-
“I Kristy no Isehoan’ny Herin’Andriamanitra”Manatòna An’i Jehovah
-
-
‘Niavaka tamin’ny zavatra nolazainy’
8. Inona no hery nananan’i Jesosy, rehefa voahosotra izy, ary ahoana no nampiasany izany?
8 Tsy nanao fahagagana i Jesosy, tamin’izy ankizilahy nipetraka tany Nazareta. Niova anefa izany, rehefa vita batisa izy, tamin’ny taona 29, tamin’izy 30 taona teo ho eo. (Lioka 3:21-23) Hoy ny Baiboly: “Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina sy nomeny hery izy ka nandeha eran’ilay faritra. Ary nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly izy.” (Asan’ny Apostoly 10:38) Tsy milaza ve ilay hoe “nanao soa” fa nampiasa ny heriny mba hanampiana ny hafa izy? Nanjary ‘mpaminany niavaka tamin’ny zavatra nataony sy nolazainy’ izy, rehefa voahosotra.—Lioka 24:19.
9-11. a) Taiza i Jesosy matetika no nampianatra, ary inona no tsy maintsy nataony tamin’izany? b) Nahoana no talanjona tamin’ny fomba fampianatr’i Jesosy ny olona?
9 Nahoana i Jesosy no lazaina hoe nahery tamin’ny teny? Matetika izy no nampianatra teny an-kalamanjana, teny amorom-parihy, ohatra, na teny an-tehezan-tendrombohitra, na teny an-dalana sy teny an-tsena. (Marka 6:53-56; Lioka 5:1-3; 13:26) Niala teo fotsiny ny mpihaino azy, raha tsy nahaliana ny zavatra nolazainy. Tsy maintsy nitadidy sy nandatsaka am-po ny olona nihaino tsara tamin’izany, satria mbola tsy nisy ny boky. Tsy maintsy ho tena nahaliana sy mora azo ary mora tadidy àry ny fampianaran’i Jesosy. Tsy nanahirana an’i Jesosy anefa ny nanao izany. Diniho, ohatra, ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.
10 Nisy vahoaka niangona teo amin’ny tehezan-tendrombohitra tany akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, indray maraina, tamin’ny fiandohan’ny taona 31. Nisy avy tany Jodia sy Jerosalema, izany hoe 100 ka hatramin’ny 110 kilaometatra avy teo. Nisy avy tany Tyro sy Sidona, tanàna amoron-tsiraka tany avaratra. Maro ny marary nanatona mba hikasika an’i Jesosy, ary nositraniny daholo izy rehetra. Nanomboka nampianatra amin’izay izy, rehefa tsy nisy olona narary mafy intsony teo. (Lioka 6:17-19) Gaga tanteraka ny mpihaino azy, rehefa tapitra ny teniny. Nahoana?
11 Izao no nosoratan’ny iray tamin’ireo nihaino azy, taona maro taorian’izay: “Gaga ny vahoaka tamin’ny fomba fampianany. Nampianatra azy ireo toy ny olona manana fahefana mantsy izy.” (Matio 7:28, 29) Tsapan’izy ireo ny fahefan’i Jesosy, teo am-pitenenana. Nisolo tena an’Andriamanitra izy ary ny Tenin’Andriamanitra no nanohanany ny fampianarany. (Jaona 7:16) Nazava ny teniny, nandresy lahatra ny fampirisihany, ary tsy azo nolavina ny heviny. Nahafaoka ny ventin-kevitra ny zavatra nolazainy ary nanohina ny fon’ny mpihaino azy. Nampianariny azy ireo ny fomba mety hahasambatra, ny fomba ivavahana sy ikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra ary ny fomba hananana hoavy azo antoka. (Matio 5:3–7:27) Nanaitra ny fon’ireo noana ny fahamarinana sy ny rariny ny teniny. Vonona ireny olona ireny ‘handà’ ny tenany sy hamela ny zavatra rehetra, ka hanaraka azy. (Matio 16:24; Lioka 5:10, 11) Tena nanan-kery tokoa ny tenin’i Jesosy!
‘Niavaka tamin’ny zavatra nataony’
12, 13. Nahoana no lazaina hoe ‘niavaka tamin’ny zavatra nataony’ i Jesosy? Lazao ny fahasamihafan’ireo fahagagana nataony.
12 ‘Niavaka tamin’ny zavatra nataony’ koa i Jesosy. (Lioka 24:19) Mitantara fahagagana 30 mahery nataon’i Jesosy ny Filazantsara. Nataony tamin’ny ‘hery nomen’i Jehovah’ daholo izany.b (Lioka 5:17) Olona an’aliny no nandray soa tamin’ireo fahagagana nataony ireo. Lazain’ny Baiboly, ohatra, hoe nanome sakafo ho an’ny lehilahy 5 000 izy, ary taorian’izay ho an’ny lehilahy 4 000. Mety ho an’aliny ny isan’izy ireo raha nisaina ny zaza amam-behivavy.—Matio 14:13-21; 15:32-38.
13 Nisy karazany maro ny fahagagana nataon’i Jesosy. Afaka nifehy ny demonia izy, ka tsy sahirana akory nandroaka azy ireo. (Lioka 9:37-43) Nampiasa ny heriny tamin-javatra izy, ka nanova ny rano ho divay. (Jaona 2:1-11) Gaga be ny mpianany nahita azy nandeha teo “teo ambony ranomasina.” (Jaona 6:18, 19) Nanana hery nifehezana ny aretina izy, ka nanasitrana ny sampona tamin’ny taova, sy ny aretina mitaiza, ary ny aretina mety hahafaty. (Marka 3:1-5; Jaona 4:46-54) Nataony tamin’ny fomba samihafa ireny fanasitranana ireny. Tsy nifanatri-tava taminy ny olona sasany nositraniny, fa ny hafa kosa nokasihiny. (Matio 8:2, 3, 5-13) Ny sasany sitrana avy hatrany, fa ny hafa sitrana tsikelikely.—Marka 8:22-25; Lioka 8:43, 44.
“Hitany nandeha teo ambony ranomasina i Jesosy”
14. Inona avy ireo tantara mampiseho fa manana hery eo amin’ny fahafatesana i Jesosy?
14 Nanana hery teo amin’ny fahafatesana mihitsy i Jesosy. Intelo ny fitantarana voasoratra no milaza fa nanangana ny maty izy: Ankizivavy 12 taona natolony ny ray aman-dreniny, zanaka lahitokan’ny vehivavy maty vady, lehilahy tsy foin’ireo anabaviny. (Lioka 7:11-15; 8:49-56; Jaona 11:38-44) Tsy nisy zavatra sarotra loatra taminy. Natsangany tamin’ny maty avy teo am-pandrianany ilay zazavavy 12 taona, fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’izy io. Teo amin’ny filanjana hoentina halevina kosa no natsangany ny zanak’ilay vehivavy maty vady, ka azo inoana fa tamin’ny andro nahafatesan’izy io izany. Tany am-pasana i Lazarosy no natsangan’i Jesosy, rehefa maty efatra andro.
-