Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Kely finoana ve i Jaona?
JAONA Mpanao batisa, izay tao an-tranomaizina hatramin’ny herintaona izao, dia nandre fa natsangan’i Jesosy tamin’ny maty ny zanakalahin’ilay mpitondratena tao Naina. Nefa tiany ho fantatra mivantana avy amin’i Jesosy ny hevitr’izany fahagagana izany; izany no antony nanirahany roa tamin’ny mpianany mba hanontany azy hoe: “Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?”
Toa hafahafa izany fanontaniana izany, indrindra fa satria i Jaona, raha nanao batisa an’i Jesosy tokony ho roa taona tany aloha, dia nahita ny fanahin’Andriamanitra nidina teo amboniny ary nandre ny feon’Andriamanitra nankasitraka azy. Angamba ny fanontanian’i Jaona mitarika ny sasany hanatsoaka hevitra fa nihena ny finoany. Nefa, tsy izany velively. Tsy ho niresaka an’i Jaona tamin’ny teny midera, izay nataony tamin’io fitrangan-javatra io, i Jesosy, raha toa io nanomboka nisalasala. Nahoana àry no nametraka izany fanontaniana izany i Jaona.
Angamba tiany fotsiny ny hanamafisan’i Jesosy fa izy no Mesia. Tena hampahery izany ho an’i Jaona, izay nijaly tao an-tranomaizina. Nefa toa nanana antony hafa nametrahana io fanontaniana io izy. Miharihary, fa niriny ho fantatra raha misy hafa tokony ho avy, karazana mpandimby iray, hamita ny fanatanterahana ny faminaniana rehetra tokony hotanterahin’ny Mesia.
Araka ireo faminanian’ny Baiboly fantatr’i Jaona, ny Voahosotr’Andriamanitra dia tokony ho mpanjaka, mpanafaka iray. Kanefa, Jaona dia mbola mpigadra foana, volana maro taorian’ny batisan’i Jesosy: Koa mazava àry ny nanontanian’i Jaona an’i Jesosy hoe: ‘Hianao va no ilay hanorina miharihary ny Fanjakan’Andriamanitra, sa mbola hafa no andrasantsika, mpandimby iray, ka izy no hanatanteraka ny faminaniana rehetra mifandray amin’ny voninahitry ny Mesia?’
Tsy namaly ireo mpianatr’i Jaona i Jesosy hoe: ‘Eny tokoa fa izaho ilay ho avy!’, fa noporofoiny tamin’izy ireo tamin’io fotoana io indrindra kosa izany tamin’ny fomba niavaka tamin’ny fanasitranana olona maro be azon’aretina samihafa. Avy eo, dia nomeny baiko toy izao izy ireo: “Mandehana hianareo, ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao: mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko!”
Raha lazaina amin’ny teny hafa, koa satria ny fanontanian’i Jaona mety ho te-hilaza fa nanantena ny hanaovan’i Jesosy zavatra bebe kokoa, amin’ny fanafahana azy ohatra, dia nanoro hevitra an’i Jaona i Jesosy mba tsy hanantena mihoatra noho ireo famantarana rehetra ireo.
Rehefa lasa ireo mpianatr’i Jaona, dia nitodika tany amin’ny vahoaka i Jesosy ary nanambara tamin’izy ireo fa Jaona no ilay ‘irak’i Jehovah’ voambara ao amin’ny Malakia 3:1, ary izy koa no mpaminany Elia voambara ao amin’ny Malakia 3:23, 24. Tamin’izany no niderany an’i Jaona, napetrany mitovy amin’ireo mpaminany velona talohany, vavolombelon’izany ny teniny hoe:
“Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin’izay nateraky ny vehivavy, tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy. Ary hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny, ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.”
Asehon’i Jesosy eto fa Jaona dia tsy ho ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, satria ny kely indrindra ao amin’ilay Fanjakana dia lehibe noho izy. Nanomana ny lalan’i Jesosy i Jaona, nefa izy dia maty talohan’ny namatoran’i Kristy fanekena tamin’ny mpianany, na fifanarahana, mba hiara-manjaka aminy ao amin’ny Fanjakany. Izany no antony nanamafisan’i Jesosy fa Jaona dia tsy ho ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Ho iray amin’ny vahoakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany kosa izy. Lioka 7:18-30; Matio 11:2-15.
◆ Nahoana Jaona no nanontany raha Jesosy no ilay ho avy na mbola misy hafa andrasana?
◆ Araka an’i Jesosy, faminaniana inona no notanterahin’i Jaona?
◆ Nahoana Jaona Mpanao batisa no tsy ho any an-danitra miaraka amin’i Jesosy?