Manompoa An’Andriamanitra Amin’ny Toe-tsaina Vonona Hanompo
“IZAHO dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (2 Korintiana 12:15). Milaza inona aminao momba ny fomba fijery sy ny toe-tsaina tokony hiezahan’ny mpanompon’i Jehovah hambolena ireo teny ireo? Araka ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, rehefa nanoratra ireo teny ireo ho an’ny Kristianina tany Korinto i Paoly, dia nilaza hoe: “Vonona ny handany ny heriko, sy ny fotoanako, sy ny aiko ary izay rehetra ananako aho mba hahasoa anareo, toy ny raim-pianakaviana iray izay faly manao izany ho an’ny zanany.” Vonona ny “holanina”, na “ho trotraka sy reraka”, i Paoly, raha nitaky izany ny fanatontosany ny fanompoany kristianina.
Ambonin’izany, dia “faly indrindra” i Paoly nanao izany rehetra izany. “Vonona tanteraka” ny hanao izany izy, hoy ny The Jerusalem Bible. Ahoana ny aminao? Vonona ny handany ny fotoananao, ny herinao, ny talentanao ary ny fanananao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fitadiavana ny tombontsoan’ny hafa ve ianao, na dia midika aza izany hoe ho “trotraka sy reraka” ianao indraindray amin’ny fanaovana izany? Ary ho “faly indrindra” hanao izany ve ianao?
Tsy mety manompo mihitsy izy ireo
Tsy vitan’ny hoe misalasala ny hanompo an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona, fa tsy mety manao izany tsotra izao izy ireo. Manana toe-tsaina tsy mahay mankasitraka, tsy tia miankina noho ny fitiavan-tena, eny, tia fikomiana mihitsy aza izy ireo. Nitaona an’i Adama sy i Eva hanana fomba fisaina toy izany i Satana. Nilaza zavatra diso izy, dia ny hoe “ho tahaka an’Andriamanitra” izy ireo, “hahalala ny tsara sy ny ratsy”, izany hoe ho afaka hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy. (Genesisy 3:1-5). Ny olona manana toe-tsaina mitovy amin’izany ankehitriny, dia mihevitra fa tokony hanana fahafahana tanteraka hanao izay rehetra iriny izy, ka tsy hanana adidy amin’Andriamanitra na ho sakantsakanany. (Salamo 81:11, 12). Ta hampiasa izay rehetra ananany mba hikatsahana ny tombontsoan’ny tenany manokana izy.—Ohabolana 18:1.
Angamba tsy manana fomba fihevitra tafahoatra toy izany ianao. Azo inoana fa tena mankasitraka ny aina izay nomena anao ianao, ary indrindra ilay fanantenana mbola mahatalanjona kokoa ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa. (Salamo 37:10, 11; Apokalypsy 21:1-4). Angamba velom-pankasitrahana tokoa noho ny hatsaram-pon’i Jehovah taminao ianao. Tokony ho mailo anefa isika rehetra manoloana ny loza avy amin’i Satana, satria afaka manolana ny fomba fisainantsika izy, ka mety hanjary ho tsy azon’Andriamanitra ekena, raha ny marina, ny fanompoantsika. (2 Korintiana 11:3). Ahoana no mety hitrangan’izany?
Fanompoana an-tsitrapo no takina
Fanompoana an-tsitrapo sy amin’ny fo manontolo no irin’i Jehovah. Tsy manery antsika mihitsy hanao ny sitrapony izy. I Satana no hanao izay rehetra azony atao mba hanerena na hitaomana ny olona hanao ny sitrapony. Raha ny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, dia miresaka tokoa ny amin’ny adidy, ny didy, ny fitsipika ary ny toy izany, ny Baiboly. (Mpitoriteny 12:13; Lioka 1:6). Na izany aza, ny antony manosika antsika voalohany indrindra hanompo an’Andriamanitra dia ny fitiavantsika azy.—Eksodosy 35:21; Deoteronomia 11:1.
Na nandany hery toy inona teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra aza i Paoly, dia fantany fa ho tsinontsinona izany raha ‘tsy nanana fitiavana izy’. (1 Korintiana 13:1-3). Rehefa lazain’ireo mpanoratra ny Baiboly fa mpanompon’Andriamanitra ny Kristianina, dia tsy fanompoana mampietry sady an-tery no tiany holazaina. (Romana 12:11; Kolosiana 3:24). Izany dia midika ho fanekena an-tsitrapo, miorina amin’ny fitiavana lalina amim-pahatsorana an’Andriamanitra sy an’i Jesosy Kristy Zanany.—Matio 22:37; 2 Korintiana 5:14; 1 Jaona 4:10, 11.
