TOKO 15
“Nangoraka ... i Jesosy”
1-3. a) Inona no nataon’i Jesosy, rehefa nisy jamba nitalaho fanampiana taminy? b) Inona no dikan’ilay hoe “nangoraka”? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
NISY jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, tsy lavitra an’i Jeriko. Nankeo isan’andro izy ireo, ka nitady izay toerana fandalovan’ny olona, ary nangataka. Nisy zava-nitranga nanova tanteraka ny fiainan’izy ireo anefa tamin’ity indray mitoraka ity.
2 Nandre tabataba tampoka ireo mpangataka. Nanontany ny anton’izany ny iray taminy, satria tsy nahita na inona na inona. Nisy nilaza hoe: “Mandalo i Jesosy avy any Nazareta!” Ho any Jerosalema i Jesosy, ary io no dia farany nataony tany. Tsy irery anefa izy, fa nisy vahoaka be nanaraka azy. Nony fantatr’ireo mpangataka fa i Jesosy no nandalo, dia niantsoantso izy ireo hoe: “Ry Tompo Zanak’i Davida ô, mba iantrao izahay!” Nampikotaba ny vahoaka izany. Sorena mantsy izy ireo, ka nasainy nangina izy roa lahy. May ny hahazo fanampiana anefa izy ireo, ka tsy laitra nampanginina.
3 Ren’i Jesosy ny antsoantson’izy ireo, na dia teo aza ny kotaban’ny vahoaka. Inona no nataony? Be dia be ny zavatra nifamahofaho tao an-tsainy sy tao am-pony. Herinandro eo ho eo sisa no hahavelomany. Fantany fa hijalijaly sy ho faty izy any Jerosalema. Tsy nodiany tsy re anefa ny antsoantson’ireo jamba. Nijanona kosa izy, ary nasainy nentina teo aminy izy ireo. Nitalaho izy roa lahy hoe: “Tompo ô, mba ataovy mahita ny masonay!” “Nangoraka” i Jesosy, ka nikasika ny masony, ary nahita izy ireo.a Nanaraka an’i Jesosy avy hatrany izy ireo taorian’izay.—Lioka 18:35-43; Matio 20:29-34.
4. Ahoana no nanatanterahan’i Jesosy ilay faminaniana hoe “hiantra ny madinika” izy?
4 Tsy fisehoan-javatra naningana izany. Imbetsaka i Jesosy no nihetsi-po lalina, ka naneho fangoraham-po tamin’ny toe-javatra maro. “Hiantra ny madinika” izy, hoy ny faminaniana. (Salamo 72:13) Tanteraka tokoa izany, satria nihevitra ny fihetseham-pon’ny olona i Jesosy. Nanao zavatra hanampiana azy ireny izy. Ny fangoraham-po koa no nandrisika azy hitory. Asehon’ny Filazantsara fa hita taratra teo amin’ny zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony fa lalina tokoa ny fangoraham-pony. Handinika izany isika izao, ary avy eo hoe ahoana no azontsika anahafana azy.
Nihevitra ny fihetseham-pon’ny olona izy
5, 6. Milazà ohatra mampiseho fa nahay niara-niory tamin’ny olona i Jesosy.
5 Tena nahay niara-niory tamin’ny olona i Jesosy. Takany tsara ny fihetseham-pon’ny olona nijaly, ary niombom-pihetseham-po tamin’izy ireo izy. Marina fa tsy ny zavatra rehetra nanjo azy ireo no nihatra taminy, nefa tsapany tany am-pony mihitsy ny fanaintainan’izy ireo. (Hebreo 4:15) Nilaza izy fa “aretina nampijaly” no nahazo an’ilay vehivavy nandeha ra nandritra ny 12 taona. (Marka 5:25-34) Midika izany fa fantany hoe niteraka fanaintainana sy fahorian-tsaina mafy ho an’ilay vehivavy io aretina io. Nanohina mafy ny fon’i Jesosy koa ny alahelon’i Maria sy ireo olona nitomany rehefa maty i Lazarosy. Hontsa dia hontsa izy ka latsa-dranomaso, na dia fantany aza fa mbola hanangana an’i Lazarosy amin’ny maty ihany izy.—Jaona 11:33, 35.
