-
Naniraka Mpianatra 70 i JesosyNy Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Martsa
-
-
LOHATAONAN’NY 32 am.f.i. tamin’izay. Enim-bolana sisa tavela alohan’ny hahafatesan’i Jesosy. Noho izany, mba hanafainganana ny asa fitoriana sy haha-lasa lavitra kokoa ny fampiofanana ny sasany tamin’ireo mpanara-dia azy, dia nanendry mpianatra 70 i Jesosy ka “naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany”. — Lioka 10:1.a
Naniraka ireo mpianany mba “hialoha Azy”, i Jesosy, mba hahafahan’ny olona hanapa-kevitra haingana kokoa hoe hiandany amin’ny Mesia sa hanohitra azy, izy ireo, rehefa ho tonga aoriana kokoa ny tenan’i Jesosy. Nahoana anefa izy no nandefa azy ireo “tsiroaroa”? Mazava ho azy, fa mba hifampaherezan’izy ireo rehefa hiatrika fanoherana.
-
-
Naniraka Mpianatra 70 i JesosyNy Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Martsa
-
-
Matetika ny Vavolombelon’i Jehovah no hita miara-miasa tsiroaroa. Tsy bebe kokoa ve no mety ho vita raha miasa tsirairay izy ireo? Angamba. Na izany aza, ny Kristiana ankehitriny dia mahatakatra ny soa entin’ny fiasana eo anilan’ny mpiray finoana. Manome fiarovana amin’ny fetrany sasany izany, rehefa manao fanambarana amin’ny faritra mampidi-doza. Ny fiaraha-miasa amin’ny olona iray koa dia manome fahafahana ho an’ireo vaovao mba handray soa avy amin’ny fahaizan’ireo mpitory ny vaovao tsara izay manana fanandraman-javatra kokoa. Marina tokoa fa samy afaka mandray anjara amin’ny fifampaherezana izy ireo. — Ohabolana 27:17.
-
-
Naniraka Mpianatra 70 i JesosyNy Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Martsa
-
-
a Misy Baiboly sy sora-tanana grika tranainy sasany milaza fa naniraka mpianatra “roa amby fitopolo” i Jesosy. Kanefa, misy sora-tanana maro manohana ny fandikana hoe “fitopolo”. Io fahasamihafana ara-teknika io dia tsy tokony hampiala antsika amin’ilay hevi-dehibe hoe naniraka maro tamin’ireo mpianany mba handeha hitory, i Jesosy.
-