Mihaino ve Andriamanitra Rehefa Mivavaka Ianao?
NY TALE iray no manapa-kevitra raha hanankina raharaha iray amin’olon-kafa izy na hikarakara izany manokana. Toy izany koa, ilay Mpanapaka Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao dia manan-tsafidy mba hamaritana hoe hatraiza izy no hiditra manokana na tsia amin’ny raharaha iray na inona izany na inona. Mampianatra ny Baiboly fa Andriamanitra dia nifidy ny hiditra manokana amin’ny vavaka ataontsika, ka noho izany dia mangataka amintsika mba handefa izany any aminy. — Salamo 66:19; 69:13.
Ny safidin’Andriamanitra amin’io raharaha io dia mampiharihary ny fanehoany fiheverana manokana ireo vavaka ataon’ny olombelona mpanompony. Tsy manakivy ny olony tsy hanatona azy amin’izao eritreritra sy adin-tsaina rehetra izao izy, fa mampirisika azy ireo kosa hoe: “Mivavaha, ka aza mitsahatra”, “mahareta amin’ny fivavahana”, “apetraho amin’i Jehovah ny entanao”, “apetraho aminy [Andriamanitra] ny fanahianareo rehetra”. — 1 Tesaloniana 5:17; Romana 12:12; Salamo 55:22; 1 Petera 5:7.
Raha tsy naniry hanisy fiheverana ny vavak’ireo mpanompony Andriamanitra, dia tsy ho nalaminy mihitsy ny fahafahana hifandray aminy toy izany, ary tsy ho nampirisika ny fampiasana malalaka izany mihitsy izy. Nifidy ny hanao ny tenany ho mora hatonin’ny olony Andriamanitra. Izany àry, dia antony iray tokony hatokiana fa tena mihaino izy. Eny, maneho fiheverana ny vavaka tsirairay ataon’ny mpanompony izy.
Tsy azo odian-tsy hita ny filazan’ny Baiboly tsy misy olakolaka fa mihaino vavaka Andriamanitra. Nanoratra toy izao, ohatra, ny apostoly Jaona: “Izao ny fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy”. (1 Jaona 5:14). Niresaka ny amin’i Jehovah Andriamanitra ho ilay “Mpihaino vavaka” i Davida mpanjaka, ary nambarany marimarina tamim-patokiana fa: “Hihaino ny feoko Izy”. — Salamo 55:17; 65:2.
Koa na dia tsy isalasalana aza fa mitondra soa ny vavaka amin’ny maha-izany azy fotsiny, ny Soratra masina dia mampiseho fa be noho izany no tafiditra rehefa mivavaka ny olo-marina iray. Misy mihaino azy. Andriamanitra izany Mpihaino izany. — Jakoba 5:16-18.
Vavaka izay henoina
Maro be ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly mikasika olona nanao vavaka izay nohenoin’Andriamanitra sy novaliany raha ny marina. Ny fanandraman-javatra hitan’izy ireo dia manamarina tsara fa ny soa entin’ny vavaka dia lasa lavitra kokoa noho ny vokany manasitrana avy amin’ny fanaovana izay hampahazava ny eritreritry ny tena sy ny fanambarana izany. Izany dia lasa lavitra kokoa noho ny fanaovan’ny olona iray fiezahana manokana mifanaraka amin’ny vavaka ataony.
Rehefa niatrika ny fikomiana nataon’i Absaloma mba hakana an-keriny ny fanjakan’ny Isiraely, ohatra, i Davida mpanjaka dia nivavaka toy izao: “Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’i Ahitofela”. Tsy fangatahana kely akory izany, satria “ny hevitr’i [torohevitr’i, NW] Ahitofela (...) dia hoatra ny manontany amin’Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra [torohevitra, NW] rehetra nataon’i Ahitofela”. Taorian’izay dia nolavin’i Absaloma ny tetik’ady natolotr’i Ahitofela mba hanonganana an’i Davida mpanjaka. Nahoana? “Fa efa notendren’i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon’i Ahitofela, hampidiran’i Jehovah loza amin’i Absaloma.” Mazava fa nohenoina ny vavak’i Davida. — 2 Samoela 15:31; 16:23; 17:14.
Toy izany koa, fa taorian’ny nitalahoan’i Hezekia famonjena noho ny aretina mahafaty nahazo azy, dia sitrana izy. Moa ve izany noho ireo soa ara-tsaina fotsiny azon’i Hezekia vokatry ny nivavahany? Tsia, mazava ho azy! Izao no hafatr’i Jehovah ho an’i Hezekia, araka ny nanambaran’i Isaia azy: “Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho”. — 2 Mpanjaka 20:1-6.
Nomen’ny anjelin’i Jehovah toky toy izao i Daniela izay nahazo valim-bavaka ela kokoa tsy araka ny nety ho nanampoizany azy: “Reko ny teninao”. Ireo vavaka nataon’ny hafa, toy ny an’i Hana, ny an’ireo mpianatr’i Jesosy, ary ny an’i Kornelio, ilay manamboninahitra tao amin’ny tafika, dia voavaly tamin’ny fomba izay tsy vitan’ny fahaizan’olombelona manao zavatra fotsiny. Ampianarin’ny Baiboly mazava àry fa ny vavaka mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra dia raisin’Andriamanitra, henoiny, ary valiany. — Daniela 10:2-14; 1 Samoela 1:1-20; 10:1-7; Asan’ny apostoly 4:24-31; 10:1-7.
Ahoana anefa no amalian’Andriamanitra ireo vavaka ataon’ny mpanompony mahatoky amin’izao andro izao?
