-
Mifantoha Amin’ny Fanompoana An’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Oktobra
-
-
2 Tsy noho izy tia mandray vahiny sy mazoto miasa fotsiny no nitiavan’i Jesosy azy, fa noho izy tena nino ny fampianaran’i Jesosy koa. Tena nino koa izy fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina. (Jaona 11:21-27) Tsy lavorary toa antsika rehetra anefa izy. Nivahiny tao aminy, ohatra, i Jesosy indray mandeha, ary sahy niteny i Marta hoe misy zavatra tokony hahitsin’i Jesosy. Hoy izy: “Tompo ô, tsy mampaninona anao ve ny hamelan’ny rahavaviko ahy hanao raharaha irery toy izao? Koa mba asaivo manampy ahy izy.” (Vakio ny Lioka 10:38-42.) Inona no azontsika ianarana avy amin’io tantara io?
-
-
Mifantoha Amin’ny Fanompoana An’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Oktobra
-
-
4 Nisahirana nanao sakafo be sy nanao raharaha hafa anefa i Marta. Tiany raha mba tena afa-po i Jesosy. Niasa saina be i Marta ka sorena tamin’i Maria. Hitan’i Jesosy fa nanao zavatra be loatra i Marta, ka tsara fanahy izy niteny taminy hoe: “Marta a! Marta a! Maro ahina sy sahiran-tsaina amin-javatra maro ianao.” Nilaza i Jesosy fa sakafo tsotsotra iray dia ampy. Nitodika tany amin’i Maria izy avy eo ary nasehony fa tsy diso i Maria. Hoy izy: “Fa i Maria kosa nifidy ny tsara kokoa, ka tsy halaina aminy izany.” Vetivety angamba dia hadinon’i Maria hoe inona no nohaniny tamin’io fotoana io. Tsy nohadinoiny mihitsy anefa ny nideran’i Jesosy azy sy ny zavatra nampianariny azy, noho izy nifantoka tsara. Hoy ny apostoly Jaona, 60 taona mahery tatỳ aoriana: “Tia an’i Marta sy ny rahavaviny ... i Jesosy.” (Jaona 11:5) Hita amin’izany fa nanaiky ny fanitsian’i Jesosy i Marta, ary niezaka nanompo an’i Jehovah izy mandra-pahafatiny.
-