Manana ny hevitr’i Kristy ve ianao?
“Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy.” — ROMANA 15:5.
1. Raha misy olona iray milaza tena ho kristiana, fanontaniana inona avy no mipetraka aminy?
ANGAMBA hisy kristiana maherin’ny iray lavitrisa maneran-tany. Inona no dikan’izany? Fa ara-kevitra fara-faharatsiny, ireo olona rehetra ireo dia mino an’i Jesosy Kristy ary manambara fa manara-dia azy sy mpianany (Matio 10:24, 25). Nefa inona moa no fepetra ilaina mba hanarahana ny ohatra, na modelim-piainan’i Kristy? Miharihary fa ilaina amin’izany ny mahalala azy. Fantatrao marina tokoa ve Jesosy avy any Nazareta? Azonao an-tsaina amin’ny fomba hentitra ve hoe karazan’olona nanao ahoana Jesosy fony izy teto an-tany ary tamin’ny fomba ahoana no nitondrany tena niaraka tamin’ny olona tamin’ny toe-javatra toy izao na izao? Manana ny “hevitr’i Kristy” ve ianao? — I Korintiana 2:16; Efesiana 4:13.
2, 3. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny hevitr’i Kristy?
2 Ahoana no hahatongavana amin’ny fahalalana olona iray velona efa ho roa arivo taona lasa izay, izay ny fiainany fanta-bahoaka dia tsy naharitra afa-tsy telo taona sy tapany monja? Raha ny amin’i Jesosy, dia ananantsika ny fitantarana efatra ny fiainany izay mendri-pitokisana ka manampy antsika hanorina indray ireo toetra samihafa amin’ny maha-izy azy. Ny famakiana amim-pahalianana an’ireo fitantaran’ny filazantsara efatra ireo dia mamela antsika koa hahatakatra ny fomba fihevitra nentiny nanao zavatra. Araka izany, mba hahatongavana ho kristiana marina, fa tsy ny hitondra ny anarana fotsiny, dia ilaina ny mampifanaraka ny fiainana amin’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra anao izay Andriamanitra tokana, sady marina, sy Jesosy Kristy, izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3; II Petera 3:18.
3 Noho izany, ny kristiana rehetra dia tokony hanana fahalalana sy fahatakarana lalina ny Ray, Jehovah, ary koa ny fiainana sy ny fampianaran’ny Zanaka, Kristy Jesosy. Tsy ampy ny milaza tena ho kristiana Vavolombelon’i Jehovah. Mba hahazoana ny hevitr’i Kristy, dia tokony hofenointsika tsy tapaka zavatra izay manampy antsika hahatakatra ny fiainana sy ny ohatr’i Jesosy ny saintsika. Izany dia midika fa ilaintsika ny manokan-tena amin’ny fandinihina tsy tapaka sy marina ny Soratra masina, ary koa ireo boky fianarana Baiboly izay manampy antsika hanazava ny heviny sy hahita ny antonantony nanoratana azy. Ilaintsika koa ankoatr’izany ny hananana toe-tsaina mety mba hahafahana mahatakatra sy manaiky ny andraikitr’i Kristy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. — Jaona 5:39-47; Matio 24:45-47.
Lehilahy iray nahatsapa fihetseham-po
4. Karazan’olona nanao ahoana moa Jesosy?
4 Jesosy, lehilahy mavitrika sy tomady, dia nanomboka ny fanompoany teo amin’ny fahatelopolo taonany (Lioka 3:23). Nefa karazan’olona nanao ahoana moa izy? Nangatsiaka sy nihatakataka ve izy? Mifanohitra amin’izany, tamin’ny naha-jiosy avy any Atsinanana-Afovoany azy, dia olona nivelatra izy. Tsy mba tery saina na nitokatokana izy. Nasehony teo amin’ny fiainany ampahibemaso fa afaka naneho fihetseham-po samihafa koa izy, manomboka amin’ny alahelo sy fangorahana izany ka hatramin’ny hasosorana sy ny fahatezerana ara-drariny. — Marka 6:34; Matio 23:13-36.
5. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy raha nahare ny nahafatesan’i Lazarosy?
5 Ohatra, nanao ahoana moa ny fihetsik’i Jesosy rehefa hitany nitomany noho ny fahafatesan’i Lazarosy anadahiny i Marta sy Maria? Izao no ambaran’ny fitantaran’i Jaona momba izany: “Nalahelo lalina tokoa izy ary very hevitra”, ary “nitomany” izy. (Jaona 11:33-36, La Bible en français courant.) Nasehony an’ireo sakaiza akaiky ireo ny fihetseham-pony. Tsy menatra niaraka nitomany tamin’izy ireo izy. Na dia “Zanak’Andriamanitra” aza izy, dia azon’ny fihetseham-po tena an’ny olombelona. (Jaona 1:34). Tsy maintsy ho nanohina lalina an’i Marta sy Maria izany. — Jereo Lioka 19:41-44.
6. Ny fitomanian’i Jesosy ve manaporofo fa tsy nitomban-dahy izy?
6 Kanefa, satria izy nitomany imason’olona niaraka tamin’ireo vehivavy ireo, ny sasany ankehitriny dia mety hihevitra fa osa Jesosy. Ny mpanoratra katolika Hilaire Belloc tokoa ve tsy nilaza an’i Jesosy ho toy ny “kanosa”? Voamarina ve izany? Moa ve Jesosy ilay olona tsy dia mba mitomban-dahy loatra asehon’ny asa an-tsarin’ny fivavahana milaza tena ho kristiana antsika matetika? Tsia, ny ranomaso akory tsy dia voatery ho mariky ny fahosana. Araka izay nambaran’ny gazety ara-pitsaboana iray, “dia sady tsy ara-dalàna no manimba ny hanakanana ny fihetseham-po ara-dalàna iray (...). Ny olombelona ihany no afaka mampiseho ny fihetseham-pony, indrindra fa amin’ny ranomaso”. — Jereo II Samoela 13:36-38; Jaona 11:35.
7. Amin’ny ahoana ny oha-pangorahana navelan’i Jesosy no mety hanampy antsika ankehitriny?
7 Ny fihetsik’i Jesosy manoloana ny fanaintainan’ny hafa dia ny an’ny olona iray be fangoraham-po; manampy antsika hanahaka azy sy ny heviny izany. Tsy manaraka sary anganongano tsy manana ny maha-izy azy akory isika, fa ny ohatra olombelona, tanteraka, izay nirahin’Andriamanitra ho antsika: “Ny Zanak’Andriamanitra velona.” (Matio 16:16; Jaona 3:16, 17; 6:68, 69). Endrey izany ohatra ho an’ny kristiana rehetra ankehitriny! indrindra fa ho an’ireo mpiandraikitra kristiana, izay ny andraikiny dia ny mampionona an’ireo nahafoy olo-malala na mamakivaky fisedrana hafa, amin’ny fahaizana mipetraka eo amin’ny toerany. Eny, tsaratsara lavitra kokoa, amin’ny toe-javatra toy ireny, ny manana ny hevitra sy ny toe-pon’i Kristy. — I Tesaloniana 2:7, 8.
Olona iray tia miasa be herim-po
8. Herim-po nanao ahoana no nasehon’i Jesosy tamin’ny teniny sy ny asany?
8 Nasehon’i Jesosy koa fa be herim-po tamin’izay zavatra ninoany izy ary lehilahy tia miasa mavitrika. Araka izany, dia indroa mihitsy izy no nandroaka tamin-kery tsy ho ao amin’ny tempoly ireo mpivarotra biby sy mpanakalo vola (Marka 11:15-17; Jaona 2:13-17). Tsy nisalasala koa izy namaky bantsilana ampahibemaso ny fihatsarambelatsihin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, izay nanamarin-tena. Nomelohiny tamin-kerim-po izy ireo tamin’ny filazana hoe: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho ho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra.” Tsy nisy fahosana velively tao amin’ireo teny ireo. — Matio 23:27, 28; Lioka 13:14-17.
