Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
Teo anatrehan’ny Synedriona, avy eo dia tany amin’i Pilato
NIFARANA tsikelikely ny alina. Avy nanda an’i Jesosy intelo i Petera, ary vao avy nahavita ny fitsarany anarany fotsiny ireo mpikambana tao amin’ny Synedriona ka efa niparitaka. Kanefa mbola nivory indray izy ireo ny zoma maraina be, ka tamin’ity indray mandeha ity dia tao amin’ny efitranon’ny Synedrionan’izy ireo. Ny zava-nokendreny dia azo inoana fa ny hanome endrika ara-dalàna ilay fitsarana nataony iny alina iny. Rehefa nentina teo anatrehany i Jesosy, dia niteny toy izao toy ny nataony nandritra ny alina ihany izy ireo: “Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay.”
“Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino hianareo”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory hianareo.” Kanefa nampahafantatra tamin-kerim-po ny tenany izy tamin’ny filazana hoe: “Hatramin’izao ny Zanak’olona dia hipetraka eo an-tànana ankavanan’ny herin’Andriamanitra.”
“Zanak’Andriamanitra va ary Hianao?”, hoy izy rehetra ta hahafantatra.
“Voalazanareo fa Izaho no Izy”, hoy i Jesosy namaly.
Ho an’ireo lehilahy nanam-pikasana ny hamono azy ireo, izany valin-teny izany dia ampy. Noheverin’izy ireo ho fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany. “Ka inona indray no ilantsika vavolombelona?”, hoy izy nanontany. “Fa ny tenantsika no efa nandre tamin’ny vavany.” Namatotra an’i Jesosy àry izy ireo, ary nitondra azy ka nanolotra azy teo amin’ilay governora romana atao hoe Pontio Pilato.
I Jodasy, ilay namadika an’i Jesosy, dia nitazana ny fandehan’ilay fitsarana. Rehefa nahita izy fa nohelohina i Jesosy, dia nanenina. Nankany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona àry izy mba hamerina ny sekely volafotsy telopolo, ka nanazava hoe: “Nanota aho, satria, namadika ra marina.”
“Ahoanay izany? fa asa anao”, hoy ny navalin’izy ireo tsy nihetsi-po akory. Natsipin’i Jodasy tao amin’ny tempoly àry ireo sekely volafotsy ka lasa nandeha izy ary nanandrana nananton-tena. Kanefa toa tapaka ilay rantsan-kazo namatoran’i Jodasy ilay tady, ary potraka teo amin’ny vato teo ambany ny vatany ka nipoaka.
Tsy azon’ny lohan’ny mpisorona antoka loatra izay tokony hatao tamin’ireo sekely volafotsy. “Tsy mety raha alatsaka ao amin’ny rakitry ny tempoly io”, hoy ny famaranan-keviny, “fa vidin-dra.” Rehefa avy niara-nihevitra àry izy ireo, dia nividianany ny sahan’ny mpanefy vilany ho fandevenam-bahiny ilay vola. Nanjary natao hoe “Sahan-dra” ny anaran’ilay saha noho izany.
Mbola vao maraina koa ny andro rehefa nentina ho any amin’ny rovan’ny governora i Jesosy. Tsy nety niditra tao anefa ireo Jiosy nanaraka azy satria nino fa handoto azy ny fiarahana akaiky toy izany tamin’ny Jentilisa. Mba hanarahana ny sitrapony àry, dia nivoaka teo ivelany i Pilato. “Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?”, hoy izy nanontany.
“Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao”, hoy ny navalin’izy ireo.
Naniry ny tsy hiditra tamin’izany i Pilato ka namaly hoe: “Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo.”
Nampiharihary ny fikasany hamono ireo Jiosy ka nihiaka hoe: “Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona”. Marina tokoa fa raha namono an’i Jesosy nandritra ny fankalazana ny Paska izy ireo, dia azo inoana fa ho niteraka tabataba be teo amin’ny vahoaka izany, satria nanam-piheverana ambony an’i Jesosy ny maro teo aminy. Raha vitany anefa ny hampiaiky ny Romana mba hamono azy noho ny antony ara-politika, izany dia hanafaka azy ireo tsy ho tompon’andraikitra ny amin’izany eo imason’ny vahoaka.
Tsy nanonona ilay fitsarana teo aloha nanamelohan’izy ireo an’i Jesosy ho mpiteny ratsy an’Andriamanitra àry ireo filoha ara-pivavahana, fa namorona fiampangana hafa indray. Nanolotra fiampangana nisy lafiny telo izy ireo: “Ilehity hitanay [1] nampiodina ny firenenay sady [2] nandrara tsy handoa hetra ho an’i Kaisara ka [3] nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.”
Ilay fiampangana fa i Jesosy dia nihambo ho mpanjaka no notazonin’i Pilato. Niditra tao anaty rova indray àry izy ka nampiantso an’i Jesosy ary nanontany azy hoe: “Hianao va no Mpanjakan’ny Jiosy?” Raha lazaina amin’ny teny hafa, moa ve ianao nandika ny lalàna tamin’ny fanambaranao ny tenanao ho mpanjaka ho fanoherana an’i Kaisara?
Naniry hahafantatra izay efa ren’i Pilato momba azy i Jesosy ka nanontany izy hoe: “Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?”
Nampiharihary ny tsy fahafantarany ny aminy i Pilato ary koa ny faniriana hahalala ny tena zava-misy. “Moa aho Jiosy?”, hoy ny navaliny. “Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?”
I Jesosy akory tsy nanandrana velively ny hiala tamin’ilay raharaha, izay mahakasika ny maha-mpanjaka azy. Tsy isalasalana fa nahagaga an’i Pilato ny valin-teny nomen’i Jesosy izao. Lioka 22:66–23:3; Matio 27:1-11; Marka 15:1; Jaona 18:28-35; Asan’ny apostoly 1:16-20.
◆ Inona no zava-nokendren’ny Synedriona rehefa nivory indray izy ireo tamin’ny maraina?
◆ Tamin’ny fomba ahoana no nahafatesan’i Jodasy, ary natao inona ireo sekely volafotsy telopolo?
◆ Nahoana ireo Jiosy no naniry ho ny Romana no hamono an’i Jesosy fa tsy ny tenany ihany no hamono azy toy ny nandramany natao tamin’ny toe-javatra hafa teo aloha?
◆ Fiampangana inona avy no nataon’ireo Jiosy tamin’i Jesosy?