6 Tamin’ny fotoana hafa indray, dia nisy boka nanatona an’i Jesosy sady nitalaho hoe: “Raha mba tianao mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Ahoana no nataon’i Jesosy? Lavorary izy, ary mbola tsy narary hatramin’izay niainany. Nitsetra an’ilay boka anefa izy, ary “nangoraka” azy. (Marka 1:40-42) Nanao zava-mahagaga izy avy eo. Fantany tsara fa milaza ny Lalàna hoe maloto ny boka, ka tsy mahazo mifampikasokasoka amin’ny hafa. (Levitikosy 13:45, 46) Azo antoka fa vitan’i Jesosy ny manasitrana an’io lehilahy io, nefa tsy hikasika azy akory. (Matio 8:5-13) Ninia nikasika an’ilay boka anefa izy, ary niteny hoe: “Tiako izany ka! Madiova ianao.” Tonga dia afaka ny habokan’ilay lehilahy. Tena tsara fanahy sy nahay niara-niory tamin’ny olona tokoa i Jesosy!
7. Inona no afaka manampy antsika mba hahay hiara-miory amin’ny olona? Ahoana no azo ampisehoana an’io toetra io?
7 Tokony hahay ‘hiara-miory’ amin’ny olona tahaka an’i Jesosy koa isika Kristianina.b Mampirisika antsika hanao izany ny Baiboly. (1 Petera 3:8) Mety tsy ho mora ny hahatakatra izay tsapan’ny olona manana aretina mitaiza na kivy be, indrindra raha mbola tsy nijaly toy izany isika. Tadidio anefa fa tsy voatery hiharan’ny zavatra manjo ny hafa isika vao hahay hiara-miory aminy. Niara-niory tamin’ny marary i Jesosy, na dia mbola tsy narary mihitsy aza. Inona àry no hanampy antsika hanana an’io toetra io? Mila manam-paharetana sy mihaino tsara isika raha misy olona mijaly, ka mamboraka amintsika ny ao am-pony sy mitantara izay mahazo azy. Tsara raha mieritreritra isika hoe: ‘Inona no ho tsapako, raha izaho no eo amin’ny toerany?’ (1 Korintianina 12:26) Ho haintsika kokoa ny “hampahery ny kivy”, raha miezaka hihevitra bebe kokoa ny fihetseham-pon’ny hafa isika. (1 Tesalonianina 5:14) Tsy ny teny ihany no anehoana fiaraha-miory amin’ny hafa. Mety hiara-mitomany aminy koa isika indraindray. “Miaraha mitomany amin’izay mitomany”, hoy ny Romanina 12:15.
8, 9. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nihevitra ny fihetseham-pon’ny olona izy?
8 Nihevitra ny hafa i Jesosy, ary nitsimbina ny fihetseham-pony. Tadidio izay nitranga, rehefa nentina teo aminy ny lehilahy iray marenina sady tsy nahay niteny tsara. Toa tsapan’i Jesosy fa somary sadaikatra ilay lehilahy, ka nanao zavatra tsy nahazatra izy rehefa nanasitrana azy. “Nentin’i Jesosy nitokana lavidavitra” ilay lehilahy. Nositraniny izy avy eo, rehefa tsy nisy vahoaka nijerijery azy intsony teo.—Marka 7:31-35.
9 Naneho fiheverana toy izany koa i Jesosy, rehefa nentin’ny olona nankeo aminy ny lehilahy jamba iray, ary nangatahin’izy ireo mba hositranina. “Notantanany ilay lehilahy ka nentiny nankany ivelan’ny tanàna.” Nositraniny tsikelikely izy avy eo. Amin’izay angamba ny atidohany sy ny masony dia ho zatra tsikelikely amin’ny hazavana mahajambena sy ny zavatra maro be nanodidina azy, izay notarafin’ny masoandro. (Marka 8:22-26) Tena nihevitra ny olona tokoa i Jesosy!
