-
Kitapom-bola, Fitoeram-bolaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
KITAPOM-BOLA, FITOERAM-BOLA
Kitapo nampiasain’ny lehilahy sy vehivavy hitondrana volamena, volafotsy, varahina, vola madinika, na zavatra hafa. Nataon’ny vehivavy haingo indraindray ny kitapom-bola boribory lavalava. (Is 3:16, 22; 46:6; Mt 10:9) Vita tamin’ny hoditra, harefo norarina, na landihazo ny kitapom-bola fahiny. Nofatorana tamin’ny tady hoditra na tady hafa ny vavan’ireny kitapo ireny.—Jereo KITAPO, GONY.
Nampiasaina koa ny fehikibo fasiana vola (a.b.t.: fehikibo; gr.: zône; Mt 10:9; Mr 6:8), izay mety ho nisy lavaka azo nametrahana vola. Mety ho fehikibo lamba navalombalona koa ilay izy, ka natao tao anatin’ilay nivalombalona ny vola.
Nirahin’i Jesosy hitory tany Jodia ny mpianany 70, ary nilazany mba tsy hitondra fitoeram-bola. Hanome izay ilain’izy ireo amin’ny alalan’ny Israelita zatra nandray vahiny mantsy i Jehovah Andriamanitra. (Lk 10:1, 4, 7) Nilaza anefa i Jesosy taloha kelin’ny nahafatesany, fa nila nitondra fitoeram-bola ny apostoly, satria fantany fa henjehin’ny fanjakana sy hotoheriny ny mpianany ka hiparitaka. Na ny olona tia ny hafatra notoriny aza mety tsy ho sahy hanampy azy. Hitory any amin’ny hafa firenena koa izy ireo. Tokony ho vonona hikarakara izay ilainy àry izy ireo.—Lk 22:35, 36.
-
-
KapaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nitondra kapa fanampiny ireo nanao dia lavitra, sao lany ny faladian’ilay iray na tapaka ny tadiny. Tsy navelan’i Jesosy hitondra kapa hafa ny apostoly sy ireo mpianatra 70 nirahiny hitory, satria azo inoana fa handray tsara azy ireo ny olona nanaiky ny vaovao tsara.—Mt 10:5, 9, 10; Mr 6:7-9; Lk 10:1, 4.
-