Fanontanian’ny mpamaky
◼ Nahoana no vitsy dia vitsy ny Vavolombelon’i Jehovah mandray anjara amin’ny mofo sy ny divay amin’ny fankalazana isan-taona ny Sakafon’ny Tompo?
Satria, mifanohitra amin’ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaiky ny fampianarana araka ny Baiboly ilazana fa olom-bitsy monja no mandova ny fiainana any an-danitra, fa ny sisa amin’ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra dia manana ho valisoa ny fiainana mandrakizay eto an-tany.
Ampianarin’ireo Fiangonana hatramin’ny ela be fa ny olona rehetra izay ankasitrahan’Andriamanitra dia mandray ny lanitra ho anjarany, fa ny hafa kosa ampanantenaina afobe mirehitra. Tsy izany no lazain’ny Baiboly. Asehon’ny Soratra Masina mazava kosa fa olona vitsy monja, toy ireo apostoly, no hiara-hanjaka amin’i Kristy any an-danitra. Nilaza ny amin’ireo i Jesosy fa izy ireo dia mahaforona “ondry vitsy”; ary lazain’ny Baiboly fa 144000 izy ireny (Lioka 12:32; Apokalypsy 14:3, 4). Olona maro nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana sy nahazo ny fankasitrahany no maty talohan’ny namohan’i Jesosy ny lalan’ny fiainana any an-danitra (Matio 11:11; Hebreo 10:19-21). Afa-tsy izany koa, taorian’ny nifidianana ny “ondry vitsy”, dia olon-kafa an-tapitrisany maro no tonga tena kristiana. Ny Baiboly dia manolotra ho an’ireny olona mahatoky rehetra ireny, izay tsy anisan’ny “ondry vitsy”, ny fanantenana ny hiaina tsy hisy farany eo amin’ny tany voaova ho paradisa (Salamo 37:20, 29; Apokalypsy 21:4, 5). Nahoana anefa ireny kristiana ireny no tsy mandray koa ny mofo sy divay amin’ny Sakafon’ny Tompo? Satria, araka ny nanazavan’i Jesosy azy, io andraikitra io dia natokana ho an’ireo izay voantso ho amin’ny fiainana any an-danitra, ireo izay nampidirina ao anatin’ny fanekena vaovao.
Mazava ho azy fa mba handraisan-tsoa amin’ny famelan’Andriamanitra sy handovana ny fiainana mandrakizay, na any an-danitra na eto an-tany, dia tena ilaina ny hanehoana finoana ny soron’i Jesosy. Izany no asehon’i Kristy ao amin’ny Jaona 6:51-54: “Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao [ny olombelona azo avotana] (...) Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay.”
Aoka homarihintsika anefa fa tsy ireo mpianany ihany no nitenenan’i Jesosy fony izy nilaza ireo teny ireo; ny omalin’iny tokoa, dia namahana tamin’ny fomba mahagaga olona an’arivony maro izy; tonga nanatona azy àry ny vahoaka, tao amin’ny faritr’i Kapernaomy, ary velona ny resaka nanononan’i Jesosy ny teny voatantara ao amin’ny Jaona 6:51-54. Noho izany, dia tsy tamin’ireo mpianany no nitenenan’i Jesosy voalohany indrindra rehefa nanambara izy fa, ara-panoharana, ny tenany dia ‘mofo nidina avy any an-danitra’, izay afaka nitondra fanantenam-piainana maharitra kokoa noho ny mana nohanin’ny Jiosy tany an’efira. — Jaona 6:24-34.
Ny amin’izany, dia aoka hotadidiantsika ho iza no tany an’efitra taorian’ny nivoahana avy tany Egypta. Tao ‘ny Zanak’Isiraely, dia lehilahy mahalia làlana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy sy olona maro samy hafa firenena’. Izany “olona maro samy hafa firenena” izany dia nisy Egyptiana nanambady Isiraelita sy Egyptiana hafa namatotra ny anjarany tamin’ny an’ny Isiraely. Na ireo Isiraelita na izany “olona maro samy hafa firenena” izany dia tsy maintsy nihinana ny mana raha tiany ny mbola ho velona ihany. Nefa moa ve ny “olona maro samy hafa firenena” nitovy fanantenana tamin’ny Isiraelita? Tsia, satria na dia afaka nanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny Isiraelita aza izy ireny ka namelona fanantenana ny hiditra ao amin’ny Tany nampanantenaina, dia tsy ho azon’ireny olona ireny natao na oviana na oviana, araka ny Lalàn’i Mosesy, ny ho mpanjaka na mpisorona. Araka izany, ny fihinanana ny mana tany an’efitra dia tsy nanome ho an’ny rehetra fanantenana mitovy.