Tsy maintsy ahitana taratry ny fitiavana lalina ny olona koa ny fanompoantsika an’Andriamanitra. “Nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany”, hoy ny nosoratan’i Paoly ho an’ny kongregasiona tany Tesalonika. (1 Tesaloniana 2:7). Any amin’ny tany maro ankehitriny, dia takin’ny lalàna amin’ny reny ny hikarakarany ny zanany. Azo antoka anefa fa tsy manao izany ny ankamaroan’ny reny ho fankatoavana ny lalàna fotsiny, sa tsy izany? Tsia. Manao izany izy satria tia ny zanany. Faly manao sorona goavana ho an’ny zanany ny reny mitaiza iray! Koa satria nanana ‘fitiavana’ toy izany an’ireo nampiany i Paoly, dia ‘nazoto’ (“vonona”, King James Version; “faran’izay faly”, New International Version) nampiasa ny fiainany mihitsy izy mba hanampiana azy ireo. (1 Tesaloniana 2:8). Manosika antsika hanahaka ny ohatr’i Paoly ny fitiavana.—Matio 22:39.
Ahoana raha tsy marisika ny hanompo?
Mazava ho azy fa tsy tokony havelantsika hanan-danja kokoa noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olona ny fitiavantsika ny tenantsika. Raha tsy izany, dia tena mety hitranga ny hoe mety tsy harisika no sady tsy hafana fo eo amin’ny fanompoana ataontsika isika. Mety hanomboka ho sosotra mihitsy aza isika, satria malahelo fa tsy afaka mitondra ny fiainantsika araka izay aniriantsika azy tanteraka. Izany no nitranga tamin’ny Isiraelita sasany, izay tsy nanana fitiavana an’Andriamanitra intsony, kanefa mbola nanompo azy ihany noho ny fahatsapana adidy. Inona no vokany? Nanjary “hasasarana” taminy, ny fanompoana an’Andriamanitra.—Malakia 1:13.
Ny fanatitra rehetra natolotra an’Andriamanitra dia tokony ho ‘tsy nisy kilema’ sady ny “tsara indrindra” foana. (Levitikosy 22:17-20; Eksodosy 23:19, NW). Tsy nanome ny bibiny tsara indrindra ho an’i Jehovah anefa ireo olona tamin’ny andron’i Malakia, fa nanomboka nanolotra an’ireo izay tena tsy tiany kosa. Ahoana no fihetsik’i Jehovah? Nilaza tamin’ny mpisorona izy hoe: “Raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra,—tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo,—tsy ratsy hoe izany! Atero ho an’ny governora manapaka anao ange izany,—moa hahazo sitraka na fitia aminy va hianao? (...) Entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ny tànanareo va Aho?”—Malakia 1:8, 13.
Ahoana no mety hitrangan’izany amin’ny iray amintsika? Mety hanjary “hasasarana” ho antsika ny sorona ataontsika, raha tsy amin’ny fo sy saina tena vonona tsara no anaovantsika izany. (Eksodosy 35:5, 21, 22; Levitikosy 1:3; Salamo 54:6; Hebreo 13:15, 16). Ohatra, ny ambinambin’ny fotoanantsika ve no azon’i Jehovah?
Tena azo eritreretina ve fa ho neken’Andriamanitra raha nisy havana tsara fikasa iray, na Levita be zotom-po iray nanery Isiraelita iray hifidy ny bibiny tsara indrindra mba hatao fanatitra, kanefa tsy narisika sady tsy ta hanolotra izany izy? (Isaia 29:13; Matio 15:7, 8). Nolavin’i Jehovah ireny fanatitra ireny, ary tamin’ny farany, dia nolaviny ireo nanolotra azy ireny.—Hosea 4:6; Matio 21:43.
Finaritra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra
Mba hanolorana ho an’Andriamanitra ny fanompoana hekeny, dia tsy maintsy manaraka ny ohatr’i Jesosy Kristy isika. “Tsy mitady ny sitrapoko Aho”, hoy izy, “fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 5:30). Nahita fifaliana be tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra an-tsitrapo i Jesosy. Izy dia nanatanteraka ny teny ara-paminanian’i Davida hoe: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako”.—Salamo 40:8.
Na dia finaritra ny hanao ny sitrapon’i Jehovah aza i Jesosy, dia tsy mora foana izany. Diniho izay nitranga taloha kelin’ny nisamborana sy ny nitsarana ary ny namonoana azy. Fony izy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, dia “fadiranovana loatra” i Jesosy. Mafy tokoa ny fanerena ara-pihetseham-po, ka “ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany”, rehefa nivavaka izy.—Matio 26:38; Lioka 22:44.
