“Mampianara anay hivavaka”
“Hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka.” — LIOKA 11:1.
1-3. (a) Nahoana ireo mpianatr’i Jesosy no nitady toromarika momba ny vavaka? (b) Fanontaniana inona avy momba ny vavaka no mipoitra?
NY OLONA sasany dia nahazo feo tsara dia tsara natao ho an’ny hira. Ny hafa kosa dia manana talenta voajanahary ho amin’ny fitendrena zavamaneno. Kanefa, mba hahafahany hamoaka ny faran’izay tsara indrindra aminy, na dia ireny mpihira sy mpitendry zavamaneno ireny aza dia mila ny manaraka toromarika. Mitovy amin’izany ny vavaka. Takatr’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy fa nila ny nanaraka toromarika izy ireo raha tiany hohenoin’Andriamanitra ny vavaka nataony.
2 Matetika i Jesosy no nanatona an-dRainy mangingina tamin’ny alalan’ny vavaka, toy ny nataony nandritra ny indray alina manontolo talohan’ny nifidianany ireo apostoly 12. (Lioka 6:12-16) Na dia nampirisika ny mpianany koa aza izy mba hivavaka mangingina, dia ren’izy ireo izy nivavaka ampahibemaso ary hitan’izy ireo tamin’izany fa tsy nitovy tamin’ireo mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana izay nivavaka mba ho hitan’ny olona izy. (Matio 6:5, 6) Araka ny fandrindran-kevitra àry no nanirian’ireo mpanara-dia an’i Jesosy ny hahazo ny torohevitra lalina momba ny vavaka. Izany no amakiantsika toy izao: “Ary Jesosy nivavaka tao amin’ny toerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran’i Jaona [Mpanao batisa] ny mpianany.” — Lioka 11:1.
3 Ahoana no namalian’i Jesosy azy? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nomeny? Ary amin’ny fomba ahoana no hahazoantsika soa avy amin’ny toromarika nomeny momba ny vavaka?
Lesona ho antsika
4. Nahoana isika no ‘tsy tokony hitsahatra ny hivavaka’, ary midika ho inona ny fanaovana izany?
4 Betsaka no azontsika ianarana avy amin’ireo tenin’i Jesosy sy avy amin’ny ohatra nomeny tamin’ny naha-olona nivavaka azy. Ny lesona iray dia ny hoe, raha nila ny nivavaka tsy tapaka ilay zanak’Andriamanitra tanteraka, dia vao mainka mila kokoa ny miantehitra tsy tapaka amin’Andriamanitra mba hahazoana ny fitarihany sy ny fampiononany ary ny fanohanany ara-panahy ireo mpianany tsy tanteraka. Noho izany àry dia tokony ‘tsy hitsahatra ny hivavaka’ isika. (1 Tesaloniana 5:17) Marina aloha fa izany akory tsy midika hoe tsy maintsy mandohalika ara-bakiteny foana isika. Tsia, fa tokony hanana fihetsika vonona ny hivavaka hatrany isika. Tokony hiantehitra amin’Andriamanitra isika mba hahazoana fitarihana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana mba hahafahantsika hanao zavatra amim-pahatakaran-javatra ka hahazoantsika ny fankasitrahany foana. — Ohabolana 15:24.
5. Inona no mety haka ny fotoana tokony hatokantsika ho an’ny vavaka, ary inona no tokony hataontsika momba izany?
5 Amin’izao “andro farany” izao, dia maro be ireo zavatra izay maka ny fotoana tokony hampiasaintsika ho an’ny vavaka. (2 Timoty 3:1, MN ) Kanefa, raha ohatra ka manembatsembana ny fanaovantsika vavaka tsy tapaka amin’ny Raintsika any an-danitra ireo fiahiahiana ao an-trano, na ireo raharaha any am-piasana na ny toy izany, dia voageja loatra noho ireo fanahiana eo amin’izao fiainana izao isika. Tokony hahitsy tsy misy hataka andro ny tarehin-javatra toy izany, satria ny fanaovana tsirambina ny vavaka dia mitarika ho amin’ny fahaverezan’ny finoana. Tokony hampihena ireo andraikitsika ivelan’ny fivavahana isika, na hanohitra ny vokatry ny ahiahy eo amin’ny fiainana amin’ny fivavahana amim-pahazotoana kokoa sy amin’ny fampitodihana matetika kokoa ny fontsika any amin’Andriamanitra mba hahazoana fitarihana. Tokony ‘hahonon-tena ho amin’ny fivavahana’ isika. — 1 Petera 4:7.
