-
Andro FitsaranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Rahoviana ilay Andro Fitsarana? Nampifandraisin’i Kristy ny “andro farany” sy ny fitsarana ny olona, araka ny Jaona 12:48. Milaza ny Apokalypsy 11:17, 18 fa hotsaraina ny maty aorian’ny andraisan’Andriamanitra fahefana lehibe sy hanombohany hanjaka. Mazava kokoa izany rehefa jerena ny filaharan’ireo zava-mitranga ao amin’ny Apokalypsy toko faha-19 sy 20. Voalaza ao fa haringan’ny “Mpanjakan’ny mpanjaka” amin’ny ady iray ny “mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny.” (Antsoina hoe “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” izy io [Ap 16:14].) Hofatorana arivo taona i Satana avy eo. Mandritra an’io arivo taona io ireo mpanjaka sy mpitsara no hiara-manompo amin’i Kristy. Voalaza ao koa fa hatsangana ny maty ary hotsaraina, ka amin’izay no tonga ilay Andro Fitsarana. Tsy hafahafa mihitsy ny fiantsoana ny arivo taona hoe “andro” iray ao amin’ny Baiboly, sady izany mihitsy no voalaza ao.—2Pe 3:8; Sl 90:4.
-
-
Andro FaranyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
“Andro farany.” Milaza ny Baiboly fa hitsangana ny maty amin’ny “andro farany.” (Jn 6:39, 40, 44; 11:24; ampit. Da 12:13.) Ho fotoam-pitsarana io “andro farany” io, hoy ny Jaona 12:48. Mbola ho ela be aorian’ny andron’ny apostoly àry izy io.—Ampit. 1Te 4:15-17; 2Te 2:1-3; Ap 20:4-6, 12.
-