Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nananatra an’ireo mpianany indray i Jesosy
TAO an-trano tany Kapernaomy, ireo apostoly dia vao avy niresaka ny amin’ny fifandiran’izy ireo mba hahafantarana hoe iza no lehibe indrindra taminy. Izao ny resaka dia notarihina ho amin’ny fisehoan-javatra hafa iray, azo inoana fa nitranga rehefa niverina tany Kapernaomy izy ireo ary tsy teo i Jesosy. Hoy ny fitantaran’ny apostoly Jaona: “Nahita olona anankiray namoaka demonia tamin’ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.”
Toa nino i Jaona fa ireo apostoly ihany no hany nanana zo hanao fanasitranana. Araka ny heviny, dia tsy nanana zo hanao asa lehibe àry ilay lehilahy, satria tsy anisan’ny antokon’izy ireo.
Nanoro hevitra toy izao anefa i Jesosy: “Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. Fa na iza na iza no manome anareo rano eran’ny kapoaka hosotroinareo, satria an’i Kristy hianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.”
Tsy nilaina, mba hoe hiarahana amin’i Jesosy, ny hanarahan’io lehilahy io ny tenany mihitsy. Koa satria tsy mbola niorina ny kongregasiona kristiana, dia tsy hoe satria tsy anisan’ny antokon’izy ireo ilay lehilahy dia an’ny kongregasiona hafa iray. Nino ny anaran’i Jesosy tokoa izy io, ka noho izany dia afaka namoaka demonia. Ny nataony dia sahala amin’ireo nolazain’i Jesosy fa mendrika valisoa. Araka ny nasehon’i Jesosy, noho izany nataony izany, dia tsy ho diso ny valim-pitiany izy.
Fa inona no holazaina raha toa ka voahozongozona ilay lehilahy noho ny teny sy ny nataon’ireo apostoly? Ho ratsy dia ratsy izany! Izao no nambaran’i Jesosy: “Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino Ahy ireo, dia ho tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.”
Nohazavain’i Jesosy tamin’izany fa ireo mpianany dia tokony hanaisotra amin’ny fiainan’izy ireo ny zavatra rehetra mety hahatafintohina azy, na dia sarobidy aminy toy ny tanana, ny tongotra na ny maso aza izany. Aleo mamoy zavatra tiana iray ary dia hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, toy izay hifikitra amin’izany ary hatsipy any amin’ny Gehena (fanariam-pako nasiana afo nirehitra foana tany akaikin’i Jerosalema), izay mampiseho ny fandringanana mandrakizay.
Nanome izao fampitandremana izao koa i Jesosy: “Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia iray aza amin’ireny madinika ireny hianareo; fa lazaiko aminareo: ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko Izay any an-danitra.” Avy eo dia nohazavainy ny hasarobidin’ny “madinika” tamin’ny alalan’ny tantaran’ny lehilahy iray, nanana ondry zato, izay very ny iray. Io lehilahy io, hoy ny fanazavan’i Jesosy, dia handao ny ondry sivy amby sivifolo mba hitadiavana ilay very, ary rehefa ho hitany ilay izy dia hifaly kokoa izy ny aminy noho ny amin’ireo sivy amby sivifolo hafa. “Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ireny madinika ireny.”
Angamba noho ny fieritreretana ny fifandiran’ireo apostoliny no nahatonga an’i Jesosy hanome azy ireo izao fananarana izao: “Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hianareo.” Manatsara ny tsiron-tsakafo matsatso ny sira. Noho izany, ny sira amin’ny heviny ara-panoharana dia mahatonga ny tenin’ny olona iray ho mora ekena kokoa. Amin’ny fananana izany sira izany no hiarovana ny fihavanana.
Noho ny tsy fahatanterahan’olombelona anefa, dia mety hipoaka ny fifandirana lehibe. Tamin’izany koa i Jesosy dia nanome torohevitra ny amin’ny fomba tokony harahina. “Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.” Raha tsy mihaino izy, hoy ny tohin’ny teniny, “dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo”.
Amin’ny farany ihany, hoy Jesosy, vao tokony hoentina eo anatrehan’ny “fiangonana [kongregasiona, MN ]” ny raharaha, izany hoe eo anatrehan’ireo mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona, izay afaka mamoaka fanapahan-kevitra ara-pitsarana. Raha tsy manaiky ny fanapahan-kevitr’izy ireo ilay mpanota, hoy ny famaranan-tenin’i Jesosy, “dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy”.
Rehefa manao ny fanapahan-keviny ireo mpiandraikitra, dia tokony hanaraka an-tsakany sy an-davany ireo toromariky ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany, rehefa manaporofo izy ireo fa meloka ny olona iray ary manambara azy ho mendrika ny sazy, izany fitsarana izany dia ho efa ‘nofehezina tany an-danitra’. Ary, rehefa ‘mamaha’ eto an-tany izy ireo, izany hoe rehefa mahita fa tsy manan-tsiny ny olona iray, dia ho efa ‘novahana tany an-danitra’ izany. Amin’ireny fiaraha-mandinika ara-pitsarana ireny, hoy ny fanantitranteran’i Jesosy, “na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho”. Matio 18:6-20; Marka 9:38-50; Lioka 9:49, 50.
◆ Nahoana moa no tsy nilaina ny hiarahana tamin’i Jesosy fony izy teto an-tany?
◆ Manao ahoana ny faharatsian’ny fanaovana izay hahatafintohina ny madinika iray, ary ahoana no nanazavan’i Jesosy ny maha-lehibe ny madinika?
◆ Noho ny antony azo inoana inona moa no namporisihan’i Jesosy ireo apostoliny mba hanana sira ao aminy?
◆ Inona moa no dikan’ny hoe ‘mamehy’ sy ‘mamaha’?