6. Vavaka inona no hofakafakaintsika izao, ary amin’ny fikendrena inona?
6 Tao amin’ilay nantsoina hoe vavaka nampianarin’ny Tompo, i Jesosy dia nampianatra ny mpianany ny fomba fivavaka, fa tsy izay zavatra tokony holazaina marina. Ny fitantaran’i Lioka dia tsy mitovy loatra amin’ny an’i Matio satria tao anatin’ny toe-javatra samy hafa no niresahan’izy ireo. Hofakafakaintsika izao io vavaka io, ho ohatra ny amin’ny tokony ho toetoetry ny vavaka ataontsika amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesosy sy Vavolombelon’i Jehovah antsika.
Ny Raintsika sy ny anarany
7. Iza moa ireo manana ny tombontsoa hiantso an’i Jehovah hoe “Rainay”?
7 “Rainay Izay any an-danitra.” (Matio 6:9; Lioka 11:2) Koa satria Jehovah dia Mpamorona ny taranak’olombelona ary monina any amin’ny faritra any an-danitra, dia mety ny hiantsoantsika azy hoe “Rainay Izay any an-danitra.” (1 Mpanjaka 8:49; Asan’ny apostoly 17:24, 28) Ny fampiasantsika ny teny hoe “Rainay” dia mampiseho fa manaiky isika fa ny hafa koa dia manana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra. Iza anefa no manana tombontsoa tsy voafetra ny hiantso azy hoe Rainy? Ireo olona nanolo-tena sy vita batisa mahaforona ny fianakavian’ireo mpanompony ihany. Ny fiantsoantsika an’i Jehovah hoe “Raintsika” dia manambara fa manana finoana an’Andriamanitra isika ary mahatakatra fa ny hany fototry ny fampihavanana antsika aminy dia ny fanekena amin’ny fomba feno ny sorom-panavotan’i Jesosy. — Hebreo 4:14-16; 11:6.
8. Nahoana isika no tokony haniry mafy ny handany fotoana hivavahana amin’i Jehovah?
8 Tokony hahatsiaro tena ho akaiky toy inona an’ilay Raintsika any an-danitra moa isika! Toy ny zanaka izay tsy vizana mihitsy ny mankany amin’ny rainy, isika dia tokony haniry ny handany fotoana hivavahana amin’Andriamanitra. Ny fahatsiarovana fankasitrahana lalina noho ireo fitahiana ara-panahy sy ara-nofo avy aminy dia tokony hanosika antsika hisaotra azy noho ny hatsaram-pony. Tokony hahatsiaro ho voatosika hametraka aminy ny entana mitambesatra amintsika isika, amin’ny fatokiana fa hanohana antsika izy. Afaka mahazo antoka isika fa raha mahatoky isika, dia ho tsara fiafara avokoa ny zava-drehetra satria miahy antsika izy. — 1 Petera 5:6, 7.
9. Ny vavaka iray atao ho an’ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra dia fangatahana inona?
9 “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9; Lioka 11:2) Ny teny hoe “anarana” indraindray dia manondro ilay olona mihitsy, ary ny hoe “manamasina” dia midika hoe “manao ho masina, mampitokana na mihevitra ho masina.” (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 3:4, fanamarihana ambany pejy) Raha ny marina àry, ny vavaka iray ho an’ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra dia fangatahana ny hanamasinan’i Jehovah ny tenany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanadiovana ny anarany amin’ireo fanalam-baraka rehetra natototra azy hatramin’izay. (Salamo 135:13) Mba hahafahana manao izany, Andriamanitra dia hanala ny faharatsiana, hanandratra ny tenany ary hanao izay hahafantaran’ireo firenena fa izy no Jehovah. (Ezekiela 36:23; 38:23) Raha maniry mafy ny hahita izany andro izany isika ka mankasitraka tokoa ny fahalehibeazan’i Jehovah, dia hanatona azy foana amin’ilay saina feno fanajana atoron’ny teny hoe “hohamasinina anie ny anaranao.”
Ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Sitrapony
10. Midika ho inona ny fivavahantsika ho amin’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?
10 “Ho tonga anie ny fanjakanao.” Ilay Fanjakana resahina eto dia ny fanapahana sy fiandrianan’i Jehovah, asehon’ny fitondram-panjakana mesianika any an-danitra eo an-tanan’i Jesosy Kristy sy ireo ‘olona masina’ miaraka aminy. (Daniela 7:13, 14, 18, 27; Isaia 9:5, 6 [9:6, 7, MN ]; 11:1-5) Midika ho inona moa ny fivavahana ny ‘hahatongavany’? Izany dia midika fa isika dia mangataka mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra hanohitra ireo fahavalon’ny fanapahan’Andriamanitra rehetra eto an-tany. Rehefa ho avy ‘nanorotoro sy nandevona ireo fanjakana rehetra ireo’ io Fanjakana io, dia hanova ny tany manontolo ho paradisa. — Daniela 2:44; Lioka 23:43.
11. Raha maniry ny hahita ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah manerana izao rehetra izao isika, dia inona no hataontsika?
11 “Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10) Izany dia fangatahana ny hanatanterahan’Andriamanitra ny fikasany mikasika ny tany, izay mahafaoka ny fanesorana ny fahavalony. (Salamo 83:9-18; 135:6-10) Raha ny tena izy, izany dia milaza fa isika dia maniry ny hahita ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra manerana izao rehetra izao. Raha izany no ao am-pontsika, dia hanao mandrakariva ny sitrapon’i Jehovah faran’izay tsara indrindra araka izay fahafahantsika isika. Tsy afaka ny hanao izany fangatahana izany amim-pahatsoram-po isika raha tsy miezaka amin-kafanam-po ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Raha mivavaka toy izany àry isika, dia tokony hiahy ny tsy hanaovana zavatra mifanohitra amin’izany sitrapo izany, toy ny fiarahana amin’ny tsy mpino iray tadiavina hovadina na ny fanarahana fomba fanaon’izao tontolo izao. (1 Korintiana 7:39; 1 Jaona 2:15-17) Tokony ho ao an-tsaintsika mandrakariva kosa ny hoe: ‘Inona no sitrapon’i Jehovah amin’ity raharaha ity?’ Eny, raha tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika, dia hitady ny fitarihany amin’ny zavatra rehetra ataontsika eo amin’ny fiainana. — Matio 22:37.
Ny hanina sahaza ho antsika isan’andro
12. Vokatra tsara inona eo amintsika no hoentin’ny tsy fangatahana afa-tsy ny ‘hanina sahaza ho antsika isan’andro’?
12 “Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.” (Matio 6:11) Izao no vakina ao amin’ny fitantaran’i Lioka: “Omeo anay isan-andro izay hanina sahaza ho anay.” (Lioka 11:3) Ny fangatahantsika amin’Andriamanitra mba hanomezany antsika ny hanina ilaintsika “anio” dia mampitombo ny finoantsika ny fahaizany hanome izay ilaintsika isan’andro. Mana “sahaza hohaniny isan-andro”, fa tsy ho an’ny herinandro na mahery, no nasaina nangonin’ny Isiraelita. (Eksodosy 16:4) Izany akory tsy vavaka mba hahazoana sakafo haitraitra na hanina tondraka dia tondraka, fa izay ilaintsika isan’andro arakaraka ny ahatongavan’izany. Manampy antsika tsy ho azon’ny faniriana mihoa-pampana koa ny tsy fangatahana afa-tsy ny hanina isan’andro ihany. — 1 Korintiana 6:9, 10.
13. (a) Amin’ny heviny malalaka, midika ho inona ny fangatahana ny hanina sahaza ho antsika isan’andro? (b) Tokony hanao ahoana ny fihetsitsika, na dia miasa mafy aza isika nefa zara raha ampy hivelomantsika izay ananantsika?