9, 10. a) Nahoana ny fahasosoran’i Jesosy no tsy ota? b) Tokony hanan-kery inona eo amin’ny mpiandraikitra kristiana iray moa ny ohatr’i Kristy?
9 Ny fahasosoran’i Jesosy ve manaporofo fa tsy ampy fifehezan-tena izy? Petera, izay namana akaikin’i Jesosy nandritra ny fanompoany, dia manambara hoe: “Izay tsy nanota akory.” (I Petera 2:22). Ny apostoly Paoly etsy andaniny, dia nanoratra hoe: “Fa isika tsy manana mpisoronabe, izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika koa, kanefa tsy nanana ota.” (Hebreo 4:15). Tena misy fahasamihafana amin’ny fanamelohana ara-drariny voafehy tanteraka sy ny fahatezerana avela tsy hanam-pitsaharana. — Jereo Ohabolana 14:17; Efesiana 4:26.
10 Noho izany, na dia tsy mora tezitra aza ny mpiandraikitra kristiana iray, dia tsy tokony tsy hanana ny hery ara-tsaina mba “handresy lahatra ny mpanohitra”, ary amin’ny fomba “mafy” mihitsy raha ilaina izany. Tokony ho afaka ‘handresy lahatra sy hananatra mafy ary hamporisika’ izy. (Titosy 1:7-13; II Timoty 4:1, 2). Mety hiteraka fahasosorana ara-drariny ao aminy koa ny toe-javatra sasany, indrindra moa fa raha miseho miharihary ho fandrahonana ny firaisana, ny ara-panahy na ny fahadiovana ara-pitondrantenan’ny kongregasiona izany. Araka ny nambaran’i Paoly, dia ilaina indraindray, ny ‘manampim-bava’ ireo “mpitaria foana sy mpamitaka” izay mampivadika “mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety mba hahazoany harena maloto”. Amin’ireo toe-javatra ireo, ny loholona, ampian’ny hevitr’i Kristy, dia hiseho ho be herim-po, mandanjalanja, sy tapa-kevitra. — Jereo I Korintiana 5:1-5; Apokalypsy 2:20-23; 3:19.
11. Fanontaniana inona no mampiseho amintsika ny fomba tokony hanahafantsika an’i Kristy?
11 Raha namakivaky an’i Galilia, Samaria sy Jodia i Jesosy dia nahita karazan’olona maro: lehilahy, vehivavy, ankizy, marary ary sasany izay nihevitra azy ho fahavalo mandozany. Nanao ahoana moa ny fihetsiny tamin’ireny olona ireny? Niseho ho ambony sy nihatakataka ve izy, sa mora hatonina? Nahatakatra ny zava-manahirana sy ny fakam-panahy mpahazo ny olombelona ve izy? Niseho ho tsy miantra ve izy, sa be famindram-po? Ny valin’ireo fanontaniana ireo no manondro antsika izay tokony hataontsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro mba hanahafana an’i Kristy. — Romana 15:5; Filipiana 2:5.
Mandray ny ankizy Jesosy
12. Tamin’ny toe-javatra iray, fandraisana nanao ahoana no nomanin’i Jesosy sy ny mpianany ho an’ny ankizy?
12 Ao amin’ny Marka toko faha-10, andininy 13 ka hatramin’ny 16 dia mahita fitantarana tena tsara iray isika izay mampiseho ny fihetsik’i Jesosy tamin’ny ankizy. Izao no vakintsika ao: “Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tànana, fa ny mpianany niteny mafy ireny.” Tsy ambaran’ny fitantarana ny antony nanaovan’ny mpianany toy izany. Eo amin’ny taona 33 isika izao ary Jesosy, niainga avy tany Galilia, dia mamakivaky an’i Perea mba ho any amin’ny faritany izay hifaranan’ny fanompoany, dia Jerosalema sy ny manodidina azy. Angamba mihevitra an’i Jesosy ho lehibe loatra na sahirana loatra izy ireo tamin’izay fotoana izay ka tsy ho afaka hiahy ireo ankizy. Kanefa, Jesosy mihitsy ve mba nilaza ho sahirana loatra? “Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy izy taminy [ny mpianatra]: ‘Avelao ny zaza hanatona ahy, ary aza raràna, fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.’ (...) Ary nitrotro azy izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.
