Nahoana no Mamela Heloka?
INDRAY mandeha, ilay manam-pahaizana sy mpanoratra jiosy atao hoe Joseph Jacobs dia nilazalaza ny famelan-keloka ho “ny ambony indrindra sy sarotra indrindra amin’ny lesona ara-pitondran-tena rehetra”. Eny tokoa, maro no mahita ireo teny hoe “Mamela anao aho”, ho tena sarotra lazaina.
Toa misy itoviana amin’ny vola ny famelan-keloka. Azo lanina amim-pahalalahan-tanana sy amim-pamindram-po amin’ny hafa izy io na azo fihinina amim-pahihirana ho an’ny tena. Ilay voalohany no fomba araka an’Andriamanitra. Tokony hamboly fahazarana mandany amim-pahalalahan-tanana isika, mahakasika ny famelan-keloka. Nahoana? Satria mampirisika izany Andriamanitra ary satria mety hanaratsy ny toe-draharaha fotsiny ny toe-tsaina tsy tia mamela heloka sy ta hamaly faty.
Fandre matetika ireto teny ireto: “Tsy tezitra aho, fa mamaly faty!” Mampalahelo fa fotopoto-pitsipika mitari-dalana eo amin’ny fiainan’olona maro io filazana io amin’izao andro izao. Tsy nety niresaka tamin’ny zaobaviny nandritra ny fito taona mahery, ohatra, ny vehivavy iray, satria araka ny filazany, dia “novasohiny mafy aho ka tsy afaka namela azy mihitsy”. Kanefa ny tsy fifampitenenana toy izany, rehefa ampiasaina ho toy ny fitaovana fanerena mba hisokirana fialan-tsiny avy amin’ilay ampangaina na ampiasaina ho toy ny fiadiana izay hanasaziana, dia mahalana no manome fahafaham-po ny faniriana hamaly faty. Mety hampitarazoka fotsiny ilay fifandirana anefa izany, ka hamela ny otri-po hitombo tanteraka. Raha tsy tapahina izany fe-potoan’ny fangirifiriana lava izany, dia afaka manimba ny fifandraisana sy ny fahasalaman’ny tena mihitsy aza ireo fangejana maherin’ny valy faty.
Ny fanimban’ny fironana tsy ho tia mamela heloka
Rehefa tsy mamela heloka ny olona iray, dia miteraka fihenjanana ilay fifanoherana vokatr’izany. Avy eo, ilay fihenjanana dia afaka mitarika ho amin’ny aretina mafy. Nanoratra toy izao ny Dr. William S. Sadler: “Tsy misy afaka mahatakatra amin’ny fomba feno aoka izany toy ny dokotera, ny ampahany lehibe mahatalanjona amin’ny aretina sy ny fahorian’olombelona izay azo mivantana avy amin’ny fanahiana, ny tahotra, ny fifanoherana, (...) ny fisainana tsy mahasoa sy ny fomba fiaina tsy madio.” Toy inona tokoa anefa ny fahavoazana ateraky ny fikorontanana ara-pihetseham-po? Mamaly toy izao ny zavatra vita an-tsoratra ara-pitsaboana iray: “Ireo antontan’isa (...) dia nanondro fa nanana famantaran’aretina nateraky ny fihenjanana ara-tsaina na noharatsin’izany ny androatokon’ireo marary izay nanatona dokotera.”
Eny, tsy hoe tsy mampaninona velively ny lonilony sy ny fahasosorana ary ny lolompo. Tahaka ny harafesina izay mikiky moramora ny vatan’ny fiarakodia iray ireny fihetseham-po mikiky ireny. Mety hiseho ho tsara tarehy ny ivelan’ilay fiarakodia, kanefa ao ambanin’ny loko dia mitranga ny fisehoan-javatra manimba iray.
Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia afaka manimba antsika amin’ny lafiny ara-panahy koa ny fandavantsika tsy hamela heloka rehefa misy antony tokony hamindrana fo. Eo imason’i Jehovah Andriamanitra, dia mety ho tonga tahaka an’ilay mpanompo tao amin’ny fanoharan’i Jesosy isika. Navelan’ny tompony ny trosa be dia be nananan’ilay mpanompo. Kanefa, rehefa niangavy azy mba hamela trosa kely dia kely raha ampitahaina amin’izany ny mpanompo namany, dia sarotsarotiny izy ary tsy namela. Nasehon’i Jesosy mazava fa raha tsy vonona ny hamela heloka toy izany koa isika, dia handa ny hamela ny fahotantsika i Jehovah. (Matio 18:21-35). Noho izany, raha tsy mamela heloka isika, dia mety hamoy ny feon’ny fieritreretana madio ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fanantenantsika ho amin’ny hoavy mihitsy aza! (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 1:3.) Inona àry no azontsika atao?
Mianara mamela heloka
Avy amin’ny fo ny tena famelan-keloka. Mahafaoka famelana ny fahadisoan’ilay nanafintohina sy fialana amin’izay rehetra mety ho faniriana hamaly faty izany. Araka izany, ny fampiharana ny rariny amin’ny farany sy ny mety ho famaliana dia avela eo am-pelatanan’i Jehovah. — Romana 12:19.