13 Amin’ny heviny malalaka, ny fangatahantsika hanina sahaza ho antsika isan’andro dia manambara fa tsy mahatsiaro tena ho mahaleo-tena isika, fa miantehitra mandrakariva amin’Andriamanitra raha ny amin’ny sakafo, ny fisotro, ny fitafiana ary ireo zavatra hafa rehetra ilaintsika eo amin’ny fiainana. Amin’ny maha-anisan’ny fianakavian’ireo mpanompony nanolo-tena antsika dia matoky an’Andriamanitra isika, nefa tsy mipetra-potsiny ka hoe hiandry azy hanome antsika izay ilaintsika amim-pahagagana. Miasa isika ary mampiasa ny fomba rehetra azontsika ampiasaina mba hahazoana sakafo sy ireo zavatra rehetra ilaintsika eo amin’ny fiainana. Kanefa mety ny hisaorantsika an’Andriamanitra amin’ny vavaka satria hitantsika amin’ireny fanomezana ireny ny fitiavana, sy ny fahendrena ary ny herin’ilay Raintsika any an-danitra. (Asan’ny apostoly 14:15-17; ampitahao amin’ny Lioka 22:19.) Ny faharisihantsika eo amin’ny asantsika dia mety hitarika ho amin’ny fanambinana. Kanefa na dia miasa mafy aza isika ary zara fa mahazo ny ampy, dia aoka isika ho velom-pankasitrahana ary ho afa-po. (Filipiana 4:12; 1 Timoty 6:6-8) Raha ny marina, ny olona iray mifikitra amin’Andriamanitra nefa tsotra ny sakafony sy ny fitafiany dia mety ho sambatra kokoa noho ireo izay ambinina eo amin’ny ara-nofo. Koa na dia tsy manam-be aza isika noho ny tarehin-javatra izay tsy azontsika ihoarana, dia aoka isika tsy ho ketraka. Mbola azontsika atao ihany ny ho manan-karena eo amin’ny ara-panahy. Eny tokoa, tsy voatery ho mahantra isika raha ny amin’ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana an’i Jehovah, izay deraintsika sy isaorantsika amin’ny vavaka avy amin’ny fo.
Ny famelana ny helotsika
14. Trosa inona avy no angatahantsika famelana, ary inona no ampiharin’Andriamanitra amin’izany?
14 “Ary mamelà ny helokay [trosanay, fanamarihana ambany pejy sy MN ] tahaka ny namelanay izay meloka [nitrosa, fanamarihana ambany pejy sy MN ] taminay.” (Matio 6:12; Lioka 11:4) Ny ota nolovana dia misakana antsika tsy hanao ny zavatra rehetra araka ny sitrapon’ny Raintsika tanteraka. Amin’ny heviny iray àry, ireny fahadisoana ireny dia toy ny trosantsika, na adidintsika amin’Andriamanitra, satria efa nanomboka ‘niaina sy nandeha araka ny fanahy’ isika. (Galatiana 5:16-25; ampitahao amin’ny Romana 7:21-25.) Manana ireo trosa ireo isika satria tsy tanteraka ary tsy afaka ny hahatratra izay takin’Andriamanitra izao. Ny mba hahazoana ny famelana ireny helotsika ireny no ananantsika tombontsoa hivavaka. Soa ihany fa afaka mampihatra ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy amin’ny trosantsika na helotsika Andriamanitra. — Romana 5:8; 6:23.
15. Tokony hanao ahoana ny fihetsitsika eo anatrehan’ny fifehezana mendrika ny ho azontsika?
15 Raha manantena ny hamelan’Andriamanitra ny trosantsika, na helotsika, isika, dia tsy maintsy mibebaka ary vonona ny handray fifehezana. (Ohabolana 28:13; Asan’ny apostoly 3:19) Satria tia antsika i Jehovah, dia manome antsika ny fifehezana ilaintsika manokana izy mba hahafahantsika hanitsy ny fahalementsika. (Ohabolana 6:23; Hebreo 12:4-6) Afaka ny ho faly tokoa isika, raha toa ny fontsika, noho ny fitomboan’ny finoana sy ny fahalalana, ka mifanaraka amin’ny fomba feno aoka izany amin’ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’Andriamanitra, hany ka tsy minia mandika izany na oviana na oviana. Ahoana anefa raha takatsika fa misy finiavana ihany ao amin’ny fanaovantsika ratsy? Amin’izay isika dia tokony halahelo mafy, ary hivavaka amin-kafanam-po mba hahazoana famelan-keloka. (Hebreo 10:26-31) Raha mampihatra ny torohevitra nomena antsika isika, dia tokony hanitsy ny lalantsika haingana.
