TOKO 17
“Tsy Misy Manana Fitiavana Lehibe Noho Izao”
1-4. a) Inona no nitranga rehefa nanolotra an’i Jesosy tamin’ny vahoaka tezitra teo ivelan’ny lapany i Pilato? b) Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nambanina sy nampijalina izy? Inona avy no fanontaniana lehibe mipoitra?
“IO ÀRY ny lehilahy!”, hoy i Pontio Pilato, governora romanina. Nanolotra an’i Jesosy Kristy tamin’ny vahoaka tezitra, nivory teo ivelan’ny lapany izy tamin’izay. Ny marainan’ny Paska taona 33 tamin’io. (Jaona 19:5) Vao nihoby an’i Jesosy ny vahoaka, andro vitsivitsy monja talohan’izay. Niditra tamim-pandresena tao Jerosalema mantsy izy, ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra. Hafa mihitsy anefa no fiheveran’ilay vahoaka romotra azy teto.
2 Nampitafiana akanjo volomparasy toy ny an’ny mpanjaka i Jesosy, ary nasiana fehiloha. Natao hanesoana ny maha mpanjaka azy anefa ilay akanjo, izay nandrakotra ny lamosiny rovidrovitry ny karavasy sy boba ra. Toy izany koa ilay fehiloha tsilo nalentika tamin’ny lohany, izay nivoa-dra. Nanilikilika an’io lehilahy matim-bono nijoro teo anoloany io ny vahoaka, rehefa nampirisihin’ny lehiben’ny mpisorona. Niantsoantso ny mpisorona hoe: “Fantsiho eo amin’ny tsato-kazo izy! Fantsiho eo amin’ny tsato-kazo!” Nikendry ny hahafaty azy ny vahoaka, ka nihorakoraka hoe: “Tokony ho faty izy.”—Jaona 19:1-7.
3 Tony sy be herim-po ary tsy nitaraina i Jesosy, rehefa niaritra izany fanambaniana sy fampijaliana izany.a Vonona tanteraka ny ho faty izy. Nanaiky an-tsitrapo hiaritra fanaintainana mafy sy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana izy taoriana kelin’izay, tamin’io andron’ny Paska io ihany.—Jaona 19:17, 18, 30.
4 Noporofoin’i Jesosy tamin’izy nahafoy ny ainy, fa tena naman’ny mpanara-dia azy izy. Hoy izy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jaona 15:13) Ireto àry misy fanontaniana lehibe mipoitra vokatr’izany: Tena nila nijalijaly sy maty ve i Jesosy? Nahoana izy no nanaiky an’izany an-tsitrapo? Koa satria isika “namany” sady mpanara-dia azy, ahoana no anahafantsika azy?
Nahoana i Jesosy no nila nijaly sy maty?
5. Ahoana no nahafantaran’i Jesosy ny fitsapana niandry azy?
5 Fantatr’i Jesosy izay hanjo azy, satria izy ilay Mesia nampanantenaina. Fantany ireo faminaniana maro ao amin’ny Soratra Hebreo, izay milaza amin’ny an-tsipiriany ny fijalian’ny Mesia sy ny fahafatesany. (Isaia 53:3-7, 12; Daniela 9:26) Imbetsaka izy no niresaka tamin’ny mpianany momba ny fitsapana niandry azy. (Marka 8:31; 9:31) Nilaza mazava tsara toy izao tamin’ny apostoliny i Jesosy, rehefa teny an-dalana ho any Jerosalema, mba hankalaza farany ny Paska: “Hatolotra amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny Zanak’olona. Dia homelohin’izy ireo ho faty izy, ary hatolony amin’ny hafa firenena, ka hihomehezan’ireny sy hororany sy hokaravasiny ary hovonoiny ho faty.” (Marka 10:33, 34) Tanteraka tokoa ireo teny ireo. Tena nihomehezana, nororana, nokaravasina. ary novonoina ho faty i Jesosy, araka ny efa fantatsika.
