Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny raharaha momba ny fifadian-kanina
EFA ho herintaona izay no nankalazan’i Jesosy ny Paska taona 30. Tany an-tranomaizina hatramin’ny volana maromaro izao i Jaona Mpanao batisa. Tiany hanaraka an’i Kristy ireo mpianany, kanefa tsy nanao izany ny rehetra.
Tonga nanatona an’i Jesosy izao ny sasany tamin’ireny mpianatra ireny ka nanontany azy hoe: “Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?” Tena nifady hanina indroa isan-kerinandro tokoa ny Fariseo; fombafomba nandidian’ny fivavahan’izy ireo izany. Fa raha ny amin’ny mpianatr’i Jaona, dia angamba izy ireo nanaraka fanao sahala amin’izany. Mety ho nifady hanina koa izy ireo mba hampisehoana ny alahelony noho ny nampidirana an’i Jaona an-tranomaizina ka nanontany tena izy ireo hoe nahoana ny mpianatr’i Jesosy no tsy maneho ny alahelon’izy ireo amin’ny fanaovana tahaka azy.
Ho valiny, dia nanazava toy izao i Jesosy: “Moa mahay misaona va ny havan’ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’izay vao hifady izy.”
Azo antoka fa tsaroan’ny mpianatr’i Jaona fa ny mpampianatra azy ireo koa aza dia nilaza an’i Jesosy ho Mpampakatra. Araka izany, raha mbola ho eo Jesosy, dia tsy ho hitan’i Jaona fa hety ny hifadian-kanina, ary toy izany koa ny mpianatr’i Jesosy. Atỳ aoriana, rehefa ho faty i Jesosy, dia hisaona sy hifady hanina ireo mpianany. Rehefa hatsangana amin’ny maty anefa izy ka hiakatra ho any an-danitra, dia tsy hanana antony tokony hisaonana amin’ny fifadian-kanina intsony izy ireo.
Nilaza izao fanoharana izao i Jesosy nony avy eo: “Tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba tsy voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra. Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ny olona divay vaovao.” Inona no ifandraisan’ireo fanoharana ireo amin’ny fifadian-kanina?
Nampian’i Jesosy ny mpianatr’i Jaona hahatakatra fa tsy misy olona tokony hanantena ny hanarahan’ny kristiana ireo fanao tranainin’ny jodaisma, toy ny fombafomba fifadian-kanina. Tsy tonga izy mba hanampina sy hampitombo fomba fivavaka tranainy tonta hatramin’ny tadiny izay nadiva ny hariana. Tsy halaina lasitra avy amin’ny jodaisma tamin’izany fotoana izany na tamin’ny lovantsofiny araka ny olombelona akory ny kristianisma. Tsia, tsy ho tahaka ny tapa-damba vaovao akambana amin’ny akanjo tonta akory izany, na ho tahaka ny divay vaovao atao ao anaty siny hoditra tonta. Matio 9:14-17; Marka 2:18-22; Lioka 5:33-39; Jaona 3:27-29.
◆ Iza no nifady hanina, ary noho ny fikendrena inona?
◆ Nahoana moa no tsy nifady hanina ny mpianatr’i Jesosy raha mbola teo amin’izy ireo ny Mpampianatra azy, ary fisehoan-javatra inona avy taty aoriana no nanaisotra tamin’izy ireo izay rehetra mety ho antony tokony hifadian-kanina?
◆ Inona avy no fanoharana nolazain’i Jesosy, ary inona no dikan’izany?