Vatosoan’ny Filazantsaran’i Lioka
FANTATRA TAMIN’NY fangoraham-po nananany i Jesosy Kristy, ilay Zanak’i Jehovah. Nety àry ny nampisongadinan’i Lioka mpanoratra Filazantsara ny fangoraham-po, sy ny famindrampo, ary ny fiheverana ny hafa. Ho an’ny Jiosy sy ny Jentilisa miaraka no nanoratany fitantarana mampahery ny amin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany.
Asehon’ny lafiny sasany amin’io Filazantsara io fa olona nahita fianarana no nanoratra azy. Ohatra, ny fampiasany fampidiran-dresaka araka ny angaly tranainy sy voambolana maro be. Mifanentana amin’ny naha-mpitsabo nahay an’i Lioka izany rehetra izany (Kolosiana 4:14). Na dia taorian’ny nahafatesan’i Jesosy aza no nahatonga azy ho mpino, dia niaraka tamin’i Paoly tany Jerosalema izy, taorian’ny dia misionera fahatelo nataon’ilay apostoly. Noho izy nanaraka ny fisamborana an’i Paoly tao, ary ny fanaovana azy an-tranomaizina tany Kaisaria, dia afaka nanangona ny fitaovana nilaina io mpanao fikarohana tamim-pitandremana io tamin’ny fanadinadinana ireo vavolombelona nahita maso sy tamin’ny fandinihana ny tantaram-bahoaka voalahatra (1:1-4; 3:1, 2). Nety ho nanoratra ny Filazantsarany tany Kaisaria nandritra ireo roa taona nigadran’i Paoly tao izy, izany hoe, teo anelanelan’ny taona 56 sy 58 am. fan. ir.
Endrika mampiavaka sasany
Tamin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy, dia enina fara fahakeliny no tsy hita afa-tsy ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka. Ireto avy izany: ny fanjonoana mahagaga (5:1-6); ny fananganana ny zanakalahin’ilay mpitondratena tao Naina (7:11-15); ny fanasitranana ilay vehivavy nanjoko tsy afa-nitraka (13:11-13); ny fanasitranana lehilahy narary manirano (14:1-4); fanadiovana boka folo (17:12-14); ary ny fanasitranana ny sofin’ny mpanompon’ny mpisoronabe. — 22:50, 51.
Manokana koa ao amin’ny fitantaran’i Lioka ny fanoharana sasany nataon’i Jesosy. Voafaoka amin’izany ireto: ireo mpitrosa roa lahy (7:41-47); ilay Samaritana tsara fanahy (10:30-35); ilay aviavy tsy namokatra (13:6-9); ny fanasana tamin’ny sakafo hariva lehibe (14:16-24); ilay zanaka adala (15:11-32); ilay mpanankarena sy Lazarosy (16:19-31); ilay mpitondratena sy ny mpitsara tsy marina. — 18:1-8.
Zava-nitranga mampihetsi-po
Naneho fiheverana ny vehivavy sy ny ankizy ary ny be taona i Lioka mpitsabo. Izy irery no nanisy firesahana ny amin’ny fahamomban’i Elizabeta sy ny nampitoe-jaza azy ary ny nahaterahan’i Jaona. Ny Filazantsarany irery ihany no nitantara ny nisehoan’ny anjely Gabriela tamin’i Maria. Voatosika hilaza i Lioka fa nibitaka ny zaza tao an-kibon’i Elizabeta rehefa niresaka taminy i Maria. Mbola i Lioka irery ihany koa no niresaka ny amin’ny famorana an’i Jesosy sy ny nitondrana azy tany amin’ny tempoly ka nahitan’i Simeona sy Ana, samy efa antitra, azy. Ary noho ny Filazantsaran’i Lioka no nahazoantsika fahalalana momba ny fahazazan’i Jesosy sy i Jaona mpanao batisa. — 1:1 à 2:52.