6. Nahoana i Jesosy no nila nijaly sy maty?
6 Nahoana anefa i Jesosy no nila nijaly sy maty? Misy antony tena lehibe maromaro nahatonga izany. Voalohany, raha tsy mivadika i Jesosy dia ho voaporofony fa tsy voatarika hanao ratsy izy sady manamasina ny anaran’i Jehovah. Tadidio ilay fanendrikendrehan’i Satana hoe fitadiavana tombontsoa fotsiny no anompoan’ny olona an’Andriamanitra. (Joba 2:1-5) Rehefa tsy nivadika àry i Jesosy, ka nanaiky “ho faty mihitsy aza ... teo amin’ny hazo fijaliana”, dia nanome ny porofo mavesa-danja indrindra fa diso ny fiampangan’i Satana. (Filipianina 2:8; Ohabolana 27:11) Faharoa, hanavotra ny olona amin’ny fahotana ny fijalian’ny Mesia sy ny fahafatesany. (Isaia 53:5, 10; Daniela 9:24) Nanome “ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny olona maro” i Jesosy, ka manjary afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra isika. (Matio 20:28) Fahatelo, “notsapaina tamin’ny zavatra rehetra hoatr’antsika” i Jesosy, rehefa niaritra zava-tsarotra sy fijaliana isan-karazany. Lasa Mpisoronabe mahay “mangoraka antsika amin’ny fahalementsika” izy noho izany.—Hebreo 2:17, 18; 4:15.
Nahoana i Jesosy no nanaiky ho faty?
7. Inona no nafoin’i Jesosy rehefa nidina tetỳ an-tany izy?
7 Eritrereto izao ohatra izao, mba hahazoanao tsara izay nataon’i Jesosy an-tsitrapo: Aiza no hisy olona handao ny fianakaviany sy ny tranony, ka handeha hipetraka any an-tany hafa, nefa efa fantany fa hailikiliky ny ankamaroan’ny mponina any izy, sady hambanina sy hampijalina ary hovonoina ho faty? Eritrereto indray izao izay nataon’i Jesosy. Nanana toerana miavaka teo anilan’ny Rainy izy tany an-danitra. Nandao an-tsitrapo an’izany fonenany izany anefa izy, ary nidina tetỳ an-tany ka lasa olombelona. Nanao izany izy, na dia efa fantany aza fa hailikiliky ny ankamaroan’ny olona izy, hambanina amin’ny fomba mahatsiravina, hijalijaly be, ary ho faty. (Filipianina 2:5-7) Nahoana i Jesosy no nanao sorona toy izany?
8, 9. Nahoana i Jesosy no nahafoy ny ainy?
8 Ny fitiavana lalina ny Rainy no antony lehibe indrindra nanaovany izany. Niaritra i Jesosy, satria tia an’i Jehovah. Io fitiavana io no nahatonga azy hihevitra ny anaran’ny Rainy sy ny lazany. (Matio 6:9; Jaona 17:1-6, 26) Tena nalana baraka ny anaran’ny Rainy, ka ny hamerina indray ny voninahitr’io anarana io no zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy. Noho izany, dia voninahitra lehibe indrindra ho azy ny nijaly noho ny fahamarinana. Fantany mantsy fa handray anjara amin’ny fanamasinana ny anarana mendri-kajan’ny Rainy izy, raha tsy mivadika.—1 Tantara 29:13.
9 Nahafoy ny ainy koa i Jesosy, noho ny fitiavany ny olombelona. Efa hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona izy no tia azy ireo. Lazain’ny Baiboly fa ‘tena tiany ny zanak’olombelona’ na dia efa ela be talohan’ny nankanesany tetỳ aza. (Ohabolana 8:30, 31) Hita niharihary io fitiavany io tamin’izy tetỳ an-tany. Hitantsika tao amin’ireo toko telo teo aloha, fa nisy fomba maro nampisehoan’i Jesosy ny fitiavany ny olombelona, ary indrindra fa ny mpanara-dia azy. Ny ainy mihitsy anefa no nafoiny ho antsika, tamin’ny 14 Nisana taona 33. (Jaona 10:11) Io tokoa no porofo lehibe indrindra fa tia antsika izy. Tokony hanahaka azy ve isika amin’io lafiny io? Eny. Nahazo didy hanao izany mihitsy aza isika.
