Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Fianarana famindrampo
AZO INOANA fa mbola tao Naina Jesosy, izay vao avy nananganany ny zanakalahin’ny mpitondratena iray tamin’ny maty, raha tsy hoe nandeha tao amin’izay tanàna teny akaikiny izy. Ny Fariseo iray antsoina hoe Simona dia naniry handinika akaiky kokoa ilay nanao asa mahagaga toy izany. Noho izany dia nasainy Jesosy hiara-hihinana aminy.
Nahita tamin’izany toe-javatra izany fahafahana hitory amin’izay hifanena aminy Jesosy ka nanaiky ny fanasana, tahaka ny nanekeny ny an’ireo Mpamory hetra sy mpanota. Kanefa, nony niditra tao an-tranon’i Simona Jesosy, dia tsy noraisina araka ny fahamendrehana tokony ho an’ny vahiny amin’ny ankapobeny.
Rehefa avy nanao dia an-tongotra lavitra an-kapa tamin’ny lalana mamovok’i Galilia ny tena, dia mafana sy maloto ny tongotra; koa mahazatra ny tompon-trano ny mampiseho ny fampiantranoany amin’ny fanasana ny tongotr’ireo nasainy amin’ny rano mangatsiaka. Tamin’ny fahatongavan’i Jesosy anefa, dia tsy nisy olona nanasa ny tongony. Tsy nisy koa olona mba tonga nanoroka azy ho fiarahabana, dia fihetsika mampiseho fahalalam-pomba faran’izay tsotra. Ankoatr’izany dia tsy nisy nandray azy tamin’ny fanosorana ny lohany tamin’ny diloilo araka ny fomba amam-panaony.
Nandritra ny sakafo, raha nipetraka hihinana ireo nasaina, dia nisy vehivavy iray tsy nasaina niditra mangingina tao an’efitra. Fantatra tao an-tanàna izy io fa manana fiainana tsy madio. Angamba izy nahare ny fampianaran’i Jesosy, anisan’izany ny fanasana nalefany ho ‘an’izay rehetra mavesatra entana, hankany aminy ka hanomezany azy fitsaharana’. Tohina lalina tamin’izay reny sy hitany àry io vehivavy io ka nanatona an’i Jesosy.
Nandeha teo ivohon’i Jesosy izay nandry ka nihinana izy, ary nandohalika teo an-tongony. Koa satria nikotsainy tamin’ny ranomasony izany, dia nofaohany tamin’ny volon-dohany. Avy eo dia naidiny teo amboniny ny menaka manitra iray tavoara sady norohiny fatratra izany. Nefa nanao fijery tsy nankasitraka tamin’izay niseho Simona. Hoy izy anakampo: “Raha mpaminany ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.”
Namaky ny tao an-tsainy Jesosy ka namaly azy hoe: “Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho”.
“Lazao àry, Mpampianatra ô”, hoy Simona.
“Nisy roa lahy nananan’ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo. Ary raha tsy nanan-kaloha izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin’ireo no ho tia azy indrindra?”
“Ataoko fa ilay namoizany be”, hoy ny valintenin’i Simona, tsy taitra angamba satria toa tsy misy hifandraisany ilay fanontaniana.
“Marina ny hevitrao”, hoy ny faneken’i Jesosy. Ary nitodika nijery an-dravehivavy izy ka nanao tamin’i Simona indray hoe: “Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro hianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony, dia namaoka azy tamin’ny volon-dohany. Tsy mba nanoroka Ahy akory hianao; fa izy, hatr’izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro. Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.”
Io vehivavy io dia nanome porofo tamin’izany fa nanenina tamim-pahatsorana ny fiainany tsy madio tamin’ny lasa. Izany no namaranan’i Jesosy ny teniny tamin’ny hoe: “Ary amin’izany dia lazaiko aminao: voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana.”
Tsy manala tsiny na milefitra mihitsy amin’ny fahalotoana Jesosy. Mifanohitra amin’izany, io zava-niseho io dia mampiharihary fa izy dia nahatakatra sy nangoraka an’ireo olona nanao fahadisoana teo amin’ny fiainany, kanefa nanaporofo fa nibebaka sy niverina taminy mba hohamaivanina. Nitondra fampaherezana marina ho an’io vehivavy io Jesosy raha nilaza hoe: “Voavela ny helokao. (...) Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.” Lioka 7:36-50; Matio 11:28-30.
◆ Fomba ahoana no nandraisan’i Simona an’i Jesosy izay tonga nivahiny tao aminy?
◆ Iza moa no nanatona an’i Jesosy, ary nahoana?
◆ Fanoharana inona moa no nomen’i Jesosy, ary inona no fampiharana nataony niaraka tamin’izany?