Niasa mafy kokoa izy, ka ‘nanisy zezika’ an’ilay aviavy, dia ny firenena jiosy, mba hahatonga azy io hamokatra. Niharihary anefa fa nanda ny Mesia ilay firenena manontolo, herinandro talohan’ny nahafatesan’i Jesosy.—Matio 23:37, 38.
Mbola nampiasa ny aviavy ihany i Jesosy taorian’izay, mba hampisehoana fa narary ara-panahy ilay firenena. Avy tany Betania ho any Jerosalema izy, efatra andro talohan’ny nahafatesany, ary nahita aviavy mandravina be, nefa tsy nisy voany. Miara-mipoitra amin’ny raviny ny voa voalohany, na alohan’ny ipoiran’ny raviny mihitsy aza indraindray. Tsy nisy nilana azy àry ilay hazo satria tsy nisy voany.—Marka 11:13, 14.c
Naniry tsara ny fahitana an’ilay aviavy tsy namoa. Toy izany koa no fijery ny firenena jiosy. Tsy namokatra voa nampifaly an’i Jehovah anefa ilay firenena, ary nanda ny Zanany tamin’ny farany. Nozonin’i Jesosy ilay aviavy tsy namoa, ka ny ampitson’iny, dia hitan’ny mpianatra, fa nalazo sahady ilay izy. Ilay aviavy nalazo dia mifanitsy tsara amin’ny handavan’Andriamanitra tsy ho ela ny Jiosy tsy ho firenena voafidiny intsony.—Marka 11:20, 21.
‘Mianara ny amin’ny aviavy’
Nampiasa ny aviavy koa i Jesosy mba hampianarana lesona lehibe momba ny fanatrehany. Hoy izy: “Mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.” (Matio 24:32, 33) Ny ravin’aviavy maitso sy manjelanjelatra dia porofo miharihary sy tsy azo lavina fa ho tonga ny lohataona. Voaporofo koa fa efa Mpanjaka any an-danitra izao i Jesosy, rehefa jerena ireo faminaniana lehibe nolazainy ao amin’ny Matio toko faha-24 sy Marka toko faha-13, ary Lioka toko faha-21.—Lioka 21:29-31.
Miaina amin’ny fotoana tena lehibe eo amin’ny tantara isika izao, ka azo antoka fa maniry hianatra avy amin’ny aviavy. Raha manao izany isika, ary mifoha ara-panahy hatrany, dia hahita ny fahatanterahan’ity fampanantenana tena lehibe ity: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.”—Mika 4:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy tena mitovy amin’ny aviavy hita eto Madagasikara ny aviavy resahina eto.
b Nitsidika ny tany resahin’ny Baiboly ilay mpandinika zavaboary atao hoe Henry Tristram, teo antenatenan’ny taonjato faha-19. Hitany fa mbola nampiasa io fomba fanasitranana vay io ihany ny olona tany amin’ireo faritra ireo.
c Teo akaikin’ny tanànan’i Betifaga izany no nitranga. Antsoina hoe “Tranon’ny Aviavy Voalohany” io tanàna io. Mety hidika izany fa nalaza ho mpamokatra aviavy voalohany be dia be io tanàna io.