Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
Fananana fifandraisana akaiky kokoa
NANARAKA ny sakafon’ny fahatsiarovana, dia nampahery ny mpianany tamin’ny lahateny tamim-pahatsorana iray nataony tampotampoka i Jesosy. Nety ho taorian’ny nisasakalina tamin’izay. Nampirisika àry i Jesosy hoe: “Mitsangàna, andeha isika hiala eto.” Nefa, talohan’ny hiaingan’izy ireo, i Jesosy, izay nohetsehin’ny fitiavany azy ireo, dia nanohy niresaka tamin’ny fanaovana fanoharana iray nanosika azy ireo hanao zavatra.
“Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly [MN ]”, hoy izy nanombo-dresaka. Jehovah Andriamanitra, Ilay Mpamboly Lehibe dia namboly izany voaloboka ara-panoharana izany rehefa nanosotra an’i Jesosy tamin’ny fanahy masina izy, tamin’ny batisany tamin’ny 29 am. fan. ir. Nasehon’i Jesosy anefa fa nilaza hafa ankoatra ny tenany ilay voaloboka, tamin’ny fanamarihana hoe:
“Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny [dioviny, fanamarihana ambany pejy] (. . .). Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko. Izaho no voaloboka, hianareo no sampany.”
Tamin’ny Pentekosta, 51 andro taorian’izay, dia tonga sampan’ny voaloboka ireo apostoly sy ny hafa rehefa nilatsaka teo amin’izy ireo ny fanahy masina. Tamin’ny farany, dia olona 144 000 no tonga sampan’ilay voaloboka ara-panoharana. Miaraka amin’i Jesosy Kristy, ilay foto-boaloboka, dia mahaforona voaloboka ara-panoharana mamokatra ny voan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo.
Nohazavain’i Jesosy toy izao ny fanalahidin’ny famoazana: “Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.” Raha toa anefa ny olona iray ka tsy mamoa, hoy i Jesosy, “dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.” Teo an-danin’izany, dia nampanantena i Jesosy hoe: “Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.”
Nasehon’i Jesosy tamin’ny apostoliny fa ny fomba fankalazana ny Rainy dia ny hoe “mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo.” Ny voa irin’Andriamanitra ho azo avy amin’ireo sampany dia ny fanehoan’izy ireo ny toetra sahala amin’ny an’i Kristy, indrindra fa ny fitiavana. Ary satria mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra i Kristy, ireo voa irina ho azo koa dia mahafaoka ny asan’izy ireo fanaovana mpianatra toy ny nataony.
“Tomoera amin’ny fitiavako hianareo”, hoy ny fampirisihan’i Jesosy izao. Nefa, ahoana no hahafahan’ny apostoliny hanao izany? “Raha mitandrina ny didiko hianareo”, hoy izy, “dia hitoetra amin’ny fitiavako.” Nanaohy nanazava toy izao i Jesosy: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.”
Rehefa afaka ora vitsivitsy dia hasehon’i Jesosy izany fitiavana tsy manam-paharoa izany amin’ny fanolorana ny ainy ho tombontsoan’ny apostoliny, ary koa ny hafa izay haneho finoana azy. Ny ohatra nomeny dia tokony hanosika ireo mpanara-dia azy haneho fifankatiavana feno fahafoizan-tena toy izany. Io fitiavana io no hamantarana azy ireo, araka ny nambaran’i Jesosy taloha kokoa hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”
Nampahafantatra izay sakaizany i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.”
Endrey izany fifandraisana sarobidy ananana amin’ny maha-sakaiza akaikin’i Jesosy! Nefa mba hanohizana hanana izany fifandraisana izany dia tsy maintsy “mamoa [hatrany, MN ]” ireo mpanara-dia azy. Raha manao izany izy ireo, hoy i Jesosy, dia “homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako.” Izany dia valisoa lehibe ho an’ireo izay mamoa ny voan’ilay Fanjakana.
Rehefa avy nampirisika indray ny apostoliny mba ‘hifankatia’ i Jesosy, dia nanazava fa hankahala azy ireo izao tontolo izao. Nampahery azy ireo toy izao anefa izy: “Raha halan’izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.” Nanaraka izany, i Jesosy dia nanambara ny antony ankahalan’izao tontolo izao ireo mpanara-dia azy: “Satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.”
Nanohy ny teniny toy izao i Jesosy tamin’ny fanazavana misimisy kokoa ny anton’ny fakahalan’izao tontolo izao: “Izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay [Jehovah Andriamanitra] naniraka Ahy izy.” Ny fahagagana nataon’i Jesosy, raha ny marina, dia manameloka ireo izay mankahala azy, araka ny nomarihiny hoe: “Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Aho sy ny Raiko koa.” Mifanaraka amin’izany, hoy i Jesosy, dia tanteraka ny Soratra masina hoe: “Halany foana [tsy ahoan-tsy ahoana, MN ] Aho.”
Araka ny nataony teo aloha, dia nampahery azy ireo indray i Jesosy tamin’ny fampanantenana handefa ny mpanampy, ny fanahy masina, izay hery miasan’Andriamanitra. “Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara.” Jaona 14:31-15:27; 13:3, 35; Galatiana 6:16; Salamo 35:19; 69:4.
▪ Oviana i Jehovah no namboly ny voaloboka ara-panoharana, ary oviana sy ahoana no ahatongavan’ny hafa ho anisan’ilay voaloboka?
▪ Sampany firy, tamin’ny farany, no nananan’ilay voaloboka ara-panoharana?
▪ Voa manao ahoana no irin’Andriamanitra avy amin’ireo sampana?
▪ Ahoana no ahafahantsika ho sakaizan’i Jesosy?
▪ Nahoana izao tontolo izao no mankahala ireo mpanara-dia an’i Jesosy?