10. Ahoana no ampisehoantsika fa mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa isika?
10 Tokony hihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa koa isika mpanara-dia an’i Jesosy. Mitandrina tsara ny zavatra lazaintsika àry isika, satria fantatsika fa mety handratra fo ny teny tsy voahevitra. (Ohabolana 12:18; 18:21) Tsy manao teny maharary sy manambany ary maneso mihitsy ny Kristianina mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa. (Efesianina 4:31) Ry anti-panahy, ahoana no ampisehoanareo hoe mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa ianareo? Rehefa manome torohevitra ianareo, dia ataovy amin-katsaram-panahy izany mba hitandrovana ny hajan’ilay olona. (Galatianina 6:1) Ahoana indray no ampisehoanareo ray aman-dreny fa mihevitra ny fihetseham-pon’ny zanakareo ianareo? Miezaha mba tsy hanao izay hahamenatra ny zanakareo, rehefa manafay azy.—Kolosianina 3:21.
Nanao zavatra hanampiana ny hafa izy
11, 12. Milazà tantara ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe tsy nila niangaviana i Jesosy fa naneho fangoraham-po avy hatrany.
11 Tsy nila niangaviana i Jesosy fa tonga dia naneho fangoraham-po. Tsy toetra tsapa ao am-po fotsiny mantsy ny fangorahana, fa mahatonga ny olona hanao zavatra. Tsy mahagaga àry raha nanampy ny olona avy hatrany i Jesosy, noho izy be fangoraham-po. Nisy vahoaka niaraka taminy, ohatra, nandritra ny telo andro, ary tsy nanan-kohanina. Tsy nila nilazana i Jesosy tamin’izay hoe noana ny vahoaka, na hoe izao no tokony hataony. Hoy ny Baiboly: “Nantsoin’i Jesosy nankeo aminy ny mpianany, ka hoy izy: ‘Mampalahelo ahy ireto vahoaka ireto, fa efa telo andro izao ry zareo no nijanona teto amiko, sady tsy manan-kohanina. Tsy tiako anefa raha hoe noana izy no asaina mandeha, sao ho reraka eny an-dalana.’” Nomeny sakafo tamin’ny fomba mahagaga izy ireo avy eo, ary noho ny nahim-pony tanteraka no nanaovany izany.—Matio 15:32-38.
12 Diniho koa ity tantara nitranga tamin’ny taona 31 ity. Nahita zavatra nampalahelo i Jesosy, rehefa nanakaiky ny tanànan’i Naina. Nisy mpandevina niala tao an-tanàna. Angamba ho eny amin’ny fasana teny amin’ny havoana tsy lavitra teo izy ireo, mba handevina ny ‘zanaka lahitokan’ny’ vehivavy iray “efa maty vady.” Azonao sary an-tsaina ve ny alahelo nameno ny fon’io reny io? Handevina ny zanany lahitokana izy, nefa tsy nanana vady hizarana izany fahoriana mangidy izany. Be dia be ny mpandevina, fa ilay mpitondratena namoy zanaka no ‘hitan’i’ Jesosy. Nanohina ny fony izany ka “nangoraka” an’ilay vehivavy izy. Tsy nila niangaviana izy, fa avy hatrany dia nanao zavatra noho ny fangoraham-pony. “Nanatona izy ary nikasika an’ilay filanjana faty”, dia natsangany tamin’ny maty ilay tovolahy. Inona no nitranga avy eo? Tsy nasain’i Jesosy hiaraka amin’ilay vahoaka niara-dia taminy ilay tovolahy. ‘Natolony an-dreniny’ kosa izy, mba ho tafaraka indray izy mianaka, ka ho voakarakara ilay reny mananotena.—Lioka 7:11-15.
13. Ahoana no azontsika anampiana ny hafa, toy ny nataon’i Jesosy?
13 Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy? Marina fa tsy afaka manome sakafo amin’ny fomba mahagaga isika, na manangana olona amin’ny maty. Afaka manao zavatra avy hatrany, toa an’i Jesosy anefa isika mba hanampiana ny hafa. Mety ho lasa sahirana mafy ara-bola, na ho very asa ny mpiray finoana amintsika. (1 Jaona 3:17) Ilaina hamboarina haingana angamba ny tranon’ny mpitondratena iray. (Jakoba 1:27) Misy fianakaviana nidonam-pahoriana angamba, ka mila ampaherezina na ampiana. (1 Tesalonianina 5:11) Tsy mila miandry hiangaviana isika vao hitondra fanampiana, rehefa tena ilaina izany. (Ohabolana 3:27) Raha mangoraka isika, dia isika mihitsy no hanao izay tokony hatao mba hanampiana ny hafa, araka izay fahafahantsika. Aza hadinoina mihitsy fa tena misy heriny ny fanaovana zavatra tsotra amin-katsaram-panahy, na ny teny fampaherezana vitsivitsy vokatry ny fo.—Kolosianina 3:12.
