Fanontanian’ny mpamaky
◼ Araka ny fahazoako azy, hatramin’ny nahalavoan’ny olombelona tao anatin’ny fahotana, Andriamanitra dia tsy mifampiraharaha amin’ny olombelona afa-tsy amin’ny alalan’ny Zanany. Ahoana àry no azon’i Jehovah nifampiraharahana nivantana tamin’i Satana araka ny asehon’ny bokin’i Joba?
Tsy nanomboka tamin’ny nanotan’i Adama sy niterahany taranaka tsy tanteraka ihany no mifampiraharaha amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny Zanany Jehovah: efa nanao toy izany izy taloha. — Romana 5:12.
Izao no ambaran’ny Kolosiana 1:16, 17 ny amin’ilay Zanaka lahimatoan’Andriamanitra: “Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita (...). Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.” Mirakitra hevitra sahala amin’izany ny Jaona 1:1-3, kanefa mampahafantatra antsika ambonin’izany fa io Zanaka io dia ny Teny, na Logos. Tamin’ny fotoana naha-tanteraka ny olombelona, talohan’ny nanotan’i Adama sy Eva, dia efa nifampiraharaha sy nifandray tamin’izy ireo tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny, ny Teny, Andriamanitra. Noho izany, dia tsy tokony hieritreritra isika fa mifampiraharaha amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny Zanany Andriamanitra satria latsaka tao anatin’ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana ny olombelona.
Tsy manome antsika andinindininy betsaka ny Baiboly raha ny amin’ny fomba ifampiraharahan’i Jehovah Andriamanitra amin’ireo zavaboary ara-panahy. Ireo toko 1 sy 2 amin’ny bokin’i Joba dia mitantara fa indray andro Satana dia niseho “teo anatrehan’i Jehovah” tamin’ny fivoriambe iray niangonan’ireo anjely tany an-danitra. “Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Avy taiza hianao?” (Joba 1:6, 7). Ao amin’io andinin-teny io, ny bokin’i Joba dia tsy milazalaza an’i Satana ho teo am-piresahana tamin’i jehovah tamin’ny alalan’olona iray. Afa-tsy izany koa, Mikaia mpaminany dia nahita an’i Jehovah tao amin’ny fahitana iray, nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, ary ny anjely iray niresaka tamin’Andriamanitra, nefa tsy nisy fitenenana ny amin’ny mpanalalana (I Mpanjaka 22:19-23). Tamin’ireo toe-javatra roa ireo, dia tsy misy firesahana ny amin’ny Logos. Tsy voalaza mazava raha tafiditra tao amin’ny fifanakalozan-kevitra izy io.
Raha tsy voatery nanova ny fomba fifandraisany tamin’i Adama lehilahy voalohany i Jehovah Andriamanitra rehefa nanota io, dia tsy isalasalana mihitsy kosa fa hafa ny toeran’i Adama. Talohan’ny nanotany, Adama dia olombelona “zanak’Andriamanitra”. (Lioka 3:38.) Taty aoriana, dia tsy toy izany intsony izy. Ireo taranak’i Adama koa dia tsy tanteraka, voaloton’ny ota, hany ka Jehovah dia tsy afaka nihevitra ireo lehilahy sy ireo vehivavy, na dia ireo nahatoky aza, ho toy ny ‘zanany’, na zanaka olombelona. Nikasa ny hitondra fanovana anefa izy. Tonga i Jesosy mba hanome sorom-panavotana, ka tamin’izany dia nametraka fototra mba hamelan’i Jehovah ny fahotan’ireo izay hino an’io sorona io. Izao no nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ireo kristiana: “Fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany.” — Romana 5:10; Efesiana 1:7.
Eny, tsy tonga tsy marina na tsy madio akory Jehovah ka taorian’izany dia afaka namela ny fahotan’ireo olona nanam-pinoana ka nihevitra azy ireny ho zanaka olombelona madio sy tsy misy ota, ary izany dia hahatonga azy ireo ho afaka ny hatsangana ho zanaka ara-panahy (Romana 3:25, 26; 8:15-17). Na dia izany aza, teo koa Andriamanitra dia nampiasa ny Zanany, araka ny asehon’ny fitantarana manamarina fa Jesosy dia nandatsaka ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33. — Asan’ny apostoly 2:33.
Araka izany, Andriamanitra dia mifampiraharaha amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny Teny; tsy nanomboka nanao izany anefa izy noho ny fahotan’ny olona, ary tsy misy na inona na inona mamela antsika hieritreritra fa manohitra izay vakintsika ao amin’ny bokin’i Joba izany.