LESONA 15
Iza moa i Jesosy?
Anisan’ny olona nalaza indrindra hatramin’izay i Jesosy. Na dia betsaka aza anefa no mahafantatra ny anarany, dia tsy hain’izy ireo hoe iza marina izy. Samy manana ny heviny momba azy koa ny olona. Inona no lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy?
1. Iza i Jesosy?
Anjely mahery mipetraka any an-danitra i Jesosy. Noforonin’i Jehovah talohan’ny zavatra hafa rehetra izy. Izany no antony iantsoana azy hoe “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” (Kolosianina 1:15) Antsoin’ny Baiboly hoe ‘Zanak’Andriamanitra lahitokana’ koa izy, satria izy irery ihany no noforonin’i Jehovah mivantana. (Jaona 3:16) Niara-niasa akaiky tamin’i Jehovah Rainy i Jesosy, ka nanampy azy namorona ny zavatra hafa rehetra. (Vakio ny Ohabolana 8:30.) Mbola mifandray akaiky amin’i Jehovah foana i Jesosy hatramin’izao. Antsoina hoe “ny Teny” izy satria mpitondra tenin’Andriamanitra, izany hoe milaza ny hafatr’Andriamanitra sy ny toromarika avy aminy.—Jaona 1:14.
2. Maninona i Jesosy no nanketỳ an-tany?
Nampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hanaovana fahagagana iray, 2 000 taona teo ho eo izay. Anjely tany an-danitra i Jesosy nefa nataony lasa zazakely tao an-kibon’ny virjiny iray atao hoe Maria. Lasa olombelona àry i Jesosy. (Vakio ny Lioka 1:34, 35.) Nanketỳ an-tany izy mba ho lasa Mesia, na Kristy, ka hamonjy ny olombelona.a Tanteraka tamin’i Jesosy daholo ny faminanian’ny Baiboly momba ny Mesia. Izay no nahafantaran’ny olona hoe izy no “Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.”—Matio 16:16.
3. Aiza i Jesosy izao?
Lasa fanahy i Jesosy rehefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, ary niverina tany an-danitra. ‘Nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa’ izy rehefa tonga tany. (Filipianina 2:9) Manana fahefana ambony be izao i Jesosy. I Jehovah irery ihany no manana fahefana ambony kokoa noho izy.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hodinihintsika bebe kokoa hoe iza marina i Jesosy ary nahoana no tena ilaina ny mahafantatra azy.
4. Tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy
Ampianarin’ny Baiboly hoe na dia anjely mahery any an-danitra aza i Jesosy, dia mbola mankatò an’i Jehovah Andriamanitra Rainy izy. Resahina ao hoe inona no tsy mampitovy an’i Jesosy amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Alefaso ilay VIDEO.
Resahin’ireto andinin-teny ireto hoe inona no tsy mampitovy an’i Jehovah sy Jesosy. Vakio ny andinin-teny tsirairay, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Vakio ny Lioka 1:30-32.
Rehefa jerena ny tenin’ilay anjely, inona no tsy mampitovy an’i Jesosy sy Jehovah Andriamanitra, ilay “Avo Indrindra”?
Vakio ny Matio 3:16, 17.
Inona no nolazain’ilay feo avy any an-danitra, tamin’i Jesosy natao batisa?
Feon’iza io, araka ny hevitrao?
Vakio ny Jaona 14:28.
Iza no lehibe kokoa sy manana fahefana kokoa: Ny raim-pianakaviana sa ny zanany?
Nantsoin’i Jesosy hoe Rainy i Jehovah. Inona no dikan’izany?
Vakio ny Jaona 12:49.
Araka io andininy io, nieritreritra ve i Jesosy hoe olona iray ihany izy sy ny Rainy? Ary ahoana ny hevitrao?
5. Voaporofo hoe i Jesosy no Mesia
Ireo faminaniana be dia be ao amin’ny Baiboly no nanampy ny olona hahafantatra ny Mesia, izany hoe ilay nofidin’Andriamanitra mba hanavotra ny olombelona. Inona, ohatra, ny faminaniana tanteraka tamin’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany? Alefaso ilay VIDEO.
Vakio ireto faminanian’ny Baiboly ireto, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Vakio ny Mika 5:2. Resahina ao ny toerana hahaterahan’ny Mesia.b
Tanteraka tamin’i Jesosy ve io faminaniana io?—Matio 2:1.
Vakio ny Salamo 34:20 sy ny Zakaria 12:10. Resahina ao ny zavatra hitranga rehefa hovonoina ny Mesia.
Tanteraka ve ireo faminaniana ireo? —Jaona 19:33-37.
Araka ny hevitrao, nisy zavatra nataon’i Jesosy ve mba ho tanteraka aminy ireo faminaniana ireo?
Iza i Jesosy rehefa dinihina ireo porofo ireo?
6. Mahasoa antsika ny mahafantatra tsara an’i Jesosy
Milaza ny Baiboly hoe tena ilaina ny mianatra momba an’i Jesosy sy ny zavatra hataony. Vakio ny Jaona 14:6 sy ny 17:3, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana no zava-dehibe ny mianatra momba an’i Jesosy?
MISY MITENY HOE: “Tsy mino an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah.”
Ahoana no havalinao?
FAMINTINANA
Anjely mahery i Jesosy. Zanak’Andriamanitra izy, ary izy no Mesia.
Famerenana
Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra”?
Inona no nataon’i Jesosy talohan’izy nanketỳ an-tany?
Ahoana no ahafantarantsika hoe i Jesosy no Mesia?
JEREO KOA IRETO
Inona koa no porofo hoe i Jesosy no Mesia?
Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Midika ve izany hoe nanambady sy niteraka hoatran’ny olombelona Andriamanitra?
“Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)
Inona no porofo hoe tsy mampianatra momba ny Andriamanitra telo izay iray ny Baiboly?
“Andriamanitra ve i Jesosy?” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2009)
Nahoana no niova ny fiainan’ny vehivavy iray rehefa nikaroka an’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy izy?
“Namerina Nandinika ny Zavatra Ninoany Ilay Vehivavy Jiosy” (Mifohaza! Mey 2013)
a Horesahina ao amin’ny Lesona 26 sy 27 hoe nahoana ny olombelona no mila famonjena ary ahoana no namonjen’i Jesosy antsika.
b Misy faminaniana iray miresaka hoe oviana i Jesosy no lasa Mesia. Jereo ny Fanamarihana 2.