Tsy maintsy marihina anefa fa, satria “ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina”, dia tsy mirona foana hamela heloka izy io na dia rehefa tokony hanao izany aza. (Jeremia 17:9). Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy”. — Matio 15:19.
Soa ihany fa azo zarina hanao izay marina ny fontsika. Kanefa, ilay fanazarana ilaintsika dia tsy maintsy avy amin’ny loharano ambony iray. Tsy afaka manao izany irery isika. (Jeremia 10:23). Niaiky izany ny mpanao salamo iray nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra ka nivavaka mba hahazo ny fitarihan’Andriamanitra. Nitalaho tamin’i Jehovah tamim-bavaka toy izao izy: “Ampianaro ahy ny didinao. Ampahalalao ahy ny làlan’ny didinao”. — Salamo 119:26, 27.
Araka ny salamo hafa iray, i Davida Mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahizay dia nanjary ‘nahalala ny lalan’i’ Jehovah. Nahatsapa izany nivantana izy ary nianatra avy tamin’izany. Koa amin’izany, dia afaka nilaza toy izao izy: “Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy”. — Salamo 103:8, 13.
Mila ny mianatra toy ny nataon’i Davida isika. Ianaro amim-pahatsorana ny ohatra lavorary amin’ny famelan-keloka navelan’Andriamanitra, ary koa ny an’ny Zanany. Araka izany, dia afaka mianatra ny mamela heloka avy amin’ny fo isika.
Mety hanontany ara-drariny toy izao anefa ny sasany: Ahoana ny amin’ny fahotana lehibe? Tsy maintsy avela ve ny fahotana rehetra?
Fitadiavana fahaiza-mandanjalanja
Rehefa nalam-baraka mafy ny olona iray, dia mety ho lehibe dia lehibe ilay fanaintainana. Marina indrindra izany raha toa ny tena ka ilay niharam-pahavoazana tsy manan-tsiny tamin’ny fahotana lehibe iray. Mety hanontany tena mihitsy aza ny sasany hoe: ‘Ahoana no ahafahako mamela olona iray izay namadika sy nandratra ahy tamin-kalozana?’ Rehefa sendra fahotana lehibe iray izay mety ho mendrika ny fandroahana ilay niharam-pahavoazana dia mety hila ny hampihatra ny torohevitra ao amin’ny Matio 18:15-17.
Na ahoana na ahoana, dia mety hiankina amin’ilay nanafintohina ny zavatra maro. Hatramin’ny fotoan’ilay fanaovan-dratsy, nisy ve famantarana fibebahana amim-pahatsorana? Niova ve ilay nanota, angamba nanandrana ny hanonitra marina mihitsy aza? Eo imason’i Jehovah, ny fibebahana toy izany dia fanalahidin’ny famelan-keloka, na dia rehefa sendra fahotana tena mahatsiravina aza. Ohatra, namela ny helok’i Manase, iray tamin’ireo mpanjaka faran’izay ratsy fanahy indrindra teo amin’ny tantaran’ny Isiraely, i Jehovah. Nifototra tamin’inona moa izany? Nanao izany Andriamanitra satria nanetry tena i Manase tamin’ny farany ary nibebaka tamin’ny lalana naharikoriko narahiny. — 2 Tantara 33:12, 13.
Ao amin’ny Baiboly, ny tena fibebahana dia mahafaoka fiovana amim-pahatsorana eo amin’ny fihetsika, fanenenana avy amin’ny fo noho izay mety ho ratsy natao. Rehefa mifanentana sy azo atao izany, ny fibebahana dia arahin’ny ezaka hanao fanonerana amin’ilay niharam-pahavoazana tamin’ilay fahotana. (Lioka 19:7-10; 2 Korintiana 7:11). Amin’ny toe-javatra tsy isian’ny fibebahana toy izany, i Jehovah dia tsy mamela heloka.a Ambonin’izany, Andriamanitra dia tsy manantena an’ireo Kristiana mba hamela an’ireo izay efa nohazavaina tamin’ny lafiny ara-panahy kanefa zatra manao ratsy an-tsitrapo sy amin’ny fomba tsy misy fibebahana ankehitriny. (Hebreo 10:26-31). Amin’ny toe-javatra efa lasa lavitra, ny famelan-keloka dia mety ho tsy mifanentana mihitsy. — Salamo 139:21, 22; Ezekiela 18:30-32.