Valim-bavaka
Ireo vavaka voatonona etsy ambony dia voavaly tamin’ny fomba nanaitra sy nahagaga. Tadidio kely anefa, fa na dia tamin’ny andron’ny Baiboly aza, ny valim-bavaka mateti-pitranga indrindra dia tsy mora navahana toy izany. Izany dia noho izy ireo nifandray tamin’ny fanomezana tanjaka ara-tsaina sy fahazavana, izay nahatonga ny mpanompon’Andriamanitra ho afaka hifikitra tamin’ny lalana marina. Ho an’ny kristiana, ny valim-bavaka dia mahafaoka indrindra raharaha ara-panahy, fa tsy asa mahatalanjona na asa amin-kery. — Kolosiana 1:9.
Noho izany, dia aza diso fanantenana raha tsy voavaly foana araka ny fomba antenainao na tianao kokoa ny vavaka ataonao. Ohatra, tsy hanaisotra ny fitsapana iray Andriamanitra fa mety hifidy ny hanome anao “hery mihoatra noho ny mahazatra” mba hiaretana izany. (2 Korintiana 4:7, NW; 2 Timoty 4:17). Tsy tokony hanamaivana na oviana na oviana ny hasarobidin’ny hery toy izany isika na hanao fanatsoahan-kevitra fa tsy tena namaly ny vavaka nataontsika akory Andriamanitra.
Hevero ny nanjo an’i Jesosy Kristy, izay tsy iza fa ny Zanak’Andriamanitra. Noho ny fanahiany ny ho faty toy ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra, dia nivavaka toy izao i Jesosy: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity”. Nohenoin’Andriamanitra tamim-pankasitrahana ve io vavaka io? Eny, araka izay hamarinina ao amin’ny Hebreo 5:7. Tsy nanafaka ny Zanany tamin’ny nilàna fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana i Jehovah. Tsy izany fa “nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy”. — Lioka 22:42-43.
Valim-bavaka nanaitra ve sa nahagaga izany? Ho antsika rehetra, dia izany tokoa! Fa ho an’i Jehovah Andriamanitra, ilay loharanon’io hery io, izany dia tsy fanaovan-javatra tsy mahazatra. Ary noho i Jesosy efa niaina tany an-danitra taloha, dia nahazatra azy ireo ohatra tamin’ny lasa izay nisehoan’ny anjely tamin’olona. Koa ny fisehoan’ny anjely iray àry dia tsy nisy heriny nanaitra taminy toy ny amintsika. Na dia izany aza, io anjely io, izay niharihary fa fantatr’i Jesosy manokana noho izy efa nisy talohan’ny naha-olombelona azy, dia nanampy mba hanatanjaka azy ho amin’ilay fitsapana nadiva hitranga.
Ho famaliana ny vavaka ataon’ireo mpanompony mahatoky amin’izao andro izao, dia matetika i Jehovah no manome ny tanjaka ilaina mba hiaretana. Io fanohanana io dia mety haka ny endriky ny fampaherezana avy amin’ny mpiara-manompo iarahantsika akaiky. Misy amintsika ve maniry handa izany fampaherezana izany, angamba amin’ny fanatsoahan-kevitra fa satria ireo mpiara-manompo amintsika tsy nandalo fitsapana toy ny antsika, dia tsy afaka manatanjaka antsika izy? Afaka nandray tsotra izao izany fomba fiheverana izany i Jesosy tamin’ilay anjely niseho taminy. Tsy nanao izany izy fa nanaiky ilay fampaherezana ho toy ny valim-bavaka avy amin’i Jehovah, ka noho izany dia afaka nanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy tamim-pahatokiana izy. Irintsika koa ny hanaiky amin-pankasitrahana ny tanjaka omen’Andriamanitra ho valin’ny vavaka nataontsika. Tsarovy koa fa ny vanim-potoana hiaretana amim-paharetana dia mazàna arahin’ny fitahiana tsy hay lazaina. — Mpitoriteny 11:6; Jakoba 5:11.
Matokia fa mihaino Andriamanitra
Aza manary toky ny amin’ny herin’ny vavaka mihitsy raha toa ka tsy mahazo valiny avy hatrany ianao. Ny valim-bavaka sasany, toy ireo fangatahana fanamaivanana manokana amin’ny fahoriana na andraikitra bebe kokoa ao amin’ny fanompoan’ny tena an’Andriamanitra, dia mety ho voatery hiandry ny fotoana izay fantatr’Andriamanitra fa mety sy tsara indrindra. (Lioka 18:7, 8; 1 Petera 5:6). Raha mivavaka ny amin’ny raharaha iray mampanahy mafy anao manokana ianao, dia asehoy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fikirizanao fa mafy ny fanirianao, ary madio sy marina ny antony manosika anao. Naneho izany toe-tsaina izany i Jakoba izay niteny toy izao rehefa avy nitolona mafy elaela tamin’ny anjely iray: “Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho”. (Genesisy 32:24-32). Tsy maintsy manana toky mitovy amin’izany isika, dia ny hoe: raha manohy mangataka isika, dia handray fitahiana amin’ny fotoana mety. — Lioka 11:9, NW.
Hevitra farany iray: Tombontsoa sarobidy ny fananana an’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao ho mpihaino. Noho izany, moa ve isika mihaino amim-pitandremana rehefa miresaka amintsika ny amin’ireo zavatra takiny i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny? Noho ny vavaka ataontsika mampanatona antsika akaiky dia akaiky ny Mpamorona antsika, dia irintsika ny hanisy fiheverana lehibe ny amin’izay rehetra tiany holazaina amintsika.
[Sary, pejy 6]
Mihaino vavaka Andriamanitra. Mihaino azy amin’ny alalan’ny Teniny ve isika?