13. Fihetseham-po inona no tsapan’ny olona tamin’ny fanatrehan’i Jesosy?
13 Inona no ianarantsika amboniny, eo amin’io fitantarana io, raha ny amin’ny hevitr’i Kristy? Dia ny hoe hentitra izy tamin’ireo mpianany rehefa diso hevitra ireo ary feno fahamoram-panahy tamin’ny madinika; takany izay nanosika ireo ray aman-dreny hitondra ny zanany ho eo aminy: dia ny faniriany hikasihan’i Jesosy azy ireo sy hitsofany rano azy. Araka izany, dia tsapantsika fa tsy natahoran’ny olona Jesosy. Hainy ny niresaka tamin’izy ireo, ary nitady ny fiarahana taminy ireo. Na dia ny ankizy aza dia nahatsiaro tena ho finaritra teo anatrehany ary izy koa dia nahatsiaro tena ho finaritra niaraka tamin’izy ireo. Moa ve ny olona, ary indrindra fa ny ankizy, finaritra eo anatrehanao? — Marka 1:40-42; Matio 20:29-34.
14. Raha ny amin’ny hoe mora hatonina, iza indrindra moa no tokony hanaraka ny ohatr’i Jesosy?
14 Jesosy dia be firaiketam-po, tsara fanahy ary be hafanam-po (Marka 9:36, 37). Mora natonina izy. Ianao izay mpianatr’i Kristy, manana ny fisainany ve ianao amin’io lafiny io? Ireo mpiandraikitra kristiana izay manompo any amin’ireo distrika, fizaran-tany, kongregasiona ary sampan’ny Fikambanana Watch Tower maneran-tany dia tokony hanontany tena toy izao: Henjana ara-pampianarana sy tsy mety milefitra ve aho? Sa kosa aho manao izay hahatsapan’ny hafa tena ho finaritra miaraka amiko, na dia ireo ankizy aza? Tena mora hatonina tokoa ve aho? — Ohabolana 12:18; Mpitoriteny 7:8.
Ny fifandraisan’i Jesosy tamin’ny vehivavy
15, 16. Tamin’ny ahoana Jesosy no niavaka tamin’ny Jiosy hafa tamin’ny fifandraisany amin’ny vehivavy?
15 Ny loholona, ny mpikarakara momba ny asa mbamin’ny rahalahy hafa ao amin’ny kongregasiona kristiana ve manana ny hevitr’i Kristy eo amin’ny fifandraisany amin’ireo anabavy sy amin’ny vehivavy amin’ny ankapobeny? Nanao ahoana moa ny fitondrantenan’i Kristy, izay mpitovo, rehefa nanan-draharaha tamin’ny vehivavy izy tamin’ny tarehin-javatra samihafa?
16 Tao amin’io fiaraha-monina jiosy nanjakan’ny lehilahy io, Jesosy dia mpampianatra iray somary niavaka ihany, satria izy dia vonona hiresaka amin’ny vehivavy, na dia tamin’ny tsy Jiosy aza. (Jaona 4:7-30). Ohatra, indray andro raha tany amin’ny faritany tsy jiosy any Tyro sy Sidona izy, dia nisy vehivavy grika nangataka azy mba hanampy ny zanany vavy azon’ny demonia. Raha ny ara-dalàna, ny Jiosy fatra-panara-dalàna iray dia ho nanda ny hiresaka aminy, kanefa Jesosy dia nihaino azy ary nisedra ny finoany tamin’ny filazana hoe: “Aoka ho voky aloha ny zaza [Jiosy]; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely [ny Jentilisa].” Moa ve ny toe-peon’i Jesosy nampiseho fa te-hijanona teo izy? Niseho ho henjana ara-pampianarana ve izy ka nanapaka tampoka ny resaka rehetra? Miharihary fa tsia satria ilay vehivavy dia namaly tamim-pandanjalanjana be hoe: “Eny, tompoko; kanefa na dia ny amboakely, ao ambany latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ihany.” Ireo teny ireo dia nisy heriny tsara tamin’i Jesosy, izay nanasitrana ny zanak’io vehivavy io. — Marka 7:24-30.
