Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Aoka isika handray soa avy amin’ireo fanoharana nataon’i Jesosy
REHEFA nanatona an’i Jesosy ireo mpianany taorian’ny nanaovany lahateny teo anoloan’ny vahoaka betsaka, teo amoron-dranomasina, dia nahavariana azy ireo ny fomba fampianarany vaovao. Marina fa reny nampiasa fanoharana izy, fa tsy hatramin’io fetra io mihitsy. Noho izany dia nanontany azy izy ireo hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”
Izany dia mba hanatanterahana indrindra ireto tenin’ny mpaminany iray ireto: “Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao aho.” Nefa tsy izany ihany no antony. Matoa nampiasa fanoharana Jesosy, dia satria tiany ny hampihariharian’ny olona izay ao am-pony.
Marina fa liana tamin’i Jesosy ny ankamaroan’izy ireo, nefa izany dia satria fotsiny nahita taminy lehilahy iray mahay manao tantara sy mpanao fahagagana izy ireo fa tsy toy ny Tompo iray izay tokony hotompoina sy harahina am-pahafoizan-tena. Tsy tian’izy ireo ny hohelingelenina amin’ny fomba fijeriny zavatra na amin’ny fahazarany amin’ny fiainana. Tsy niriny ny hananan’ny hafatra vokatra be loatra eo aminy. Noho izany dia nanambara izao Jesosy:
“Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala. Dia tanteraka aminy ny faminanian’Isaia izay manao hoe: ‘(...) Fa efa adala ny fon’izao olona izao.’ ”
“Fa sambatra ny masonareo, hoy ny nanampiny, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre. Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.”
Ny apostoly roa ambin’ny folo sy ireo izay nanaraka azy tokoa dia nanana fo mora nandray. Niteny taminy toy izao i Jesosy avy eo: “Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.” Koa satria ny mpianany nanana faniriana hahafantatra, Jesosy dia nanome azy ireo fanazavana ny amin’ny fanoharana momba ny mpamafy.
“Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra” hoy ny fanazavany ary ny tany dia mampiseho ny fo. Raha ny amin’ny voa nafafy teny amoron-dalana, dia nanampy izao izy: “Avy ny Devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.”
Tetsy an-danin’izany, ny vatolampy izay nandray ny voa dia mampiseho ny fon’ireo izay mandray ny teny tamin-kafaliana, nefa satria ny teny tsy afaka nanam-paka lalina tao aminy, dia nianjera izy ireo rehefa mitranga ny fotoam-pisedrana na ny fanenjehana.
Raha ny amin’ny voa nafafy teny amin’ny tsilo kosa, hoy Jesosy nanohy ny teniny, dia rehefa misy olona mandre ny teny, nefa voatariky ny fanahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka noho izany dia voageja tanteraka izy ireo ka tsy mahavanom-boa mihitsy.
Ny amin’ilay voa farany, hoy ny famaran-teniny, ilay nafafy teny amin’ny tany tsara, dia mampiseho an’ireo izay mandre ny teny amin’ny fo tsara sady marina, ka mitana azy ary mamoa amim-paharetana.
Endrey izany fitahiana ho an’ny mpianany izay naniry hahazo fanazavana ny amin’ny zavatra nampianariny! Nataon’i Jesosy izay hahazoana ireo fanoharana nataony, mba hielezan’ny fahamarinana amin’ny hafa. “Moa entina va ny jiro mba hosaronan’ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ny farafara?”, hoy ny fanontaniany. Tsia, fa “hatao eo amin’ny fanaovan-jiro” izy. Tamin’izay dia nanoro hevitra toy izao izy: “Koa tandremo ny fihainonareo [ny fomba fihainonareo, MN ]. Matio 13:10-23, 34-36; Marka 4:10-25, 33, 34; Lioka 8:9-18; Salamo 78:2; Isaia 6:9, 10.
◆ Nahoana Jesosy no mampiasa fanoharana rehefa miresaka?
◆ Amin’ny ahoana no iavahan’ny mpianatr’i Jesosy amin’ny vahoaka betsaka?
◆ Inona no fanazavana omen’i Jesosy ny amin’ny fanoharana momba ny mpamafy?