Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nifidy ireo apostoliny i Jesosy
HERINTAONA sy tapany teo ho eo izay no nampisehoan’i Jaona Mpanao batisa an’i Jesosy ho Zanak’ondrin’Andriamanitra sy nanombohan’i Jesosy ny fanompoany ampahibemaso. Hatramin’izay, Andrea, Simona Petera, Jaona ary angamba aza Jakoba (rahalahin’i Jaona), mbamin’i Filipo sy Natanaela (nantsoina hoe Bartolomeo), dia tonga mpianany voalohany. Taorian’izany, dia nisy maro hafa koa niaraka tamin’izy ireo mba hanaraka an’i Kristy.
Vonona izao i Jesosy ny hifidy ireo apostoliny. Ho mpiara-miasa akaiky aminy izy ireo ary hahazo fampiofanana manokana. Talohan’ny hifidianana azy ireny anefa, dia lasa nankany an-tendrombohitra i Jesosy ary nandany indray alina manontolo nivavahana, ka tsy isalasalana fa nangataka fahendrena sy fitahiana tamin’Andriamanitra. Ny ampitso maraina, dia niantso ny mpianany rehetra izy ka nifantina roa ambin’ny folo taminy. Nefa noho izy ireo mbola nampianarin’i Jesosy ihany, dia mbola antsoin’ny Soratra Masina hoe mpianatra ihany izy ireo.
Nofidin’i Jesosy ireo enina voatonona eo ambony izay tonga mpianany voalohany. Noraisiny koa Matio izay nalainy teo amin’ny birao famorian-ketra. Ny dimy hafa notendreny dia Jodasy (nantsoina hoe Tadeo), Jodasy Isikariota, Simona Kananeana, Tomasy sy Jakoba, zanak’i Alfeo. Io Jakoba io dia nantsoina koa hoe Jakoba Kely, angamba mba hanavahana azy tamin’ilay apostoly nitovy anarana taminy.
Efa hatramin’ny elaela ireo lehilahy roa ambin’ny folo ireo no niaraka tamin’i Jesosy, ary fantatr’i Jesosy tsara izy ireo. Raha ny marina, dia havany ny sasany taminy. Tsy isalasalana fa zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Jesosy i Jakoba sy Jaona rahalahiny. Azo inoana fa rahalahin’i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy, i Alfeo. Raha izany no izy, ny zanak’i Alfeo, Jakoba apostoly, dia ho zanak’olo-mpirahalahy tamin’i Jesosy.
Mazava ho azy fa tsy sarotra tamin’i Jesosy ny nitadidy ny anaran’ireo apostoliny. Ary ianao, tadidinao ve izany? Tadidio fotsiny fa nisy Simona roa, Jakoba roa, Jodasy roa, fa i Simona dia nanana rahalahy nantsoina hoe Andrea, ary Jakoba nanana rahalahy nitondra ny fanampin’anarana hoe Jaona. Amin’izany ianao dia efa afaka mitadidy sahady ny anaran’ny apostoly valo. Anisan’ireo efatra hafa, dia tao ny mpamory hetra iray (Matio), ny apostoly iray izay nisalasala taty aoriana (Tomasy), ny anankiray hafa koa izay teo ambany hazo iray fony Jesosy niantso azy (Natanaela) sy ny naman’io, dia Filipo.
Avy any Galilia ny apostoly iraika ambin’ny folo, tahaka an’i Jesosy. Avy any Kana i Natanaela. Avy any Betsaida Filipo, Petera sy Andrea. Taty aoriana anefa Petera sy Andrea dia nonina tany Kapernaomy, tanàna izay toa nonenan’i Matio koa. Mpanarato Jakoba sy Jaona, ary izy ireo koa dia azo inoana fa nonina tany Kapernaomy na teny amin’ny manodidina. Toa Jodasy, izay namadika an’i Jesosy tany aoriana, no hany apostoly avy tany Jodia. Marka 3:13-19; Lioka 6:12-16.
◆ Iza avy no apostoly angamba havan’i Jesosy?
◆ Iza avy moa ireo apostolin’i Jesosy, ary ahoana no azo itadidiana ny anaran’izy ireo?
◆ Avy any amin’ny faritra aiza ireo apostoly?
[Sary, pejy 9]
Talohan’ny hifidianana ireo apostoliny roa ambin’ny folo, dia nandany indray alina manontolo nivavahana tamin’i Jehovah i Jesosy.