Rehefa nanoratra mikasika ilay mpitondratena tao Naina vontom-pahoriana noho ny nahafatesan’ny zanany lahitokana i Lioka, dia nilaza fa “onena azy” i Jesosy ary namerina ilay zatovolahy tamin’ny fiainana (7:11-15). Voatantara ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka irery ihany, sady mampihetsi-po koa ny zava-nitranga tamin’i Zakaiosy lehiben’ny mpamory hetra. Noho izy fohy dia nianika hazo izy mba hahitana an’i Jesosy. Toy inona ny fahatairana rehefa nilaza i Jesosy fa hitoetra ao an-tranon’i Zakaiosy izy! Nasehon’i Lioka fa nitondra fitahiana lehibe ho an’ilay tompon-trano sambatra ny fitsidihan’i Jesosy. — 19:1-10.
Diam-penin’ny mpitsabo
Ahitana teny na fomba fiteny maro be manana heviny ara-pitsaboana ao amin’io Filazantsara io. Ireo teny ireo dia tsy nampiasain’ireo mpanoratra ny Soratra grika kristiana hafa mihitsy na tsy nampiasainy amin’ny heviny ara-pitsaboana. Nefa dia tsy maintsy manampo hahita fomba fiteny ara-pitsaboana isika avy amin’ny diam-penin’ny mpitsabo iray.
Ohatra, i Lioka irery ihany no nilaza fa azon’ny “tazo mafy” ny rafozambavin’i Petera (4:38). Nanoratra koa izy hoe: “Indro, nisy lehilahy heniky ny habokana” (5:12). Nianina tamin’ny filazana ny habokana fotsiny ireo mpanoratra Filazantsara hafa. Tsy mba toy izany anefa ny amin’i Lioka mpitsabo izay nilaza fa efa lasa lavitra ny fihomboan’ilay aretina.
Aoka isika hamantatra fanao sasany
Nilaza i Lioka fa taorian’ny nahaterahan’i Jesosy, dia ‘nohodidinin’i Maria lamban-jaza’ izy (2:7). Araka ny fomba, ny zaza vao teraka dia sasana sy hosorana sira, angamba mba hahamaina sy hahamafy ny hodiny. Avy eo dia hodidinina lamban-jaza lava be, saika mitovy amin’ireny faty egyptiana taloha ireny (momie). Mihazona ny vatany hahitsy sy hafana ilay fehy, ary ahorona eo ambany saokany sy eo ambony lohany izany, angamba mba hanazarana azy hiaina amin’ny orona. Ny fanamarihana tamin’ny taonjato faha-19 mikasika izany fomba famonosan-jaza izany dia manonona ny tenin’ny mpitsidika iray tany Betlehema nanao hoe: “Nitrotro ilay zazakely aho. Henjana aoka izany ny vatany noho ny faminjifinjiana azy mafy tamin’ny lamba hariry madinika fotsy sy volomparasy. Saika tsy afa-mihetsika ny tanany aman-tongony, ary ny lohany dia voafehy lamba kely mena malemilemy izay mandalo eo ambany saokany sy eo amin’ny handriny ka mahaforona valonana kely.
Ampahafantarin’ny Filazantsaran’i Lioka antsika koa ny fombafombam-pandevenana tamin’ny taonjato voalohany. Teo akaikin’ny vavahadin’i Naina i Jesosy rehefa nahita “fatin’ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan’ny reniny [mpitondratena]” ary “nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy” (7:11, 12). Saiky atao any ivelan’ny tanàna mandrakariva ny fandevenana, ary manaraka ny faty hatrany am-pasana ireo sakaizan’ny maty. Filanjana azo inoana fa vita tamin’ny tsimbilaotra no vatam-paty, ka ny bao mihoatra eo amin’ny zorony efatra no azon’ny efa-dahy ilanjana azy eo amin’ny sorony hatrany amin’ny toeram-pandevenana miaraka amin’ny filaharana.