‘Mifankatiava hoatran’ny nitiavako anareo’
10, 11. Inona ilay didy vaovao nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy, ary mitaky inona amintsika izy io? Nahoana isika no tena tokony hankatò azy io?
10 Nilaza toy izao tamin’ireo mpianany akaiky azy indrindra i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany: “Izao no didy vaovao omeko anareo: Mifankatiava ianareo, ka hoatran’ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Nahoana no lazaina fa “didy vaovao” ny hoe “mifankatiava”? Efa nilaza mantsy ny Lalàn’i Mosesy hoe: “Tiavo ny namanao [na ny mpiara-belona aminao] tahaka ny tenanao.” (Levitikosy 19:18) Mitaky ny hanehoantsika fitiavana lehibe kokoa anefa ilay didy vaovao, izany hoe fitiavana izay handrisika antsika hamoy ny aintsika ho an’ny hafa. Nilaza izany mazava tsara i Jesosy, rehefa niteny hoe: “Izao no didiko: Mifankatiava ianareo, hoatran’ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jaona 15:12, 13) Raha tsorina, dia milaza ilay didy vaovao hoe: “Tiavo ny hafa, nefa tsy tahaka ny tenanao, fa mihoatra noho ny tenanao.” Izany fitiavana izany no nasehon’i Jesosy teo amin’ny fiainany sy tamin’ny nahafatesany.
11 Nahoana isika no tena tokony hankatò an’ilay didy vaovao? Tadidio ilay tenin’i Jesosy hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo”, izany hoe ny fitiavana feno fahafoizan-tena. Io tokoa no amantarana ny tena Kristianina. Azo oharina amin’ny karatra famantarana izy io. Mitondra karatra toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa manatrika ny fivoriambe fanaony isan-taona. Io no amantarana azy, satria misoratra eo ny anarany sy ny fiangonana misy azy. Toy ny karatra famantarana ny tena Kristianina koa ny fifanehoana fitiavana feno fahafoizan-tena. Izany hoe tokony ho hita miharihary tsara toy ny karatra famantarana ny fifankatiavantsika, ka ho fantatry ny olona fa tena mpanara-dia an’i Kristy isika. Ilaintsika tsirairay àry ny misaintsaina hoe: ‘Hita etỳ amiko ve io “karatra” io? Izany hoe miharihary eo amin’ny fiainako ve fa manana fitiavana feno fahafoizan-tena aho?’
Inona no atao hoe fitiavana feno fahafoizan-tena?
12, 13. a) Tonga hatramin’ny fanaovana inona isika mba hanaporofoana ny fifankatiavantsika? b) Inona no dikan’ny hoe mahafoy tena?
12 Mila mifankatia toy ny nitiavan’i Jesosy antsika isika mpanara-dia azy. Midika izany fa mila mahafoy tena ho an’ny mpiray finoana amintsika isika. Tonga hatramin’ny fanaovana inona isika raha mahafoy tena? Hoy ny Baiboly: “Lasa fantatsika ny atao hoe fitiavana satria nahafoy ny ainy ho antsika izy. Dia tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny rahalahintsika koa isika.” (1 Jaona 3:16) Manahaka an’i Jesosy isika, ka tsy maintsy vonona ny ho faty ho an’ny mpiray finoana amintsika, raha ilaina izany. Rehefa misy fanenjehana, dia aleontsika manao sorona ny aintsika toy izay hamadika ireo rahalahy sy anabavintsika kristianina, ka hotandindomin-doza ny ainy. Raha misy adim-poko, dia vonona isika hamoy ny aintsika mba hiarovana azy ireny, na inona na inona fiaviany na foko misy azy. Raha mipoaka koa ny ady eo amin’ny firenena samy hafa, dia aleontsika alefa any am-ponja na vonoina ho faty, toy izay handray fiadiana hamonoana olona mitovy fivavahana amintsika na olon-kafa.—Jaona 17:14, 16; 1 Jaona 3:10-12.