16. Nahoana no mahasoa ny tsy hitsaharana hangataka amin’Andriamanitra mba hamela ny fahotantsika?
16 Mahasoa antsika ny fangatahana tsy tapaka amin’Andriamanitra mba hamelany ny fahotantsika. Ny fanaovana izany dia mampahatsiahy antsika foana ny maha-mpanota antsika, ary tokony hampanetry tena antsika. (Salamo 51:3, 4, 7) Mila ny ‘hamelan’ny Raintsika any an-danitra ny fahotantsika isika sy ny hanadiovany antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.’ (1 Jaona 1:8, 9) Ambonin’izany, ny fanononana ny fahotantsika ao amin’ny vavaka ataontsika dia manampy antsika hanohy hiady mafy aminy. Izany dia mampahatsiahy antsika foana fa mila ny avotra sy ny vidin’ny ra nalatsak’i Jesosy isika. — 1 Jaona 2:1, 2; Apokalypsy 7:9, 14.
17. Amin’ny ahoana ny fivavahantsika ho amin’ny famelana ny helotsika no hanampy antsika eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa?
17 Ny fivavahantsika mba hahazoana famelan-keloka dia manampy antsika koa mba hahay hamindra fo sy haneho fangoraham-po ary hiantra amin’ireo izay mety ho mpitrosa amintsika, na lehibe na kely ilay raharaha. Ny fitantaran’i Lioka dia manao hoe: “Mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay.” (Lioka 11:4) Raha ny marina, dia tsy afaka mahazo ny famelan’Andriamanitra isika raha tsy efa ‘namela izay nitrosa tamintsika’, dia olona izay nanota tamintsika. (Matio 6:12, fanamarihana ambany pejy sy MN; Marka 11:25) Nanampy toy izao i Jesosy: “Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.” (Matio 6:14, 15) Rehefa mivavaka mba hahazoana ny famelana ny helotsika isika dia ho voatosika mba handefitra amin’ny hafa ka hamela azy. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” — Kolosiana 3:13; Efesiana 4:32.
Ny fakam-panahy sy ilay ratsy
18. Nahoana isika no tsy tokony hanome tsiny an’Andriamanitra na oviana na oviana noho ireo fakam-panahy sy fitsapana mahazo antsika?
18 “Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy.” (Matio 6:13; Lioka 11:4) Tsy milaza akory ireo teny ireo fa maka fanahy antsika mba hanota i Jehovah. Ny Soratra Masina indraindray dia miresaka an’Andriamanitra ho manao na mampanao zavatra izay avelany hisy fotsiny. (Rota 1:20, 21; ampitahao amin’ny Mpitoriteny 11:5.) Kanefa “Andriamanitra [dia] tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.” (Jakoba 1:13) Noho izany àry, aoka isika tsy hanome tsiny ny Raintsika any an-danitra na oviana na oviana noho ny fakam-panahy sy fitsapana ho amin’ny ratsy, satria i Satana no ilay Mpaka fanahy izay manandrana manosika antsika hanota amin’Andriamanitra. — Matio 4:3; 1 Tesaloniana 3:5.
19. Amin’ny fomba ahoana no azontsika ivavahana raha ny amin’ny fakam-panahy?
19 Amin’ny fangatahana hoe: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”, raha ny tena izy, isika dia mangataka amin’i Jehovah mba tsy hamela antsika ho resy rehefa alaim-panahy na taomina tsy hankatò azy isika. Afaka miangavy ny Raintsika isika mba hitarika ny diantsika tsy handalo fakam-panahy izay ho sarotra loatra amintsika. Hoy ny nosoratan’i Paoly momba izany: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:13) Afaka mivavaka isika mba hitarihan’i Jehovah antsika mba tsy halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika ary mba hanomezany antsika lalana handosirana izany rehefa ory mafy isika. Ny fakam-panahy dia avy amin’ny Devoly, ny nofontsika mpanota ary ny fahalemen’ny hafa, nefa ny Raintsika be fitiavana dia afaka mitarika antsika mba tsy haharendrika antsika.
