-
NeryFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
NERY
(Nèry) [avy amin’ny teny heb., ary fanafohezana ny hoe Neria].
Taranak’i Davida Mpanjaka avy tamin’i Natana, ao amin’ny fitanisana ny tarana-mpanjaka misy an’i Jesosy. Milaza i Lioka fa zanak’i Nery i Sealtiela. I Matio kosa milaza fa i Jekonia no niteraka an’i Sealtiela. (Mt 1:12; Lk 3:27) Nanambady ny zanakavavin’i Nery angamba i Sealtiela, ka lasa vinantolahiny. Matetika mantsy ny vinantolahy no lazaina hoe zanakalahy, ao amin’ny tetirazana amin’ny teny hebreo. Samy marina àry ny tenin’i Lioka sy Matio.
-
-
SealtielaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Izao ny momba ny rain’i Sealtiela: I Sealtiela no voatonona voalohany tamin’ny zanak’i Joiakina teraka tany an-tsesitany. (1Ta 3:17; Mt 1:12) Raha toa i Sealtiela ka nanambady ny zanak’i Nery (tsy voatonona anarana), dia mety ho izy ilay noresahin’i Lioka ao amin’ny tetirazan’i Jesosy hoe “zanak’i Nery” noho izy vinantolahin’i Nery. Nataon’i Lioka hoe “zanak’i Hely” koa mantsy i Josefa izay nanambady an’i Maria (toa zanak’i Hely).—Lk 3:23, 27.
-
-
Zanakalahy, ZanakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Midika hoe “zanakalahy” ny teny hebreo hoe ben sy ny teny grika hoe hoiôs. Matetika anefa no tsy zanakalahy nateraka ihany no hevitr’izy ireo, fa mety hidika koa hoe zanaka natsangana (Ek 2:10; Jn 1:45), sy taranaka, ohatra hoe zafikely na zafiafy (Ek 1:7; 2Ta 35:14; Je 35:16; Mt 12:23), ary vinantolahy.—Ampitahao 1Ta 3:17 sy Lk 3:27 (azo inoana fa zanak’i Jekonia sy vinantolahin’i Nery i Sealtiela); Lk 3:23, “Josefa zanak’i Hely”, azo inoana fa vinantolahiny (tsy nisy hoe hoiôs “zanakalahy” ao amin’io and. io tao amin’ny soratra grika, fa fantatra hoe zanakalahy no tiana holazaina).
-