13 Misy fomba hafa hanehoana fitiavana feno fahafoizan-tena, ankoatra ny hoe mamoy ny aina ho an’ireo rahalahintsika kristianina. Vitsy amintsika, raha ny marina, no angatahina hanao sorona lehibe toy izany. Raha tia ny rahalahintsika anefa isika ka vonona hamoy ny aintsika ho azy ireny, moa ve isika tsy tokony ho vonona hanao sorona kely kokoa, mba hanampiana azy ireny dieny izao? Ny hoe mahafoy tena dia midika hoe manaiky hamela zavatra mahasoa na mampiadana ny tena, mba hahasoa ny hafa. Miahy izay ilainy sy izay hahasoa azy alohan’ny an’ny tenantsika isika, na dia tsy mora aza izany. (1 Korintianina 10:24) Ahoana àry no azontsika anehoana fitiavana feno fahafoizan-tena?
Eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana
14. a) Inona avy no zavatra mila afoin’ny anti-panahy? b) Ahoana no fiheveranao an’ireo anti-panahy miasa mafy eo anivon’ny fiangonana misy anao?
14 Mahafoy zavatra maro ny anti-panahy, mba ‘hiandrasana ny andian’ondry.’ (1 Petera 5:2, 3) Efa mikarakara ny ankohonany izy ireo, nefa mbola mety haka fotoana koa amin’ny takariva na amin’ny faran’ny herinandro, mba hikarakarana ny zavatra ilain’ny fiangonana. Anisan’izany ny fanomanana ny anjarany amin’ny fivoriana, ny fitsidihana ondry, ary ny fandaminana raharaham-pitsarana. Mbola betsaka noho izany aza ny sorona ataon’ny anti-panahy maro. Ao ny miasa mafy mandritra ny fivoriambe. Ao koa ireo anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly na Antokona Mpamangy Marary. Ny hafa indray mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana. Ry anti-panahy, aza hadinoina na oviana na oviana fa maneho fitiavana feno fahafoizan-tena ianareo, rehefa mahafoy fotoana sy hery ary fananana mba hiandrasana ny andian’ondry. (2 Korintianina 12:15) Mankasitraka ny ezaka sy ny fahafoizan-tenanareo i Jehovah sy ny fiangonana karakarainareo.—Filipianina 2:29; Hebreo 6:10.
15. a) Inona ny sorona sasany ataon’ny vadin’ny anti-panahy? b) Ahoana no fiheveranao an’ireo anabavy mahafoy ny fotoana tokony hiarahany amin’ny vadiny, mba hahafahan’izy io hikarakara ny fiangonana?
15 Ahoana kosa ny amin’ny vadin’ny anti-panahy? Tsy ekenao ve fa manao sorona koa ireny vehivavy ireny, rehefa manohana ny vadiny mba hahafahany hikarakara ny andian’ondry? Tena manao sorona tokoa izy, rehefa mamela ny vadiny hikarakara ny zavatra ilain’ny fiangonana, mandritra ny fotoana azon’izy mianakavy iarahana. Eritrereto koa ireo vadin’ny mpiandraikitra ny faritra. Misy sorona ataon’izy ireny mba hahafahany hanaraka ny vadiny mitety fiangonana sy faritra. Tsy mba manana trano azy manokana izy, ary misy aza indraindray tsy maintsy miovaova fandriana isan-kerinandro. Mendri-piderana tokoa ireo vehivavy manambady, izay mampiseho fitiavana feno fahafoizan-tena amin’ny fomba maro, ka miahy izay hahasoa ny fiangonana alohan’ny tenany.—Filipianina 2:3, 4.
