Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
Ireo Fandavana tao amin’ny kianjan’ny trano
TAORIAN’NY nandaozany an’i Jesosy tao amin’ny sahan’i Getsemane ka nandosirany tamin-tahotra niaraka tamin’ny sisa tamin’ny apostoly, dia niato teny am-pandosirana ry Petera sy Jaona. Angamba izy ireo nahatratra an’i Jesosy fony izy nentina ho any an-tranon’i Anasy. Rehefa nandefa azy ho any amin’i Kaiafa mpisoronabe i Anasy, dia nanaraka teny lavidavitra teny ry Petera sy Jaona, toa niroa saina noho ny fahatahorana ny hamoy ny ainy sy ny fanahiana mafy ny amin’izay hitranga amin’ny Tompony.
Rehefa tonga tao amin’ny fonenana malalak’i Kaiafa i Jaona dia afaka niditra tao an-kianjan’ny trano, satria fantatry ny mpisoronabe izy. I Petera anefa nijanona tany ivelany teo am-bavahady. Nefa tsy ela i Jaona dia niverina ary niteny tamin’ny mpiandry vavahady, mpanompovavy iray, ka nahazo niditra i Petera.
Izao dia efa nangatsiaka ny andro, ka nanao afon’arina ireo mpanompo sy mpiandry raharahan’ny mpisoronabe. Nanatona azy ireo mba hamindro i Petera teo am-piandrasana ny fiafaran’ny fitsarana an’i Jesosy. Teo, tamin’ny alalan’ny hazavan’ilay afo, dia nandinika azy kokoa ilay mpiandry varavarana namela an’i Petera hiditra. “Hianao koa nomba an’i Jesosy, ilay Galiliana.” hoy ny fihiakany.
Sosotra noho izy nisy nahafantatra i Petera, ka nanda ho tsy nahalala an’i Jesosy na oviana na oviana teo anatrehan’izy rehetra. “Tsy fantatro [izy, MN] sady tsy azoko ny teninao”, hoy izy.
Tamin’izay i Petera dia niala nankeny akaikin’ny vavahady. Teo, dia nahita azy ny ankizivavy hafa anankiray ka nilaza tamin’izay nitsangana teo hoe: “Ity koa nomba an’i Jesosy avy any Nazareta.” Nolavin’i Petera ihany koa izany tamin’ny fianianana hoe: “Tsy fantatro izany Lehilahy izany.”
Nijanona tao amin’ny kianjan’ny trano i Petera, niezaka araka izay azo atao mba tsy ho hita. Angamba tamin’io fotoana io izy dia taitra tampoka tamin’ny fanenon’ny akoho iray tao amin’ny haizin’ny vao mazava ratsy. Nandritra izany fotoana izany, dia nandroso ny fitsarana an’i Jesosy, izay niharihary fa natao tao amin’ny tapany iray amin’ny trano tao ambonin’ny kianjan’ny trano. Angamba i Petera sy ireo hafa izay niandry tao ambany nahita ny fivezivezen’ireo vavolombelona samihafa nentina tao mba hanamarina.
Tokony ho adiny iray teo ho eo no lasa hatramin’ny nahafantarana farany an’i Petera ho naman’i Jesosy. Nanatona azy izao ny sasany tamin’izay nijanona teo ka nanao hoe: “Marina tokoa fa naman’ireny hianao; fa ny fiteninao miampanga anao.” Havan’i Malko, ilay notapahin’i Petera ny sofiny, ny iray tamin’io antokon’olona io. “Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va hianao?” hoy izy.
“Tsy fantatro izany Lehilahy izany!” hoy i Petera nanizingizina mafy. Raha ny marina, tamin’ny fiozonana sy fianianana, izany hoe tamin’ny fiantsoana loza ho an’ny tenany raha tsy milaza ny marina izy, dia niezaka izy hampiaiky azy ireo fa diso hevitra izy rehetra.
Vao nanao io fandavana fanintelony io i Petera dia nisy akoho naneno. Ary tamin’izay fotoana izay i Jesosy, izay toa nivoaka ho eo an-davarangana ambonin’ny kianjan’ny trano, dia nitodika ary nijery azy. Niaraka tamin’izay, dia tsaroan’i Petera izay nolazain’i Jesosy ora vitsivitsy monja talohan’izay, tao amin’ny efitrano ambony nanao hoe: “Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handa Ahy intelo hianao.” Resy tanteraka noho ny havesatry ny fahotana nataony i Petera ka nivoaka tany ivelany ary nitomany fatratra.
Ahoana no netezan’ny fitrangan’izany? Rehefa avy natoky aoka izany ny amin’ny fahatanjahany ara-panahy i Petera, ahoana no nahafahany nanda ny Tompony intelo nisesy haingana? Tsy isalasalana fa nanampoka an’i Petera ny fitrangan’ireo tarehin-javatra. Naolana ny fahamarinana, ary naseho ho toy ny mpanao heloka bevava naharikoriko i Jesosy. Noho izany dia toa diso ny marina ary toy ny meloka ny tsy nanan-tsiny. Noho ny faneren’ny zava-nitranga dia voatosika ho lavo i Petera. Nisafotofoto tanteraka tampoka izay ninoany momba ny fahatokiana. Tsy nahatohitra noho ny tahotra olona izy ka nitondra alahelo be ho azy izany. Enga anie ka tsy hitranga amintsika na oviana na oviana izany! Matio 26:57, 58, 69-75; Marka 14:30, 53, 54, 66-72; Lioka 22:54-62; Jaona 18:15-18, 25-27.
▪ Ahoana no nahafahan-dry Petera sy Jaona niditra tao amin’ny kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe?
▪ Fony tao amin’ny kianjan’ny trano ry Petera sy Jaona, inona no nitranga tao an-trano?
▪ Naneno impiry ny akoho, ary ahoana no nandavan’i Petera imbetsaka ho tsy nahalala an’i Kristy?
▪ Milaza inona ny fiozonan’i Petera sy ny fianianany?
▪ Inona no nahatonga an’i Petera handa ho tsy nahalala an’i Jesosy?