17. Mampianatra antsika inona ny fihetsik’i Jesosy tamin’ny vehivavy mpanota iray?
17 Tsy nanana fitsarana an-tendrony momba ny vehivavy Jesosy; tsy nihevitra ny fisehoana ivelany fotsiny izy (Matio 22:16). Tamin’ny toe-javatra iray hafa, raha nisakafo tao an-tranon’ny Fariseo iray izy, dia namela ny vehivavy mpanota iray fanta-bahoaka, angamba vehivavy janga, hanasa ny tongony sy hanoso-menaka azy. Tamin’izany asa izany no nampisehoany fa nibebaka tamin’ny fahotany izy (Lioka 7:36-50). Tsy nihevitra azy ho very Jesosy ary tsy nandroaka azy tamin’ny fanamelohana azy manontolo satria ratsy fitondran-tena izy (Jereo Jaona 4:7-30). Namela ny helony izy ‘fa be fitiavana izy’. Mampianatra antsika inona ny amin’ny hevitr’i Kristy izany? Fa izy dia be fangoraham-po sy feno fahatakarana nanoloana ny vehivavy. Tsy ho azontsika atao ve ny manahaka azy eo anivon’ny kongregasiona sy eo amin’ny fanompoantsika? — Lioka 19:1-10; Romana 14:10-13; I Korintiana 6:9-11.
Ahoana no nitondran’i Jesosy ny mpianany
18. a) Ahoana no fihetsiky ny olona sasany amin’ireo izay miasa eo ambany fiandraiketany? b) Ahoana no nitondran’i Jesosy ny mpianany sy ny olona amin’ny ankapobeny (Marka 6:54-56)?
18 Mitranga matetika ny hoe misy olona mitana toerana misy andraikitra mahatsiaro tena ho rahonan’ny olona eo ambany fifehezany. Sakanany izay heveriny tsy amim-pahatsiarovan-tena akory ho toy ny famelezana ny fahefany, ary manaiky ho azon’ny fiavonavonana izy. Mailaka hanakiana ery izy ireo ary mitsitsy teny fankasitrahana ho an’ireo izay miasa eo ambany fiadidiany. Ny feo manambony tena ampiasainy dia tsy fahampiam-panajana ny amin’ny fahamendrehan’ny hafa. Nanao ahoana anefa ny amin’izany tamin’i Jesosy? Ahoana no nitondrany ireo izay teo ambany fitarihany, dia ny mpianany? Nataony ve izay hahatsapan’izy ireo tena ho ambany, tsy mahomby na ho olona adala? Sa kosa, finaritra izy ireo rehefa niara-niasa taminy? — Jereo Matio 11:28-30; 25:14-23.
19. Inona no ampianarin’ny Jaona 13:1-17 antsika ny amin’i Jesosy?
19 Ny amin’izany indrindra, dia hita ao amin’ny Jaona toko faha-13 ny iray amin’ny lesona miavaka indrindra nomen’i Jesosy ny mpianany. Manasa anao hamaky ny andininy voalohany ka hatramin’ny faha-17. Tamin’ireo andro ireo, dia be vovoka ny lalana, ary ny fanao dia nitaky ny hanasan’ny mpanompo iray ny tongotry ny vahiny. Niantsoroka an’izany asan’ny mpanompo izany Jesosy. Toetra inona no nasongadiny raha nanasa ny tongotry ny mpanompony izy? Nanome azy ireo fianarana azo ampiharina momba ny fanetren-tena izy. Inona no ianarantsika eto ny amin’ny hevitr’i Kristy? Manome valiny antsika ny tenin’i Jesosy: “Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny naniraka azy. Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany!” — Jaona 13:16, 17.