Tao amin’ny fanoharana hafa voatantaran’i Lioka, i Jesosy dia niresaka ny amin’ny lehilahy iray nokapohin’ny jiolahy. Nisy Samaritana tsara fanahy iray ‘namehy ny feriny sady nanisy diloilo sy divay’ izany (10:34). Fanao nahazatra io fomba fitsaboana fery io. Mampahalefaka sy mampitony ny fery ny diloilon’oliva (Isaia 1:6). Ahoana anefa ny amin’ny divay? Hoy ny The Journal of the American Medical Association: “Ny divay no fanafody lehibe indrindra tany Grisia. (...) Hippocrate avy any Cos (460-370 al. fan. ir.) (...) dia nampiasa betsaka ny divay, nasainy nampiasaina ho amin’ny fitsaboana fery izany, ho fampidinana hafanana amin’ny tazo, ho fampivalanana sy ho fanafody mahabe fivalanan-drano.” Nasehon’ny fanoharana nataon’i Jesosy ny toetra manokana ananan’ny divay amin’ny famonoana otrikaretina sy tsimokaretina toy ny vokatry ny diloilon’oliva amin’ny fanasitranana fery. Mazava ho azy fa ny foto-kevitr’ilay fanoharana dia hoe: manao asa fiantrana ny tena namana. Amin’izany fomba izany no tokony hitondrantsika ny mpiara-belona amintsika. — 10:36, 37.
Fianarana manetry tena
I Lioka irery ihany no nitantara ny fanoharana nataon’i Jesosy nampisehoana an-tsehatra olona nasaina izay nitady ny toerana tsara indrindra tao amin’ny fanasana iray. Taloha, mandritra ny fanasana, dia mandry ilika eo amin’ny seza lava manodidina ny lafiny telo amin’ny latabatra ny nasaina. Afaka manatona izany avy eo amin’ny lafiny fahefatra ny mpampandroso sakafo. Mazàna dia olona telo no eo amin’ny seza lava iray, samy manatrika ny latabatra, mitehina amin’ny kiho havia ary mandray ny hanina amin’ny tanana havanana. Asehon’ireo toerana telo na eo amin’ny fitoerana voalohany na ny antonontonony na ny farany eo amin’ny seza lava ny olona iray. Ilay eo amin’ny fitoerana farany eo amin’ny seza lava fahatelo no eo amin’ny fitoerana farany indrindra amin’ny fanasana. Hoy Jesosy: ‘Raha misy manasa anao, dia mipetraha eo amin’ny fitoerana aoriana indrindra, ary hilaza aminao ilay nanasa anao hoe: “Mandrosoa etsy alohaloha kokoa”; dia hahazo haja eo imason’izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao hianao.’ (14:7-10). Eny, aoka isika hihevitra amim-panetren-tena ny hafa ho ambony kokoa noho isika. Raha ny marina, tamin’ny fampiharana ilay fanoharana, dia hoy i Jesosy: “Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra” — 14:11.
Mbola ho fanamafisana ny amin’ny fanetren-tena, ary manokana ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka koa, ny fanoharan’i Jesosy mikasika mpamory hetra sy Fariseo teo am-pivavahana tao amin’ny tempoly. Ankoatra ny zavatra hafa, dia hoy ilay Fariseo: “Mifady indroa isan-kerinandro aho.” (18:9-14). Tsy nitaky afa-tsy fifadian-kanina indray mandeha isan-taona ny Lalàna (Levitikosy 16:29). Tafahoatra anefa ny fifadian-kanin’ireo Fariseo. Ilay voalazan’ny fanoharana dia nifady hanina ny andro faharoa amin’ny herinandro, satria izany dia noheverina ho ny andro niakaran’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay ka nandraisany ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona. Lazaina fa nidina avy tany an-tendrombohitra ny andro fahadimy tamin’ny herinandro izy (Eksodosy 31:18; 32:15-20). Nanonona ny fifadian-kanina indroa isan-kerinandro fanaony ilay Fariseo ho porofon’ny fitiavany fivavahana. Tokony hanosika antsika ho amin’ny fanetren-tena anefa ilay fanoharana fa tsy ho amin’ny fiheveran-tena ho marina.
Ireo vatosoan’ny Filazantsaran’i Lioka ireo dia manamarina fa manokana sady ahitana fianarana izy io. Mahatonga antsika hiaina indray ireo tapany mampihetsi-po tamin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany ireo an-tsipirian-javatra voalaza ao amin’ny fitantarana. Mandray soa avy amin’ireo filazalazana ny amin’ireo fanao sasany taloha koa isika. Kanefa dia handray fitahiana manokana isika raha manaraka ireo fianarana momba ny fiantrana sy ny fanetren-tena voazava tsara aoka izany ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka, ilay mpitsabo malala.