Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Fahagagana faharoa tany Kana
REHEFA tafaverina tao amin’ny faritany nonenany i Jesosy taorian’ny fiezahana manokana nitory naharitra tany Jodia, dia tsy hoe mba hiala sasatra akory. Mifanohitra amin’izany fa nanomboka fanompoana nitatra izy tany Galilia, faritra nahabe azy. Tsy nijanona niaraka taminy anefa ireo mpianany fa nankany amin’ny fianakaviany sy nandray indray ny asa navelan’izy ireo.
Inona no hafatra natombok’i Jesosy ny fitoriana azy? Izao: “Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara.” Nanao ahoana ny fandraisan’ny Galiliana izany? Nanaiky an’i Jesosy izy ireo ary nanome voninahitra azy ny rehetra. Tsy noho ny fampianarany indrindra anefa no nanaovan’izy ireo toy izany, fa satria maro tamin’izy ireny no tonga tany Jerosalema tamin’ny Paska, volana vitsivitsy talohan’izany ary hitan’izy ireo ny famantarana miavaka vitan’i Jesosy.
Toa nanomboka tany Kana ny fanompoana lehibe nataon’i Jesosy tany Galilia. Tadidio izao: tao amin’io tanàna io, tsy ela talohan’izay, tamin’ny fiverenany avy any Jodia, dia nanova ny rano ho tonga divay i Jesosy tamin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady iray. Tamin’io fivahinian’i Jesosy fanindroany tao Kana io, dia narary mafy ny zanakalahin’ny mpanao raharaham-panjakana iray tao an-dapan’i Heroda Antipasy mpanjaka. Rehefa ren’io mpanao raharaham-panjakana io fa tonga tany Kana avy any Jodia i Jesosy, dia nandeha lavitra avy any Kapernaomy tanàna nonenany izy mba hahita azy. Ankon’ny alahelo izy ka nitalaho toy izao tamin’i Jesosy: ‘Midìna re, dieny tsy mbola maty ny zanako.’
Hoy ny navalin’i Jesosy azy: ‘Andeha mody. Sitrana ny zanakao!’ Nino ny teniny ilay mpanao raharaham-panjakana ka nanao ny diany lavitra indray mba hody any an-tranony. Teny an-dalana izy dia nifanena tamin’ireo mpanompony izay tonga nitsena azy ary dodona ny hilaza taminy fa nandeha tsara ny zavatra rehetra, satria sitrana ny zanany. ‘Hatramin’ny oviana izy no mihatsara?’ hoy ny fanontaniany.
‘Hatramin’ny omaly tamin’ny 1 ora tolakandro, hoy ireo mpanompony namaly azy.
Tsapan’ilay mpanao raharaham-panjakana fa izany dia tamin’ny ora nilazan’i Jesosy taminy hoe: ‘Sitrana ny zanakao!’ Taorian’izany, io lehilahy io sy ny ankohonany rehetra dia tonga mpianatr’i Kristy.
Tanàna nanana tombontsoa àry i Kana. Indroa tokoa i Jesosy no nanao fahagagana tao rehefa niverina avy any Jodia. Mazava ho azy fa tsy ireo ihany akory no hany fahagagana vitany hatramin’ny nanombohany ny fanompoany, fa nisy heviny ireo satria nanamarika ny fiverenany avy tany Galilia.
Nitodi-doha nankany Nazareta tanàna nisy ny fianakaviany, izao i Jesosy. Inona no hitranga aminy any? Jaona 4:43-54; Marka 1:14, 15; Lioka 4:14, 15.
◆ Rehefa niverina tao Galilia i Jesosy, inona no nataon’ireo mpianany, ary nanao ahoana ny fandraisan’ny olona azy?
◆ Inona no fahagagana nataon’i Jesosy, ary nanao ahoana ny fandraisan’ireo izay nandray soa tamin’izany azy?
◆ Tamin’ny fomba ahoana àry no nanomezan’i Jesosy tombontsoa ny tanànan’i Kana?
[Sary, pejy 8]