Nahoana no nijaly mafy toy izany i Jesosy? Azo antoka fa tsy noho ny fiahiany izay hahasoa ny tenany na ny tsy faharisihany hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Vonona ny ho faty izy, ary nisafoaka mihitsy aza rehefa nilaza i Petera hoe: “Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!” (Matio 16:21-23). Ny nampanahy an’i Jesosy, dia ny ho fiantraikan’ny fahafatesany eo amin’i Jehovah sy ny anarany masina, satria ho faty toy ny mpanao heloka bevava nohamavoina izy. Fantatr’i Jesosy fa halahelo mafy ny Rainy, rehefa hahita ny fitondrana ny Zanany amin-kabibiana toy izany.
Takatr’i Jesosy koa fa efa nanakaiky ny fotoana tena lehibe iray teo amin’ny fanatontosana ny fikasan’i Jehovah izy. Ny fifikirana tamim-pahatokiana tamin’ny lalàn’Andriamanitra dia hampiseho mazava fa afaka nanao safidy nitovy tamin’izany koa i Adama. Ny fahatokian’i Jesosy dia hampiharihary fa diso tanteraka ny fanizingizinan’i Satana fa tsy hanompo an’Andriamanitra an-tsitrapo sy amim-pahatokiana ny olombelona, rehefa ao anatin’ny fitsapana. Amin’ny alalan’i Jesosy, dia hanorotoro an’i Satana sy hanaisotra ny vokatry ny fikomiany i Jehovah, amin’ny farany.—Genesisy 3:15.
Andraikitra goavana tokoa no nitambesatra tamin’i Jesosy! Ny anaran’ny Rainy, ny fiadanana manerana izao rehetra izao, ary ny famonjena ny fianakavian’olombelona dia niankina tamin’ny fahatokian’i Jesosy daholo. Nahatakatra izany izy, ka nitalaho hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Matio 26:39). Na dia tao anatin’ny fihenjanana faran’izay mafy aza, dia tsy niahotra i Jesosy, fa vonona ny hanaiky ny sitrapon’ny Rainy foana.
‘Mety ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery’
Koa satria i Jesosy nahatsapa fihenjanana ara-pihetseham-po mafy teo amin’ny fanompoany an’i Jehovah, dia azontsika ampoizina koa fa hampihatra fanerena amintsika mpanompon’Andriamanitra i Satana. (Jaona 15:20; 1 Petera 5:8). Ambonin’izany, dia tsy lavorary isika. Koa na dia manompo an’Andriamanitra an-tsitrapo aza isika, dia tsy ho mora amintsika ny hanao izany. Hitan’i Jesosy fa niady mafy ny apostoliny, mba hanaovana izay rehetra nasainy natao. Izany no antony nilazany hoe: “Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.” (Matio 26:41). Tsy nisy fahalemena raiki-tampisaka tao amin’ny nofon’olombelona lavorary nananany. Ny fahalemen’ny nofon’ny mpianany anefa no tao an-tsainy, dia ilay tsy fahalavorariana nolovan’izy ireo tamin’i Adama, izay tsy lavorary. Fantatr’i Jesosy fa noho ny tsy fahalavorariana nolovan’izy ireo, izay mametra ny mety ho vitany, dia hiady mafy izy ireo mba hanatontosana izay rehetra tiany hatao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Koa mety hitovy fihetseham-po amin’ny apostoly Paoly àry isika, dia izy izay nalahelo mafy rehefa nanakana azy tsy hanompo an’Andriamanitra tamin’ny fomba feno ny tsy fahalavorariana. “Ato anatiko ihany ny fikasana”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.” (Romana 7:18). Isika koa dia mahita fa tsy afaka manatontosa amin’ny fomba feno ny zavatra tsara rehetra irintsika hatao isika. (Romana 7:19). Tsy hoe noho isika tsy marisika akory, fa noho ny fahalemen’ny nofontsika fotsiny, izay manakantsakana na dia ny ezaka tsara indrindra ataontsika aza.
Aoka isika tsy ho kivy. Raha vonona amim-pahatsorana ny hanao izay rehetra azontsika atao isika, dia azo antoka fa hanaiky ny fanompoantsika Andriamanitra. (2 Korintiana 8:12). Enga anie isika “hazoto” hanahaka ny toe-tsain’i Kristy, dia ny fanekena tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. (2 Timoty 2:15; Filipiana 2:5-7; 1 Petera 4:1, 2). Hamaly soa sy hanohana ny toe-tsaina vonona hanompo toy izany i Jehovah. Hanome antsika ny “hery mihoatra noho ny mahazatra” izy mba hanonerana ny fahalementsika. (2 Korintiana 4:7-10, NW). Noho ny fanampian’i Jehovah, dia ho “faly indrindra [isika] handany sy holanina”, toa an’i Paoly, eo amin’ny fanompoana sarobidy atao ho an’i Jehovah.
[Sary, pejy 21]
Nanompo an’Andriamanitra an-tsitrapo sy araka ny fara fahaizany i Paoly
[Sary, pejy 23]
Na dia tao anatin’ny fihenjanana faran’izay mafy aza, dia nanao ny sitrapon’ny Rainy i Jesosy