-
Fantatrao Ve?Ny Tilikambo Fiambenana—2010 | 1 Janoary
-
-
Toy inona ilay takela-kazo fanoratana resahin’ny Lioka 1:63?
▪ Resahin’ny Filazantsaran’i Lioka fa nanontanian’ny namany i Zakaria hoe iza no ho anaran-janany. “Nangataka takela-kazo i Zakaria ka nanoratra hoe: ‘Jaona no anarany.’ ” (Lioka 1:63) Natao hanoratana ny takela-kazo toy izany ary nohosorana savoka ilay faritra azo anoratana. Nampiasa fitaovana fanoratana ny olona mba hanoratana teo amin’ilay takelaka. Azo fafana ilay soratra, ary averina hosorana savoka ilay takelaka mba ho azo ampiasaina indray.
Hoy ny boky Famakiana sy Fanoratana Tamin’ny Andron’i Jesosy (anglisy): “Maro no nampiasa takela-kazo, araka ny asehon’ny sary hoso-doko tany Pompéi, sy ny sary sokitra tany amin’ny faritra samihafa nanjakan’ny Romanina, ary ireo zavatra nofongarina tany amin’ny toerana maro tany Ejipta ka hatrany amin’ny Rindrim-ben’i Hadrien [Grande-Bretagne Avaratra].” Nety ho nampiasa azy ireny ny olona samihafa, anisan’izany ny mpivarotra sy ny manam-pahefana, ary angamba aza ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany.
-
-
Fantatrao Ve?Ny Tilikambo Fiambenana—2010 | 1 Janoary
-
-
[Sary, pejy 11]
Takela-kazo misy savoka, fampiasan’ny mpianatra tamin’ny taonjato faha-2
[Sary nahazoan-dalana]
By permission of the British Library
-