Aoka hotadidiantsika ny amin’izany fiavahana izany ka hodinihintsika izay nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany, tamin’io indray mandeha io, dia tokony ho herintaona taorian’ny nanononana ny teny voasoratra ao amin’ny Jaona 6:51-54. Tamin’io fotoana io i Jesosy dia niresaka tamin’ny heviny ara-bakiteny ny amin’ny mofo sy ny divay izay hampiseho ny tenany sy ny rany. Raha nanorina ny Sakafon’ny Tompo izy, dia izao no nolazainy tamin’ireo mpianany akaiky azy: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” Nanampy teny toy izao izy teo anoloan’izany antokon’olom-bitsy izany, dia ireo apostoliny: “Ary hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; koa Izaho manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabaro amin’ny fanjakako hianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.” — Lioka 22:20, 28-30.
Ireo teny farany ireo dia mampiseho fa ireo izay tokony hihinana ny mofo sy divay, marika mampiseho ny tena sy ny ran’i Jesosy, dia ireo mpianatra voaray tao anatin’ny “fanekena vaovao”. Ireo dia hiditra ao amin’ny fanekena hafa iray hifanaovan’i Jesosy amin’izy ireo mba hahafahan’izy ireo manapaka ‘ao amin’ny fanjakany’. Mazava fa teo Jesosy dia niresaka ny amin’ireo izay hahaforona ‘fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra, mba hanjakan’izy ireny eto an-tany’. (Apokalypsy 5:10.) Tamin’ny taonjato I Andriamanitra dia nanomboka nifidy ireo 144000 izay handray anjara amin’ny Fanjakana any an-danitra. Anisan’izy ireny ny kristiana tany Korinto, satria i Paoly nilaza ny amin’izy ireny fa izy dia “nohamasinina ao amin’i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina”. (1 Korintiana 1:2; jereo Romana 1:7; 8:15-17.) Ny ‘olona masina’ toy izany no tokony handray anjara amin’ny Sakafon’ny Tompo, amin’ny fahatakarana ny hevitry ny mofo atao ohatra sy ny divay mampiseho ny ‘fanekena vaovao amin’ny rany’. — 1 Korintiana 11:23-26.
Amin’izao andro izao, dia olona vitsy sisa eto an-tany amin’ireo nofidin’Andriamanitra mba hiaina any an-danitra. Noho izy ao anatin’ny “fanekena vaovao”, dia ireny kristiana ireny ihany no afaka ny hanana anjara amin’ny mofo sy ny divay atao ohatra amin’ny fahatsiarovana isan-taona.
Mazava ho azy fa ny kristiana marina rehetra izay manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany tapahin’ilay Fanjakana dia mahafantatra fa ilain’izy ireny ny maneho finoana an’i Jesosy. Araka ny nolazainy tamin’ny vahoaka, Jesosy dia “mofo velona izay nidina avy tany an-danitra”. (Jaona 6:51.) Izany anefa akory tsy milaza fa ireo kristiana manana fanantenana ny ho eto an-tany dia tokony handray anjara amin’ny marika amin’ny fahatsiarovana, satria izy ireny tsy ao anatin’ny “fanekena vaovao”, na ao anatin’ny fanekena nifanaovana tamin’i Jesosy mba ‘hipetraka eo ambony seza fiandrianana ao amin’ny fanjakany’.
Noho izany, ireo kristiana maro izay manana fanantenana ny ho eto an-tany dia tsy mandray ny marika, izany hoe ny mofo sy ny divay. Izany fitondrantena izany dia tsy manome velively taratr’izay hoe tsy fahampiam-pinoana ny tena sy ny ran’i Jesosy, na tsy fahampian’ny fankasitrahana ny soron’i Jesosy. Mifanohitra amin’izany, io sorona io sy ny fanantenana mahatalanjona ny ho eto an-tany velomin’izy ireo dia miteraka ao aminy fankasitrahana lalina izay manosika azy ireny hanatrika isan-taona — amin’ny maha-mpijery maneho fanajana fotsiny — ny fankalazana ny Sakafon’ny Tompo. Araka izany, dia maneho ny finoany izy ireny ary mampiseho amim-pifaliana fa mahita firaisan-tsaina mafana ny sisa amin’ny “ondry vitsy” sy ny “ondry hafa” maro. — Jaona 10:16.