16. Inona avy ny sorona ataon’ny ray aman-dreny kristianina mba hahasoa ny zanany?
16 Ahoana no azontsika anehoana fitiavana feno fahafoizan-tena eo anivon’ny fianakaviana? Ry ray aman-dreny, manao sorona maro tokoa ianareo mba hikarakarana ny zanakareo sy hitaizana azy “araka izay anatra omen’i Jehovah sy izay atorony.” (Efesianina 6:4) Tsy maintsy manao asa mamizana be mandritra ny ora maro angamba ianareo, vao mahita hanin-kohanina sy fitafiana ary trano ho an’ny zanakareo. Aleonareo angamba mihafy toy izay tsy hanana izay tena ilainy ny zanakareo. Miezaka mafy koa ianareo mampianatra ny zanakareo, mitondra azy mivory, ary manao fanompoana miaraka aminy. (Deoteronomia 6:6, 7) Faly mahita izany fitiavana feno fahafoizan-tenanareo izany i Jehovah, Ilay namorona ny fianakaviana. Mety hahazo fiainana mandrakizay mihitsy aza ny zanakareo vokatr’izany.—Ohabolana 22:6; Efesianina 3:14, 15.
17. Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy kristianina manambady fa mahafoy tena toa an’i Jesosy izy?
17 Ry lehilahy manambady, ahoana no hampisehoanareo fitiavana feno fahafoizan-tena toy ny nataon’i Jesosy? Hoy ny Baiboly: “Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efesianina 5:25) Efa hitantsika fa tena tia ny mpanara-dia azy i Jesosy, ka nanaiky ho faty ho azy ireo. “Tsy nampifaly ny tenany” izy. (Romanina 15:3) Mahafoy tena toa azy ny lehilahy kristianina manambady. Izay ilain’ny vadiny sy hahasoa azy no heveriny alohan’ny an’ny tenany. Tsy manizingizina ny hanaovana izay tiany izy, fa vonona handefitra rehefa tsy misy torolalan’ny Baiboly voadika. Mahazo sitraka amin’i Jehovah ny lehilahy maneho fitiavana feno fahafoizan-tena, sady tian’ny vady aman-janany sy hajainy.
Inona no hataonao?
18. Inona no mandrisika antsika hankatò ilay didy vaovao hoe: “Mifankatiava”?
18 Tsy mora ny mankatò ilay didy vaovao hoe: “Mifankatiava.” Misy antony iray tena mandrisika antsika hanao izany anefa. Hoy i Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria lasa fantatray hoe olona iray no maty ho an’ny rehetra. ... Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.” (2 Korintianina 5:14, 15) Koa satria maty ho antsika i Jesosy, moa ve izany tsy mandrisika antsika mba ho velona ho azy? Afaka manao izany isika, raha maneho fitiavana feno fahafoizan-tena toa azy.
19, 20. Inona ilay fanomezana sarobidy nomen’i Jehovah antsika? Ahoana no ampisehoantsika fa manaiky azy io isika?
19 Tsy nanitatra i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jaona 15:13) Ny namoizany ny ainy ho antsika tokoa no porofo lehibe indrindra fa tia antsika izy. Mbola nisy nampiseho fitiavana lehibe noho izany tamintsika anefa. Hoy i Jesosy: “Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an’ilay Zanany lahitokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra antsika, matoa nanome ny Zanany ho vidim-panavotana izy, ka afaka manantena ny hafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana isika. (Efesianina 1:7) Fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ny vidim-panavotana, nefa tsy manery antsika hanaiky azy io izy.
20 Anjarantsika ny mifidy raha hanaiky an’io fanomezan’i Jehovah io isika. Ahoana no ampisehoantsika fa manaiky azy io isika? “Maneho finoana” an’ilay Zanany. Tsy ampy anefa ny milaza hoe manam-pinoana isika. Ny ataontsika, izany hoe ny fomba fiainantsika, no manaporofo ny finoantsika. (Jakoba 2:26) Hita hoe mino an’i Jesosy Kristy isika, raha manara-dia azy isan’andro. Handray fitahiana maro isika dieny izao sy amin’ny hoavy, raha manao izany. Hodinihina ao amin’ny toko farany izany.
a Nororana indroa i Jesosy tamin’io andro io. Ny mpitondra fivavahana no nanao izany voalohany, ary avy eo ny miaramila romanina. (Matio 26:59-68; 27:27-30) Tsy nitaraina koa anefa izy, na dia natao tsinontsinona hoatr’izany aza. Tanteraka tamin’izay ilay faminaniana hoe: “Ny tarehiko ... tsy mba nafeniko tamin’ny olona nanala baraka sy nandrora ahy.”—Isaia 50:6.