20. Fanontaniana inona no azontsika apetraka amin’ny tenantsika mba hahitana raha manana ny hevitr’i Kristy isika?
20 Manana ny hevitr’i Kristy ve isika amin’io lafiny io? Vonona hanatanteraka asa ambany sy fanaon’ny mpiasa ve isika, na any an-tokantrano na eo anivon’ny kongregasiona? Sa tsy mety hanao afa-tsy izay heverintsika ho zava-dehibe isika, na izay heverintsika ho toy izany? Manam-paniriana ny handray anjara amin’ny asa fitoriana ny vaovao tsara isan-trano isan-trano izay mitaky fanetren-tena bebe kokoa indraindray ve isika? Sa kosa ny lahateny mety homentsika ao amin’ny Efitrano Fanjakana ihany no mahaliana antsika? Marina tokoa, fa raha manana ny hevitr’i Kristy isika, dia hitoetra ho manetry tena sy mora hatonina, toy ny naha-izany an’i Jesosy. — Romana 12:3.
21. Nahoana no azo atao ny milaza fa Jesosy dia nahay nipetraka teo amin’ny toeran’ny apostoly? ny vahoaka?
21 Indray andro, taorian’ny fiaraha-nivoaka nitory manokana, Jesosy dia niseho ho be fiahiana tokoa ireo apostoly. Na dia tanteraka aza izy dia tsy mba nanantena fahatanterahana avy tamin’ny hafa. Teo am-pifaranan’io fotoam-pitoriana io, dia tsy nitaky ny hiverenan’ny apostoly hitory avy hatrany sy hanaovan’izy ireo tsaratsara kokoa izy. Nasiany fiheverana ny filan’ireo fialan-tsasatra ary dia nitondra azy ireo tamin’ny toerana nitokana izy. Nefa raha nanaraka azy ny vahoaka, moa ve Jesosy niseho ho sosotra na tsy naharitra? Tsia, satria “feno fangorahana ireo olona ny fony”, hoy ny fitantarana amintsika. — Marka 6:30-34, Ny Baiboly amin’ny teny frantsay mahazatra.
22. Inona izao no hanampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny hevitr’i Kristy?
22 Tamin’ny ohatra tsara dia tsara toy izany, moa ve mahagaga raha tonga mpianatra mahatokin’i Kristy ny ankamaroan’ny apostoly? Ny zavatra nianaran’i Petera tamin’ny fifaneraserana akaiky tamin’i Jesosy dia tsy isalasalana fa nisy heriny lehibe taminy. Azo antoka fa i Petera no nanome an’i Marka ny tapany lehibe amin’ny filazalazana voarakitra ao amin’ny fitantarana ara-pilazantsarany. Ary, tamin’ny fomba miadana, nefa azo antoka, no nifanentanany tamin’ny hevitr’i Kristy. Ny fandinihana ny taratasiny voalohany dia hanampy antsika hanaraka mbola akaiky kokoa ihany ny ohatr’i Kristy. — Matio 16:15-17, 21-23.
Tadidinao ve izany?
◻ Ahoana no ahazoantsika manana ny hevitr’i Kristy?
◻ Lehilahy nanao ahoana moa Jesosy?
◻ Ahoana no fomba nitondran’i Jesosy tena niaraka tamin’ny ankizy? niaraka tamin’ny vehivavy?
◻ Inona no fianarana tsoahintsika amin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpianany?
[Sary, pejy 10]
Vonton’alahelo Jesosy, ary tsy nanafina ny fihetseham-pony.
[Sary, pejy 12]
Olona iray tia miasa be herim-po Jesosy.
[Sary, pejy 15]
Nanome ohatra miavaka ny amin’ny fanetren-tena i Jesosy.