Lazao ny Marina Momba An’i Jesosy
1 Notendrena ‘hitana ny filazana an’i Jesosy’ ireo Kristianina voahosotra, ampian’ny ondry hafa namany. (Apok. 12:17) Zava-dehibe izany fanendrena izany satria amin’ny alalan’i Jesosy ihany no hahazoantsika famonjena.—Jaona 17:3; Asa. 4:12.
2 “Làlana sy fahamarinana ary fiainana”: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”, hoy i Jesosy. “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) I Jesosy no “làlana”, ka amin’ny alalany irery ihany no ahafahantsika mivavaka sy mifandray amin’Andriamanitra. (Jaona 15:16) I Jesosy no “fahamarinana”, satria tanteraka taminy ireo faminaniana sy aloka noresahin’ny Soratra Hebreo. (Jaona 1:17; Kol. 2:16, 17) Ny tena nanaovana an’ireo faminaniana, dia mba hampiharihariana tsara fa manana anjara asa lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy. (Apok. 19:10) I Jesosy koa no “fiainana.” Midika izany fa tsy maintsy mino ny sorom-panavotany isika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.—Jaona 3:16, 36; Heb. 2:9.
3 Filoha sady Mpanjaka: Tsy maintsy manaiky ny fahefana lehibe nomen’i Jehovah an’ilay Zanany koa ny olona. Natao ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy ary “hanoa Azy ny firenena.” (Gen. 49:10) Notendren’i Jehovah ho Filohan’ny fiangonana koa izy. (Efes. 1:22, 23) Tokony hampiantsika ireo mpianatra Baiboly mba hahatakatra ny fomba itarihan’i Jesosy ny fiangonana, sy ny fomba ampiasany ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” hizarana ‘sakafo ara-panahy amin’ny fotoana.’—Matio 24:45-47.
4 Mpisoronabe be famindram-po: “Mahavonjy izay alaim-panahy koa” i Jesosy, noho izy niharan’ny fisedrana sy ny fijaliana toy ny olona. (Heb. 2:17, 18) Tena mampahery ny olombelona tsy tanteraka tokoa ny mahafantatra fa mahatsapa ny fahalemeny i Jesosy, ary mifona ho azy ireo! (Rom. 8:34) Noho ny soron’i Jesosy sy noho izy Mpisoronabe, dia afaka manatona an’i Jehovah “amin’ny fahasahiana” isika mba hahazoana “famonjena amin’izay andro mahory.”—Heb. 4:15, 16.
5 Miezaka mampahafantatra ny olona ny marina momba an’i Jesosy isika, ka enga anie izany hanosika azy ireo hankatò azy sy hiara-manompo amintsika.—Jaona 14:15, 21.