-
Hitondra Soa Maharitra ho Anao ny Sakafo Harivan’ny TompoNy Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Aprily
-
-
Toy izany koa ilay kapoaka nisy divay. Hoy i Jesosy: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.”—Lioka 22:20.
Ao amin’ny bokin’i Matio, dia hoy i Jesosy momba ilay kapoaka: “Ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” (Matio 26:28) Araka izany, dia nilaza i Jesosy fa nanondro ny rany ilay divay tao anatin’ilay kapoaka. Ny ra nalatsany no fototry ny “fanekena vaovao” ho an’ny mpianany voahosotry ny fanahy, izay ho mpanjaka sy mpisorona hiaraka aminy any an-danitra.—Jeremia 31:31-33; Jaona 14:2, 3; 2 Korintiana 5:5; Apokalypsy 1:5, 6; 5:9, 10; 20:4, 6.
Ilay divay tao anatin’ilay kapoaka koa dia nampahatsiahy azy ireo, fa ny ra nalatsak’i Jesosy no ahazoana “famelan-keloka.” Izany no mahatonga ny olona sasany ho voantso ho any an-danitra, mba hiara-manjaka amin’i Kristy. Ireo olona vitsy voantso ho any an-danitra ihany àry no mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana.—Lioka 12:32; Efesiana 1:13, 14; Hebreo 9:22; 1 Petera 1:3, 4.
Ahoana kosa ny amin’ireo rehetra mpanara-dia an’i Jesosy tsy ao anatin’ny fanekena vaovao? Ireo no “ondry hafa” an’ny Tompo. Tsy manantena ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra ireo Kristianina mahatoky ireo, fa manantena hiaina mandrakizay eto an-tany lasa paradisa. (Jaona 10:16; Lioka 23:43; Apokalypsy 21:3, 4) “Manompo [an’Andriamanitra] andro aman’alina” ireo “olona betsaka” ireo. Faly sy velom-pankasitrahana koa izy ireo, na dia manatrika fotsiny aza mandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Izao no ambaran’izy ireo sy asehony amin’ny fitondran-tenany: “Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny Zanak’ondry.”—Apokalypsy 7:9, 10, 14, 15.
-
-
Hitondra Soa Maharitra ho Anao ny Sakafo Harivan’ny TompoNy Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Aprily
-
-
[Efajoro/Sary, pejy 6]
“ITY NO TENAKO”
Nilaza i Jesosy hoe: ‘Izaho no vavahady’, sy hoe: “Izaho no tena voaloboka.” Tsy nisy nieritreritra anefa hoe vavahady na voaloboka ara-bakiteny izy. (Jaona 10:7; 15:1) Rehefa nilaza koa izy hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao”, dia fantatsika fa tsy io kapoaka io ara-bakiteny akory no fanekena vaovao. Azo antoka àry fa rehefa nilaza izy hoe ilay mofo “no” tenany, dia nidika izany fa nanondro ny tenany ilay mofo. Izany no mahatonga ny Baiboly nadikan’i Charles Williams hilaza hoe: “Manondro ny tenako ity.”—Lioka 22:19, 20.
-