Nandrisika azy hitory ny fangoraham-po
14. Nahoana no nataon’i Jesosy loha laharana ny fitoriana ny vaovao tsara?
14 Hitantsika tao amin’ny Fizarana faha-2 fa nanome modely niavaka i Jesosy teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Hoy izy: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.” (Lioka 4:43) Nahoana no nataony loha laharana io asa io? Voalohany indrindra, satria tia an’Andriamanitra izy. Nisy antony hafa koa anefa. Nanana fangoraham-po lalina izy, ka izany no nandrisika azy hanome izay nilain’ny olona teo amin’ny lafiny ara-panahy. Maro ny fomba nanehoany fangoraham-po, fa io no lehibe indrindra. Hodinihintsika izao ny tantara roa mampiseho ny fiheveran’i Jesosy ny olona nitoriany. Hanampy antsika izany handinika izay tena antony anaovantsika ny fanompoantsika.
15, 16. Milazà tantara roa mampiseho ny fiheveran’i Jesosy ny olona nitoriany.
15 Efa nikely aina tamin’ny fanompoana nandritra ny roa taona i Jesosy. Vao mainka anefa izy niezaka bebe kokoa, ka “nitety ny tanàna rehetra, na kely na lehibe”, tamin’ny taona 31. Nanohina ny fony ny zavatra hitany. Hoy ny apostoly Matio: “Rehefa nahita ny vahoaka izy, dia nangoraka an’ireo, satria hitany fa nampijalina izy ireo sady tsy nisy niraharaha hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:35, 36) Nahonena an’i Jesosy ny sarambabem-bahoaka. Nampalahelo tokoa mantsy ny nanjo azy ireo. Fantatr’i Jesosy fa nampijaly sy tsy niraharaha azy ireo mihitsy ny mpitondra fivavahana, nefa ireo indrindra no mpiandry tokony hikarakara azy. Nangoraka lalina azy ireo i Jesosy, ka nanao izay rehetra azony natao mba hanomezana fanantenana azy ireo. Tsy nisy zavatra nilain’izy ireo mihoatra noho ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.
16 Nitovy tamin’izany ny zava-nitranga, volana maromaro tatỳ aoriana, tamin’ny taona 32. Efa akaiky ny Paska tamin’izay. Nandeha sambokely i Jesosy sy ny apostoliny, ary niampita ny Ranomasin’i Galilia mba hitady toerana mangina hialana sasatra. Nihazakazaka nanaraka ny moron-dranomasina anefa ny vahoaka, ary tonga talohan’ilay sambokely. Inona no nataon’i Jesosy? “Rehefa niala avy tao an-tsambokely [izy], dia nahita vahoaka be. Dia nangoraka an’ireo izy, satria hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo. Ary nanomboka nampianatra azy ireo zavatra be dia be izy.” (Marka 6:31-34) Mariho fa “nangoraka” indray i Jesosy teto, satria nampalahelo ny nanjo an’ireo olona ireo. Toy ny ‘ondry tsy nisy mpiandry’ izy ireo, ka mosarena ara-panahy ary izy ihany no tsy maintsy nitady izay nilainy. Ny fangoraham-po no nandrisika an’i Jesosy hitory, fa tsy fanefana adidy fotsiny.
17, 18. a) Inona no antony anaovantsika ny fanompoantsika? b) Inona no hanampy antsika hangoraka ny hafa?
17 Inona no mandrisika antsika mpanara-dia an’i Jesosy hanao ny fanompoantsika? Hitantsika tao amin’ny Toko faha-9, fa nomena andraikitra isika hitory sy hampianatra ny olona mba ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy. (Matio 28:19, 20; 1 Korintianina 9:16) Tsy tokony ho fanefana adidy fotsiny anefa no antony anaovantsika an’io asa io. Ny fitiavantsika an’i Jehovah no antony lehibe indrindra itoriantsika ny vaovao tsaran’ny Fanjakany. Mitory koa anefa isika satria mangoraka an’ireo tsy mitovy finoana amintsika. (Marka 12:28-31) Inona àry no hanampy antsika hangoraka ny hafa?
