-
FanoharanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ngazana sy nangingina ny lalana avy tany Jerosalema nankany Jeriko ka be jiolahy. Nasiana toby miaramila mihitsy aza teny amin’ilay lalana tatỳ aoriana, mba hiarovana ny mpandeha. Tokotokony ho 23 km ny elanelan’i Jerosalema sy Jeriko, izay tany atsinanana avaratratsinanan’i Jerosalema. Mba hanazavana hoe iza ilay ‘namana’ lazain’ny Lalàna hoe tokony hotiavina, dia noresahin’i Jesosy ny nataon’ny mpisorona iray sy Levita iray rehefa nahita an’ilay lehilahy voaroba efa saika maty. Voatendry hanolotra sorona tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny mpisorona, ary nanampy azy ny Levita. Nanaiky an’izay voalazan’ny Lalàna tao amin’ny Boky Dimy Voalohany ny Samaritanina. Tsy tsara fanahy tamin’izy ireo anefa ny Jiosy, ary tsy nifandray taminy mihitsy aza. (Jn 4:9) Nanamavo azy ireo koa ny Jiosy (Jn 8:48), ary nisy aza nanozona azy ireo ampahibemaso tao amin’ny synagogany sy nivavaka isan’andro tamin’Andriamanitra mba tsy hahazoan’izy ireo ny fiainana mandrakizay. Menaka sy divay no nampiasain’ny olona tamin’izany mba hitsaboana ratra. Karama roa andro teo ho eo ireo denaria roa nomen’ilay Samaritanina an’ilay tompon’ny tranombahiny, mba hikarakarana an’ilay lehilahy.—Mt 20:2.
-
-
TranombahinyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
TRANOMBAHINY
Midika ara-bakiteny hoe “toerana andraisana ny rehetra”, izany hoe toerana azon’ny mpanao dia lavitra sy ny bibiny isakafoanana sy atoriana, ny teny grika hoe pandôkeiôn. Mety ho nitovitovy tamin’ireo naorina tato ho ato tany Israely sy ny firenena manodidina azy ny tranombahiny fahiny tany. Voahodidina tamboho efajoro ilay izy, ary iray monja ny fidirana. Nisy efitra fatoriana sy fasiana entana nanaraka ny tamboho. Tsy nisy fanaka ireo efitra, natao niakatra avoavo ny gorodona, ary teo amin’ny tokotany anatiny ny fidirana. Ny biby kosa navela tao amin’ilay tokotany, izay nalalaka sady nisy lavadrano teo afovoany. Nanome zavatra vitsivitsy nilain’ny mpanao dia lavitra ny tompon’ny tranombahiny, ary nikarakara an’ireo nankinina taminy rehefa nomena vola.—Lk 10:33-35.
-