20. Nahoana isika no mivavaka mba ho afaka “amin’ny ratsy”?
20 “Fa manafaha anay amin’ny ratsy.” (Matio 6:13) Azo antoka fa afaka manakana an’i Satana, ‘ilay ratsy’, tsy haharesy antsika, Andriamanitra. (2 Petera 2:9) Ary tsy mbola nisy fotoana mihitsy izay nilantsika fanafahana avy amin’ny Devoly lehibe kokoa noho ny ankehitriny, noho izy io ‘manana fahatezerana lehibe satria fantany fa kely sisa ny androny.’ (Apokalypsy 12:12) Fantatsika ny hafetsen’i Satana, kanefa tsy miafina aminy kosa ny fahalementsika. Noho izany dia mila ny mivavaka isika mba hiarovan’i Jehovah antsika amin’ny fangejan’ilay Fahavalontsika toy ny liona. (2 Korintiana 2:11; 1 Petera 5:8, 9; ampitahao amin’ny Salamo 141:8, 9.) Ohatra, raha maniry ny hanambady isika, dia mety hila ny hangataka amin’i Jehovah mba hanafaka antsika amin’ny hafetsen’i Satana sy amin’ny fakam-panahy hamboly fifaneraserana amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao izay mety hitarika ho amin’ny faharatsiam-pitondrantena na ho amin’ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra amin’ny fanambadiana tsy mpino. (Deoteronomia 7:3, 4; 1 Korintiana 7:39) Maniry harena ve isika? Ny vavaka àry dia mety hilaina mba hanampy antsika hahatohitra ny fakam-panahy hiloka na hampiasa fitaka. May ny handrava ny fifandraisantsika amin’i Jehovah i Satana ka hampiasa ny iray amin’ireo fakam-panahy maro be ananany. Enga anie àry isika ka hanohy hivavaka amin’ilay Raintsika any an-danitra, izay tsy mandao ny marina na oviana na oviana ary manome fanafahana amin’ilay ratsy.
Manamafy orina ny finoana sy ny fanantenana ny vavaka
21. Tamin’ny fomba ahoana no nahasoa antsika ny fivavahana ho an’ilay Fanjakana?
21 Ny Raintsika any an-danitra, izay manafaka antsika amin’ilay ratsy, dia ravoravo manome antsika fitahiana tondraka. Kanefa, nahoana izy no namela ny vahoakany malala hivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao” nandritra ny fotoana ela be toy izao? Nandritra ireo taona maro, ny fivavahana toy izany dia nampitombo ny faniriantsika sy ny fankamamiantsika io Fanjakana io. Ny vavaka toy izany dia mampahatsiahy antsika fa mila mafy io fitondram-panjakana any an-danitra manao soa io isika. Izany koa dia mametraka eo anoloantsika ny fanantenana ny hiaina eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana. — Apokalypsy 21:1-5.
22. Tokony hanao ahoana foana ny fihetsitsika raha ny amin’ny vavaka amin’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra?
22 Tsy azo lavina fa ny vavaka dia manamafy orina ny finoana an’i Jehovah. Mihamafy ny fatorana mampiray antsika aminy rehefa mamaly ny vavaka ataontsika izy. Noho izany, dia aoka àry isika tsy ho sasatra na oviana na oviana ny hitodika any aminy isan’andro amin’ny alalan’ny fiderana, ny fisaorana ary ny fitalahoana. Ary enga anie isika ho velom-pankasitrahana noho ny valiny feno fanampiana nomen’i Jesosy ireo mpanara-dia azy izay nangataka hoe: “Tompoko, mampianara anay hivavaka.”
Tadidinao ve?
◻ Inona avy ireo fianarana azontsika avy amin’ireo tenin’i Jesosy sy ny ohatra nomeny tamin’ny naha-olona nivavaka azy?
◻ Ny amin’inona no tokony hivavahantsika momba ilay Raintsika any an-danitra sy ny anarany?
◻ Inona moa no angatahintsika rehefa mivavaka isika mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra ary mba hatao eto an-tany ny sitrapony?
◻ Inona no angatahintsika rehefa mivavaka isika mba hahazo ny hanina sahaza antsika isan’andro?
◻ Midika ho inona ny fivavahantsika ho amin’ny famelana ny trosantsika?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny hivavahana momba ny fakam-panahy sy ny fanafahana amin’ilay ratsy, dia i Satana?
[Sary, pejy 16]
Ny mpanara-dia an’i Jesosy dia nangataka azy mba hampianatra azy ireo hivavaka. Fantatrao ve hoe ahoana no mety hahazoantsika soa avy amin’ny toromarika nomeny momba ny vavaka?