18 Tokony hihevitra ny olona, toy ny iheveran’i Jesosy azy ireny isika, ka hitadidy fa ‘ampijalina izy ireny sady tsy misy miraharaha hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry.’ Alao sary an-tsaina ny zanak’ondry iray very tanteraka. Mampalahelo fa tsy manana mpiandry hitarika azy any amin’ny toerana misy vilona maitso mavana sy rano izy, ka noana sy mangetaheta. Tsy halahelo an’io ondrikely io ve ianao? Tsy hanao izay rehetra azonao atao ve ianao mba hanomezana sakafo sy rano azy? Hoatran’io ondrikely io ireo olona maro mbola tsy mahalala ny vaovao tsara. Mosarena ara-panahy sy mangetaheta ny fahamarinana ary tsy manana fanantenana izy ireo, satria tsy karakarain’ireo mpiandry azy ao amin’ny fivavahan-diso. Manana izay ilain’izy ireo anefa isika: Sakafo ara-panahy mahavelona sy ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay toy ny rano mamelombelona. (Isaia 55:1, 2) Onena ny olona manodidina antsika isika, rehefa mieritreritra hoe tsy manana izay ilainy eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo. Hanao izay rehetra azo atao mba hiresahana aminy ny fanantenana entin’ilay Fanjakana isika, raha mangoraka lalina azy toy ny nataon’i Jesosy.
19. Ahoana no azontsika ampirisihana ny olona ampianarintsika Baiboly, mba hitory hiaraka amin’ny fiangonana, raha mahafeno fepetra izy?
19 Ahoana no azontsika anampiana ny hafa mba hanahaka an’i Jesosy? Andeha hatao hoe efa mahafeno fepetra ny olona ampianarintsika Baiboly, ary tiantsika hampirisihina mba hiaraka hitory amin’ny fiangonana. Na misy olona tsy nitory intsony tiantsika hampiana mba hazoto amin’ny fanompoana indray. Inona no azontsika atao? Mila miezaka hanohina ny fony isika. Tadidio fa “nangoraka” ny olona aloha i Jesosy, vao nampianatra azy. (Marka 6:34) Mila ampianarintsika hangoraka ny hafa àry ny olona ampianarintsika Baiboly na izay tsy mitory intsony. Haniry hanahaka an’i Jesosy izy ireo amin’izay, ka hiresaka ny vaovao tsara amin’ny hafa. Afaka manontany azy isika hoe: “Inona no fiovana tsara hitanao teo amin’ny fiainanao, hatramin’ny nahalalanao ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra? Tsy mila mandre an’io hafatra io koa ve ny olona mbola tsy mahafantatra azy io? Ahoana no azonao anampiana azy ireny?” Mazava ho azy fa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny faniriana hanompo azy no antony lehibe indrindra tokony hanaovana fanompoana.
20. a) Inona no ataon’ny mpanara-dia an’i Jesosy? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?
20 Tsy vitan’ny hoe mamerina ny tenin’i Jesosy sy maka tahaka ny zavatra nataony fotsiny ny hoe manara-dia azy. Ilaina koa ny manahaka ny ‘toe-tsainy.’ (Filipianina 2:5) Faly àry isika fa voalaza ao amin’ny Baiboly ny fomba fisainan’i Jesosy sy ny fihetseham-pony, izay hita taratra tamin’ny teniny sy izay nataony! Ho haintsika tsara kokoa ny hihevitra ny fihetseham-pon’ny olona sy haneho fangoraham-po lalina, raha fantatsika tsara ny “sain’i Kristy.” (1 Korintianina 2:16) Amin’izay dia hitovy amin’ny an’i Jesosy ny fomba itondrantsika ny olona. Hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka ny fomba samihafa nanehoan’i Jesosy fitiavana ny mpanara-dia azy.
a Voalaza fa anisan’ny teny ilazana ny fangoraham-po lalina indrindra ilay teny grika nadika hoe “nangoraka.” Milaza ny boky iray fa io teny io dia tsy midika fotsiny hoe “malahelo rehefa mahita olona mijaly, fa midika koa hoe maniry mafy hanamaivana ny fijaliany sy hanala an’ilay izy mihitsy.”
b Midika ara-bakiteny hoe “miara-mijaly” ny teny grika nadika hoe ‘miara-miory.’