Na azo atao ny famelan-keloka na tsia, dia mety haniry ny handinika fanontaniana hafa ny niharam-pahavoazana iray tamin’ny fahotana lehibe: Tsy maintsy mitoetra ao anatin’ny fikorontanana ara-pihetseham-po mafy ve aho, ka hahatsiaro tena ho voaratra sy tezitra mafy, mandra-pilamin’ilay raharaha tanteraka? Diniho itỳ ohatra iray itỳ. Nahatsiaro ho voaratra mafy i Davida Mpanjaka fony i Joaba jeneraliny namono an’i Abnera sy i Amasa, “olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy [Joaba]”. (1 Mpanjaka 2:32). Nampiseho ny fahatezerany sy ny alahelony tamin’ny teny ary tsy isalasalana fa tamin’i Jehovah tamim-bavaka, i Davida. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia azo inoana fa nihatony ny hamafin’ny fihetseham-pon’i Davida. Tsy notapahin’ny fahatezerana sy ny alahelo hatramin’ny faran’ny androm-piainany izy. Nanohy niara-niasa tamin’i Joaba mihitsy aza i Davida, kanefa tsy namela fotsiny io mpamono olona tsy nibebaka io izy. Nataon’i Davida azo antoka fa nampiharina ny rariny tamin’ny farany. — 2 Samoela 3:28-39; 1 Mpanjaka 2:5, 6.
Mety hila fotoana sy ezaka sasany ireo voaratra tamin’ny fahotana lehibe nataon’ny hafa vao ho sitrana amin’ilay fahatezerany voalohany. Mety ho moramora kokoa ilay fanasitranana rehefa miaiky ny ratsy nataony ilay nanafintohina ka mibebaka. Kanefa, tokony ho afaka hahita fampiononana sy fanamaivanana ny alahelo amin’ny fahalalany ny rariny sy ny fahendren’i Jehovah ary ao amin’ny kongregasiona kristiana ilay niharam-pahavoazana tsy manan-tsiny, na toy inona na toy inona lalana arahin’ilay nanao ratsy.
Ekeo koa fa rehefa mamela tokoa ny olona iray nanota ianao, dia tsy midika izany fa manala tsiny ilay fahotana ianao. Ho an’ny Kristiana, ny famelan-keloka dia midika famelana amim-patokiana ilay raharaha eo am-pelatanan’i Jehovah. Izy no Mpitsara marina an’izao rehetra izao, ary hampihatra ny rariny amin’ny fotoana mety izy. Hahafaoka ny fitsarana ireo “mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona” mamitaka izany. — Hebreo 13:4.
Ireo soa raisina avy amin’ny famelan-keloka
Nihira toy izao i Davida mpanao salamo: “Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady [vonona ny hamela, NW ] heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao.” (Salamo 86:5). Moa ve ianao, tahaka an’i Jehovah, “vonona ny hamela heloka”? Be dia be ny soa raisina avy amin’izany.
Voalohany, ny famelana ny hafa dia mampandroso ny fifandraisana tsara. Mampirisika an’ireo Kristiana toy izao ny Baiboly: “Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” — Efesiana 4:32.
Faharoa, ny famelan-keloka dia mitondra fiadanana. Tsy fiadanana miaraka amin’ny olona tahaka ny tena fotsiny izany fa fiadanana anaty koa. — Romana 14:19; Kolosiana 3:13-15.
Fahatelo, ny famelana ny hafa dia manampy antsika hitadidy fa mila famelan-keloka koa ny tenantsika. Eny, “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. — Romana 3:23.
Farany, ny famelana ny hafa dia misava ny lalana ho amin’ny famelan’Andriamanitra ny fahotantsika. Hoy i Jesosy: “Raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.” — Matio 6:14.
Eritrereto ireo zavatra maro izay tsy maintsy nitana ny sain’i Jesosy tamin’ny tolakandron’ny hahafatesany. Nanahy momba ireo mpianany sy ny asa fitoriana ary indrindra momba ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah, izy. Kanefa, na dia rehefa nijaly mafy aza izy teo amin’ny hazo fijaliana, ny amin’inona no noresahiny? Anisan’ny teny farany nolazainy ny hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony”. (Lioka 23:34). Afaka manahaka ny ohatra lavorary navelan’i Jesosy isika amin’ny fifamelana avy amin’ny fo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Kanefa, tena manisy fiheverana ireo anton-javatra hafa i Jehovah rehefa manapa-kevitra raha hamela heloka. Ohatra, raha tsy mahalala ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ny mpanao ratsy iray, dia mety hampihena ny fahavesaran’ilay heloka izany tsy fahalalana izany. Fony nangataka tamin-dRainy mba hamela ireo namono azy i Jesosy, dia hita porofo fa niresaka ny amin’ireo miaramila romana izay namono azy ho faty izy. ‘Tsy fantany izay nataony’, noho izy ireo tsy nahalala hoe iza marina moa izy. Kanefa, ireo filoha ara-pivavahana izay tao ambadik’izany famonoana izany dia nanan-keloka lehibe kokoa, ary ho an’ny maro tamin’izy ireo, dia tsy nety hisy ny famelan-keloka. — Jaona 11:45-53; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:30.
[Sary, pejy 5]
Azonao ve ny hevi-dehibe tamin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy momba ilay mpanompo tsy namela heloka?
[Sary, pejy 7]
Ny famelana ny hafa dia mampandroso ny fifandraisana tsara sy mitondra fahasambarana